Boky sy Trakta

Ny Fomba hamonjena anao

Ny famonjena Ny famonjena no foto-kevitra lehibe indrindra ao amin’ny tantaran’ny Filazantsara, ary izy no hafatra lehibe indrindra nampitondraina ho an’ny olona. Taon-jato maro talohan’ny nahatongavan’ny Mesia no efa naminanian’i Isaia ny hiaviany ka nanaovany hoe: “Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo” (Isa.35:4). Raha nanambara ny hahaterahany ny anjelin’Andriamanitra dia nilaza ny momba an’i Maria tamin’i Josefa hoe:...

Aoka halemy fanahy amin’ny namanareo ianareo

Na izany aza, manana ny fahasoavan’andrimanitra izay mahatonga ny olona hiasa amin’ny fahatsaram-panahy eo anatrehan’ny zava-tsarotra mitranga rehetra. Amin’ny alalan’ny fahamoram-panahy vokatry ny fahasoavana no tena hisehoan’ny fiainam-panahy marina. Ny fitiavana, ny fahatsaram-panahy, ny famelan-keloka no hanehoana ny fitenin’ny lanitra. Hoy kristy: “izao no ahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo raha mifankatia”. Jao.13:35. Katsaho ao amin’andriamanitra ny fahasoavana fahalemem-panahy. Raha...

Tsotra nefa diso

Fiteny mahazatra ny olona ny hoe : « TSY MANINONA IZAY INOANA, REHEFA TSOTRA ». Deraintsika ny olona TSOTRA, kanefa tsy ampy ny fahatsorana. Mety misy OLONA TSOTRA amin’izay inoany ary manao zavatra marina. Omentsika haja lehibe ny olona izay tsotra ka mafana fo amin’izay zavatra itompoany ary vonona éry ny ho faty amin’izany. NEFA tsy ampy ny FAHATSORANA fotsiny. – Nino TAMIM-PAHATSORANA ity vehivavy iray fa daozim-panafody sahaza no nalainy...