MA Daoud

Ny fijangajangana sy ny voka-dratsy aterany

NY FAHOTANA IZAY MITARIKA FAHAFATESANA BETSAKANY FAHOTANA IZAY MAHATONGA NY FAHATEZERAN’ ANDRIAMANITRA. Io fahotana io no nahatonga ny safodrano teto ambonin’ny tany izay nandringana ny olombelona rehetra sy ny biby afa-tsy Noa sy ny ankohonany. Io fahotana io no nahatonga an’ Andriamanitra handatsaka afo sy solifara tao Sodoma sy Gomora, ary koa handroaka ny mponina voalohany tany amin’ ny tanin’ i Palestina. Nahatonga...

Tia amin’ny asa fa tsy amin’ny teny

Ny lehilahy dia tsy haharesy lahatra ny vadiny hoe tia azy amin’ ny fitenenany izany fotsiny, fa afaka handresy lahatra an­dravehivavy izy amin’ ny asany. Tokony ho tia isika, tsy amin’ ny teny fotsiny, fa amin’ ny asa sy ny fahamarinana. Hoy Jesosy : « Raha misy tia Ahy, dia hi­tandrina ny teniko izy ».Jao. 14 : 23. Io no fandrefesana tsy...

Fanaka omem-boninahitra 2 (tohiny)

Ao amin’ ny II Tim. 2   :   20, 21 dia mitanisa zavatra telo Paoly   :   Ny fanaka omem-boninahitra dia « EFA NOHAMASI­NINA », MAHASOA HO AN’ NY TOMPO », VOAVOATRA HO AMIN’ NY ASA TSARA REHETRA ». Nohamasinina Ny TENIN’ ny Testamenta no foto­try ny fiainana kristiana… Ary izay tsy hanomboka amin’ ny fomba matotra izay nolazain’ i Jesosy tamintsika dia TSY MBA HANAO FANDROSOANA LEHIBE na...

Moa ve ny Kristiana afaka mivelona tsy misy ota?

Ny mivelona tsy manota dia fiteny mahatohina ny olona maro, kanefa amin’ ny fomba ahoana indray no ahatanterahana ny zava-kinendry lehibe tamin’ ny nanirahana an’ i Kristy teto amin’ izao tontolo izao ? Tonga Izy hamonjy ny olona ho afaka amin’ ny fahotany, kanefa raha tàhiny ny kristiana tsy mety voavonjy afaka amin’ ny fahotana, araka ny fampianaran’ ny mpampianatra sy mpitondra fiangonana...

Miverena any Betela 007

Aoka ho raisintsika ny voady izay nataon’ i Jakoba : « Dia ho an’ Andriamanitra IANAO ».Tokony hiteny amin’ ny Tompo isika fa ho mahatoky amin’ ny famonjena fivoriana amin’ izao taona vaovao izao. Hamaky Baiboly bebe kokoa isan’ andro aho noho izay nataoko tamin’ ny taon-dasa. Hanome fotoana bebe kokoa ho an’ ny vavaka mihoatra noho ny tamin’ ny taon-dasa aho. Tamin’...

Ahoana no hiofanana ho amin’ny asan’Andriamanitra

Na iza na iza no maniry hiofana ho amin’ ny asan’ ny Tompo dia tokony hahatsapa fa ny fiainana anatiny manokana eo anatre­han’ Andriamanitra no fanoitra fototra ho amin’ ny fahombiazana sy fisondrotana ara-panahy. Liana kokoa Andriamanitra mijery ny fiainana iainantsika sy ny eritreritra sainintsika, ny fahamasi­nam-po sy fampiharana ny fahamarinana, raha atao indraim-bava, ny fiovantsika amin’ ny alalan’ ny Fanahy hitovy endrika...

Fitiavana refesina amin’ny Fankatoavana

FITIAVANA REFESINA AMIN’ NY FANKATOAVANA Ny fitiavantsika tsy mba refesina amin’ ny fihetseham-po… toy ny hoe : impiry isika no mitomany, na ny fanambarana hoe toa inona no haben’ ny fitiavantsika an’ Andriamanitra… fa ny fitia­vantsika dia asehon’ ny fankatoavantsika ! « Raha tia Ahy ianareo dia hitandrina ny didiko ». Miasa mafy ho an’ ireo tiantsika isika, ary ny fitiavana manamaivana ny asa....

Mivelona miaraka amin’i Jesosy

Nomena antsika ny fiainana mba hanatanterahana ny zava­kendren’ Ilay Mpahary antsika eo amin’ ny fiainantsika, dia ny hiaina toa izay niainan’ i Jesosy. Izay tsy miaina toa izay niainan’ i Jesosy dia tsy miaina araka izay tokony ho izy (I Jao. 2 : 6). Izay tsy miara-miaina amin’ i Jesosy eto an-tany dia tsy afaka hiara-­miaina Aminy any an-danitra. « Ary...