Toriteny

Avereno indray ny fifandraisanao amin’Andriamanitra

Ny hoe tonga Kristiana dia tsy midika fa hanana fiainana mahafinaritra foana. Mandrakariva dia mandalo fotoan-tsarotra tokoa isika ary mila tsy hahita intsony hoe aiza no fiafaran’izao lalako izao. Arakaraky ny hanotana, dia mahatsapa isika fa miha manalavitra ny tavan’Andriamanitra ka tonga tsy maha vavaka intsony, tsy mahavita makany am-piangonana intsony. Ary manosika mafy ny fahavalo, mitondra eritreri-dratsy marobe, mitondra...

Vavaka mitaraina amin’Andriamanitra, BroDaoud Jesosy Mamonjy Ankorondrano

Amin’izao andro sarotra andalovantsika izao, izay fotoana tsy maintsy ianteherantsika amin’ny vavaka dia manasa anao hihaino ity torinteny ity. Tsy mbola nahazo ianao satria tsy mbola nivavaka, na efa lasa « kamo » mivavaka, na mivavaka tsy amin’ny hafanam-po sy fitarainana. Andriamanitra anefa matoa manentana antsika ao amin’ny Teniny mba hivavaka, dia satria efa sitrany ary efa vonona ny hamaly vavaka Izy...

Ny Fiverenan’i Jesosy indray Bro Daoud Jesosy Mamonjy Ankorondrano

Fiverenan Jesosy indray. Ny Famantarana ny andro farany. Ireo fiomanan’ny bibidia amin’izao andro farany izao hahatanteraka ny Faminaniana. Ity torinteny ity dia isan’ireo faminaniana sy torinteny maromaro nambaran’ny Mpanompon’Andriamanitra Fr Daoud taona vitsy talohan’ny fanambaràna ny fitsanganan’ny Vondrona Europeana (Union Européenne) ary ny fivoahan’ny vola Euro.

Resy ny Ambalavelona. Vavolombelona tantaraina num1. Pasteur Miandry Rabenarivelo

Ny ©Lalamasaka Hatry ny Ela dia manana Studio Video harifomba natokana handraisana an-tsary sy feo ireo rehetra nanaovan’Andriamanitra asa mahagaga manerana ny Fiangonana Jesosy Mamonjy indrindra ireo any amin’ny toerana saro-dalana. Ny vavaka ataonay dia ny hitomboan’ny finoanao mba handraisanao fahagagana avy amin’Andriamanitra, indrindra raha manana olana na tsy fahasalamana mitovy amin’ity fijoroana vavolombelona ity ianao.

Andro farany izao, ho avy Jesosy

Nitory teny matetika Fr Daoud tany amin’ny taona 1997 tany hoany fa ho avy tsy hoela ny andro mahory, hisy ny fanenjehana sy mosary, ary hikatona ny fiangonana ka tsy ho afaka mivavaka isika. Tsy hisy hahazo hividy na hivarotra raha tsy manana ny mariky ny bibidia. Koa ny herin’Andriamanitra angoninao izao, ny fiainam-bavaka betsaka ataonao izao, ny fahazaranao mivavaka...

Ny fomba hahavoavonjy

1— Minoa izay lazain’ Andriamanitra ny aminao : ‘ Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra ». Rom. 3 : 23. 2 — Minoa izay lazain’ Andriamanitra ny amin’ ny fahota­nao. « Fa fahafatesana no tambin’ ny ota ». Rom. 6 : 23. 3 — Mino Ilay hany Tokana nanao asa fisoloana ny otanao : Jesosy Kristy...