septembre 2019

Fitiavana refesina amin’ny Fankatoavana

FITIAVANA REFESINA AMIN’ NY FANKATOAVANA Ny fitiavantsika tsy mba refesina amin’ ny fihetseham-po… toy ny hoe : impiry isika no mitomany, na ny fanambarana hoe toa inona no haben’ ny fitiavantsika an’ Andriamanitra… fa ny fitia­vantsika dia asehon’ ny fankatoavantsika ! « Raha tia Ahy ianareo dia hitandrina ny didiko ». Miasa mafy ho an’ ireo tiantsika isika, ary ny fitiavana manamaivana ny asa....

Mivelona miaraka amin’i Jesosy

Nomena antsika ny fiainana mba hanatanterahana ny zava­kendren’ Ilay Mpahary antsika eo amin’ ny fiainantsika, dia ny hiaina toa izay niainan’ i Jesosy. Izay tsy miaina toa izay niainan’ i Jesosy dia tsy miaina araka izay tokony ho izy (I Jao. 2 : 6). Izay tsy miara-miaina amin’ i Jesosy eto an-tany dia tsy afaka hiara-­miaina Aminy any an-danitra. « Ary...

Mitady Traducteurs

Ny Site Lalamasaka Hatry ny Ela dia mitady olona tsara sitrapo hanao traducteur en ligne (lahatsoratra amin’ny teny malagasy avadika teny anglisy; na anglisy sy frantsay avadika teny malagasy). Koa raha  terem-panahy ianao ka afaka hanome tanana dia iangaviana handefa ny numero téléphone sy adiresy mail-nao aty aminay na hiantso avy hatrany ny administrateur. Misaotra mialoha amin’ny tolo-tanana, Jereo Menu-Hifandray aminay

Mijoroa vavolombelona

Raha manana fijoroana vavolombelona ianao dia azonao atao ny manome voninahitra ny Tompo eto amin’ny Site hampaherezana ny namana rehetra. Mankanesa eo amin’ny Fifampizarana fijoroana vavolombelona eto ankavia