Ny Ran’ny Zanak’ondry -en

0

Mialoha ny nanafahan’Andriamanitra ny Israely tamin’ny fanandevozana tany Egypta dia tokony hatoky ilay MPAMONJY IZAY HO AVY (Jesosy Kristy) ny isan-tokantrano mba hanafahana azy ho afaka amin’ny otany.

Raha vao nanota voalohany Adama sy Eva, dia voatery nanome ny Zanany Lahitokana Andriamanitra mba hisolo azy noho ny otany. Mandra-pahaterak’i Jesosy, ny olo-masina rehetra tao amin’ny Testamenta Taloha dia tsy maintsy nanatitra ny ran’ny biby tamin’ny finoana, fa indray andro any ANDRIAMANITRA HANDEFA NY ZANANY, IZAY HANAISOTRA ny fahotan’izao tontolo izao. Ary ho an’izay rehetra nanao fanatitra alatsadra dia anjaran’Andriamanitra ny nanavotra sy namonjy ary nanafaka azy tamin’ny fatoran’i Satana.

Satria MANKATO izay nanolorantsika ny tenantsika isika dia mpanompon’izay ankatoavintsika. (Rom. 6 : 16). Noho izany, raha vao nanota Adama sy Eva ka NANKATO ny fakam-panahy feno hafetsen’i Satana, dia tonga andevony avy hatrany ; tonga fananan’ny devoly ankehitriny NY TANY REHETRA izay nomen’Andriamanitra an’i Adama tany am-piandohana. Izany no antony nahazoan’i Satana nanolotra an’i Jesosy ny fanjakana rehetra eto amin’izao tontolo izao raha mba nety hiankohoka sy hanompo ny devoly Izy.

Fa namaly Jesosy hoe « Voasoratra hoe ». Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao ary IZY IRERY IHANY NO HOTOMPOINAO. Izany no tsy nananan’ny devoly fahefana tamin’i Jesosy mihitsy, satria tsy nankato azy velively Izy ; ary izany koa no nahafahan’i Jesosy NANAVOTRA ANTSIKA tamin’ny herin’ny devoly tamin’ny alalan’ny Rà soany izay nalatsany noho ny otantsika.

Nitsangana tamim-pandresena avy tao am-pasana Jesosy ; nandresy ny herin’ny fahafatesana sy ny fiainan-tsihita ka hoy Izy : «EFA NOMENY AHY NY FAHEFANA REHETRA any an-danitra sy ety an-tany», MANDEHANA ianareo ataovy mpianatra ny firenena rehetra,  manao batisa azy amin’ny anaran’ny RAY sy ny ZANAKA ary ny FANAHY MASINA, MAMPIANATRA AZY HITANDRINA izay rehetra nandidiako anareo, ary indro Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao». (Mat. 28 : 18.20).

Ankehitriny isika dia mitodika amin’ny asa vitan’i Jesosy tao Kalvary ho famonjena sy fanafahana antsika amin’ny famatoran’ny ota ; fa tamin’ny andro nanandevozan’ny Egyptiana ny Zanak’Israely, tsy maintsy niandrandra ny fahatongavan’i Kristy izy ka mba hanatanterahana izany dia nanao fanatitra zanak’ondry tsy misy kilema izy, ka mametraka ny rà teo amin’ny tolana sy ny tataom-baravarana. Koa raha nandalo ny anjelin’ny fahafatesana dia voavonjy tamin’ny fahafatesana ny olona.

0