Fampianarana

Ny Fanasan-tongotra, Jesosy Mamonjy Ankorondrano, BroDaoud Dec27 1963

Torinteny Alahady Paska 2020, amin’ny 3ora hariva NY FANASAN-TONGOTRA Jesosy Mamonjy Ankorondrano, Bro Daoud Dec 27 1963 Maro amintsika no miantso ny fiverenan’ny Fiangonana ho amin’izay niaingana (miverena any Betela, ny fahamasinana, ny firaisan-kina), ny rivo-panahy niainana teo aloha, ny toe-panahy araka an’Andriamanitra sy ny fifankatiavan’ny samy zanak’Andriamanitra. Ity torinteny ity dia isan’ireo tenin’Andriamanitra faheno sy namolavola ireo raiamandreny tany...

Ny Didy lehibe indrindra

Ny didy lehibe indrindra nomen’ i Jesosy ny mpanaraka azy mialoha kelin’ny hiakarany any an-danitra dia izao : « Miandrasa mandra-panafiana anareo amin’ ny hery avy any ambony, ary MANDEHANA ANY AMIN’ IZAO TONTOLO IANAREO, KA MITORIA NY FILA­ZANTSARA AMIN’ NY OLOMBELONA REHETRA ». Io asa io dia ho an ny zanak’Andriamanitra tsirairay avy… Ary isika rehetra tokony hiasa ny asa mandra-pijinja ny vokatra manerana izao tontolo izao....

Fitiavana mamaky teny

Mety ho fantatra amin’ ny karazam-boky vakiany ny olona iray. Ny antony dia satria ny karazam-boky vakian’ ny olona man­drakariva no mitory ny toe-tsainy, ary izay fomba fihevitry ny olona no maha-izy azy. Ny olona tena ara- panahy tamin’ ny ta­ranaka rehetra dia nanam-pitiavana miredareda hamaky boky ara-panahy. Tsy tokony hamaky haingana loatra isika, fa hieritre­ritra kosa sy hitsakotsako eo...

Ahoana no hiofanana ho amin’ny asan’Andriamanitra

Na iza na iza no maniry hiofana ho amin’ ny asan’ ny Tompo dia tokony hahatsapa fa ny fiainana anatiny manokana eo anatre­han’ Andriamanitra no fanoitra fototra ho amin’ ny fahombiazana sy fisondrotana ara-panahy. Liana kokoa Andriamanitra mijery ny fiainana iainantsika sy ny eritreritra sainintsika, ny fahamasi­nam-po sy fampiharana ny fahamarinana, raha atao indraim-bava, ny fiovantsika amin’ ny alalan’ ny Fanahy hitovy endrika...

Paska : Miorina amin’ny inona ny maha Kristiana anao

Androm-pandresena lehibe ho antsika zanak’Andriamanitra ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty. Io no fototra lehibe ijoroan’ny fivavahana kristiana. Raha tsy nitsangana tamin’ny maty Kristy dia ho mitovy amin’ny fivavahana finoanoam-poana rehetra ihany ny finoana arahantsika. Hoy Paoly : « ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo » 1 Korintiana. 15 : 14. Raha ny finoana...

Mampitandrema raha tsy te ho very

Vakio ny Oha. 24 : 11, 12 : « Raha mihirim-belona tsy hana­faka izay entina hovonoina ianao, sy ireo efa ho mby eo am-pamo­noana ; Raha hoy ianao : « Indro, tsy mahalala izany izahay, moa Izay mandanja ny fo tsy hihevitra izany va ? Ary izay mandinika ny fanahinao, tsy hahalala izany va ? Tsy hovaliana araka ny ataony avy va...

Fomba famakiana ny Baiboly

Vakio manomboka amin’ny fiandohany ka hatramin’ny fiafarany izy tahaka ny famaky boky hafa. Aza malaky manao famintinan-kevitra raha tsy efa voavakinao manontolo ny tantara ao. Izany MIHITSY no FAMAKY NY BAIBOLY MANONTOLO fa tsy ampahany amin’ny andalana tiana sy azoazo fotsiny. Hahita zavatra maro lazain’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly izay tsy mbola fantatrao ianao. Mamakia toko maromaro amin’ny fotoana iray hahasahana...