Aza manamelo-tena

Rehefa tonga rembin’ny fahotana ianao dia tsy maintsy ho tonga amin’ny fanamelohan-tena. Misy karazany roa ny fanamelohan-tena mahazo anao :
Ny iray voalohany dia mamporisika anao hiantoraka eo an-tongotry ny Tompo.
Ny Faharoa kosa dia miezaka mandresy lahatra anao fa tsy afaka ny hamela heloka anao intsony Andriamanitra raha vao tafavily niala tamin’ny lalana marina ianao.

Fantaro fa io fanamelohan-tena faharoa io dia tsy avy amin’Andriamanitra fa avy amin’i Satana. Ny tanjony dia ny hihazona anao ao anaty fiainana miaraka amin’ny ota, lavitra ny Tompo, amin’izay dia mandà tsy hiverina amin’ny fanamasinam-piainana ianao, nefa sitrak’Andriamanitra indrindra ny hanamasina anao indray.
Ny hoe manamelo-tena rehefa avy nanao fahadisoana dia ara-dalàna tsara. Fa ny fanamelohan-tena izay mitondra anao ho amin’ny lalan’ny fibebahana no araho fa iny no lalana tsara.
Amin’ny fonay rehetra