Fahagagana sy Misiona – 003

FIZARANA voalohany

IREO NOSY

… tohiny

“Tsy fahazakana ranomasina” (mal de mer )

Roa andro izay no lasa ary narary tsy nahazaka “mal de mer” i Sadie sy Mary. Milaza anefa ny Tenin’Andriamanitra hoe : « Misy marary va eo aminareo? . . . . aoka izy hivavaka ho azy, ary hanosotra diloilo azy amin’ny anaran’ny Tompo (eto aloa dia tsy haiko hoe menaka toy inona no ampiasaina), ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy. »(eny, na dia azon’ny “ mal de mer” aza izy ) (Jakoba 5 : 14 – 15). Noho izany indrindra, niaraka nankao amin’ny efitranon’i Sadie izahay ary nanomboka nivavaka ho azy. Namaly vavaka Andriamanitra ary nahakasika an’i Sadie ny herin’ny fanasitranany ; nifoha tao amin’ny efitranony ihany koa i Mary nandritra izany ary niara-sitrana izy roa. Mbola nanonja hatrany anefa ny ranomasina, saingy efa samy nahazo ny anjarany ny tsirairay ary lasa ny aretina.

Nihira sy nijoro vavolombelona tamin’ny mpandeha izahay isan’andro ; tonga tany San Juan – Pôrtô Rikô izahay, dimy andro taty aoriana. Nandinika ny antontan-taratasinay ilay “commissaire de bord” rehefa tonga izahay, ary ny fanontaniana napetrany taminay voalohany dia hoe : “Aiza ianareo no hitoby? ” Hoy izahay namaly azy : “Tsy fantatray tompoko. ”


“Tsy fantatra ahoana? ” Hoy izy, sady somary taitra kely no nitsangana nijery anay enina, izay tanora feno fifaliana handeha hiasa ho an’ny Tompo “Izany hoe tsy nanao taratasy famandrihana Hôtely izany hianareo? ” “Tsia tompoko”, hoy izahay namaly azy.

“Tsy hainareo moa fa anisan’ny toerana sarotra ahazoana Hôtely indrindra eto San Juan? Ary 10 dôlara isan’andro no hofany farafahakeliny raha tahiany mahazo ianareo. Efa nanana mpandeha tahaka izany mantsy izahay”, hoy izy, “hany ka voatery natory tato anaty sambo ry zareo nandritra ny andro maromaro, mandra-piveriny nody indray. Noho izany, raha toa ka tsy mahita toerana hipetrahana ianareo dia afaka miverina ato anaty sambo. ”

Tena maha te hidera mihitsy ny toe-pon’ity “commissaire de bord” ity ary hita fa tena nanganohano mihitsy ny masony rehefa nieritreritra ny toerana misy anay …. fa izahay kosa tsy mba nitomany. Faly loatra izahay ka tokony tsy hitomany, satria fantatray fa manana drafitra tsara rindra ho anay Andriamanitra.

Somary sahiran-tsaina kely tahaka ny olona rehetra ihany anefa izahay raha nidina sy niala tao amin’ny sambo, ary te hahita ny zavatra izay hataon’ny Tompo. Nisy mpivady iray efa olon-dehibe ihany, mpandeha niaraka taminay, mipetraka any San Juan ary hita fa tena olona araka an’Andriamanitra mihitsy izy. Riccis no iantsoana azy ireo ary fantany tsara ny toerana misy ny fiangonana tokony halehanay, natorony an’ilay mpamily fiarakaretsaka ny fiangonana andehananay, 90 cents (vola amerikana) fotsiny no naloanay ary naterina teo am-baravaram-piangonana izahay enina, ary indro, efa nisy mpitandrina niandry anay teo.

Image p 12

Ireo vondron’ny mpianatra nentin’I Jane Collins ho any amin’ny Nosy Pôrtô Rikô ; avy ankavia miankavanana : Benny Walker, Verlin Stewart, Jane Collins, Louise Stilwell, Mary Mauldin ary Sadie Henderson

Tsy arakaraky ny nambaran’ny sasany taminay ny trano nitoeranay, toy ireny rovan’ny mpanjaka ireny izany. Lehilahy amerikana manankarena be izay no matetika mandany ny fotoam-pialan-tsasatra ao. Namidiny tamin’ny fiangonana izany trano izany taty aoriana mba hanaovana Sekoly ara-baiboly. Eny an-tampon-tendrombohitra no misy azy io ary tazana avy eny ambony eny avokoa ny Nosy kelin’I Pôrtô Rikô rehetra. Misy trano fidiovana tsara tarehy sady voahaingo, mafy tsara ny gorodona tao ; feno vonikazo maniry samihafa toy ny lilia, … misy zaridaina ; feno hazo rofia (palmier) maniry ny sisiny roa amin’ny lalan’ny fiara miditra ao, …

Tonga maka anay isan-kariva ny fiaran’ny sekoly ho any amin’ny toerana hanaovanay fivoriana sy fanompoana maro ; fanahy maro no voavonjy nandritra ireny tamin’izany.

Efatra amby telopolo taona lasa izay no tonga voalohany tao Pôrtô Rikô ny Filazantsara. Feno fiangonana miroborobo sy mahaleo tena ny ankamaroan’ny toerana rehetra any ankehitriny. Ny antony? Voalohany indrindra, tsy mandray afa-tsy ny mpianatra izay te hitory Filazantsara ihany ny Sekoly ara-Baiboly any. Afa-mifidy ny toerana tiany iasana, amin’ny alalan’ny saritany iray izay mampiseho ny toerana rehetra efa misy trano fiangonana ny mpianatra izay nahavita ny fianarany ka mivoaka. Any amin’ny faritra izay mbola tsy misy fiangonana kosa no ahazoany manorina ny paroasiny. Tsy afaka mihemotra intsony anefa izy raha vatany vao manapa-kevitra mandra-pandratoany fanahy sy mandram-panoriny fiangonana sy toeram-pivoriana. An-taonany maro izy vao hahavita izany rehetra izany, saingy ny drafitra tahaka izany dia mametraka hetaheta mba handohalehana sy hivavahana amin’ny fanahy tanteraka. Manampy ny mpitandriana hivavaka sy hiasa mandrakariva izany, ary manantena fa Andriamanitra hanome sy handrakotra fahombiazana ho an’izay rehetra miasa ho Azy.

Faharoa manaraka izany, mampiasa fomba tokana hahazoany olona hanao asa fanompoana ry zareo Pôrtôrikana. Miara-mivondrona ny mpikambana rehetra mba hivavaka dimy amby efapolo minitra alohan’ny anombohan’ny fanompoam-pivavahana eo ho eo. Fotoana fohy aorian’izay, midina an-dalambe ry zareo, sady mihira no miteha-tanana ary manao antso avo no mitondra faneva lava (banderole) misy soratra hoe : “Mamonjy Jesosy”, na koa hoe “Manasitrana Jesosy”, na koa hoe “Ho avy tsy ho ela Jesosy”… Izany rehetra izany dia ampiarahina amin’ny vely amponga mafy. Midina eny amin’ny arabe avy hatrany ny olona mba hizaha izay zava-mitranga ao raha mandre izany tabataba izany. Nijanona teo amin’ny sisin-dalambe voalohany ry zareo, ary nisy iray nijoro vavolombelona : natao ny filazana avy eo fa efa hanomboka ny fotoam-pivavahana ao am-piangonana. Nasaina avokoa ny rehetra ary nanohy ny diany izy ireo avy eo saingy niampy olona maro ry zareo tamin’ity, satria liana ireo olona ireo mba hijery ny zavatra mety hitranga ao am-piangonana sy hihaino izay mety hambara ao izy ireo. Niditra tao am-piangonana izy ireo rehefa avy nihodidina ny tanàna nanao filazana (annonce) sy nijoro vavaolombelona niaraka tamin’ireo vahoaka maro be liana sady vonona hanompo an’Andriamanitra…, nisy ny fahateraham-baovao ary fanahy maro no voavonjy.

Zavatra maro no mety mitranga ao anatin’itony fivoriana tahaka itony. Sitrana teo no eo ireny rehefa natao ny vavaka ho an’ny marary ; tao ny tsy afa-nandeha ka nitondra hazo fitehenana, nefa sitrana ary afaka nandeha an-tongotra nody izy ; tao ihany koa ireo izay novesaran’ny enta-mavesatra nefa lasa maivana izany, nisy ihany koa ny fanasitranana ireo rehetra narary hoditra. Tsy nahandry mihitsy ny hahatongavan’ny fotoana manaraka ireo rehetra izay vao nanolo-tena, ary mba nidina an-dalambe ihany koa izy ireo ka nanambara izay nataon’ny Tompo taminy.

Nanery anay indray ny Tompo ho any St Thomas, any amin’ny Nosy Virginie, taorian’ireo fotoam-pifohazana feno voninahitra ireo, izay naharitra telo herinandro. Tsy nisy nanasa izahay tamin’ity indray mitoraka ity satria tsy nisy olona fantatray tany na dia iray aza. Na izany na tsy izany, volana maromaro lasa izay, nanazava ny saiko Andriamanitra ny amin’ny handehanako any Pôrtô Rikô, ary nametraka antso tao am-poko ihany koa Izy mikasika asa misionera ao am-pon’ny mpitandrina iray izay tena nahomby tokoa, dia ny Rév Stoppe, avy any Reading-Pensylvaine. Niasa tam-pahombiazana tanteraka tao amin’ny fiangonana lehibe iray izay niadidiany nandritra ny iraika ambinifolo taona io mpitandrina io. Saingy niala tamin’izany asa fitandremana izany izy ho fanatanterahana ny antson’ny Tompo ka nifindra tany Haïti, niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany lahikely valo taona. Fantany anefa fotoana vitsy taorian’ny nahatongavan’izy ireo tany Haïti fa hay teny anglisy no teny ampiasaina ao St Thomas, ary tsy nisy mpitoriteny tao. Noho izany, niova sampana haingana ry zareo ary nanomboka nitoriteny tam-pinoana teny an-tsisin’arabe isan’andro isan’andro izy. Niasa nandritra ny efa-bolana sy tapany ry zareo nefa tena nandiso fanantenana ny vokatra. Tsy nahita trano hofaina, na hovidiana, na indramina ry zareo, na tany hanorenana fiangonana ary tsy nisy afa-tsy olona efatra na dimy no mba niova fo.

Fotoam-pahavaratra sady nafana be indrindra tamin’izay, nefa tsy nisy orana. Sahirana avokoa ny rehetra vokatr’izany tsy fahampian-drano izany. Maina avokoa ny toerana fitobian-drano rehetra eny amin’ny trano tsirairay avy satria tsy misy ny orana. Voatery manafatra rano any Pôrtô Rikô ary sambo no mitondra izany.

Kivy tanteraka ny fianakaviana Stoppe, nieritreritra mihitsy izy ireo fa nihalany ilay zoto tao anaty, nihevitra ihany koa izy fa nahafoy azy ireo Andriamanitra. Angamba hoy izy, tokony nijanona tany amin’ilay fiangonan-dehibe nisy azy taloha izy, satria mba nisy olona voavonjy maro tany. Noho izany, nanoratra taratasy ho any amin’ny tompon’andraikitry ny misiona izy mba hiantso azy hiverina any indray, saingy tsy nisy valiny izany.

Teo anivon’izany, ketraka sy nihakely hery indrindra izy mianakavy ary nanoratra taratasy fanindroany. Nisy nandondona ny varavara raha efa vonona handefa izany izy. Tsy iza izany fa i Benny sy Louise, ary hoy indrindra izy ireo tamin’izay : “Izahay dia tanora enina mianadahy nantsoin’ny Tompo hanao asa fitoriana Filazantsara”.

Nampandrosoin’ilay mpitandrina tao an-trano izahay ary nanomboka nanambara ny olana misy eo aminy ilay mpitandrina, dia ny amin’ny fahadisoam-panantenana teo amin’ny asa nataony. Nilaza ihany koa ny fahasarotan’ny fitoriana Filazantsara tsy misy fepetra sy fifanarahana maro samihafa. Saingy hoy izy nanampy hoe : “Hitoriteny eny an-dalambe izahay anio hariva ; afaka manaraka anay ianareo raha tianareo izany, saingy tsy nampanantena vokatra lehebe aho. ”

Izay fanasana kely izay ihany anefa no nandrasan’i Benny sy Louise.

Anjara manao ahoana re izany ! Niverina nankany amin’ny Hôtely malaky ry zareo rehefa tapitra ny resaka rehetra. “ Andao malaky” hoy ireo fa hisy fitorianteny ankalamanjana rahariva!” Zara raha nahandry sakafo ry zareo ary lasa avy hatrany. Naniry hiaraka tamin-dry zareo ihany koa ny olona sasany tao amin’ny Hôtely ka voatery nandray fiarakaretsaka. Sarotra loatra ilay toerana alehanay, hany ka sahirana mihitsy ilay mpamily vao nahita izany.

Indro nihatonga tsikelikely ny olona rehefa nanomboka ny feon-javamaneno. Tomefy olona liana hihaino ny Tenin’Andriamanitra ny sisin’ny arabe rehetra ary nanaiky ny fitarihan’ny Tompo ny tsirairay. Tena faly loatra izahay ny amin’ny fomba nanokafan’Andriamanitra ny varavarana ho anay, hany ka tsy nisy nahatsiaro intsony hoe iza no nanao an’itsy na hoe iza no nanao an’iroa. Lehilahy sy vehivavy miisa valo amby telopolo no nanatona sy nandohalika teny amin’ny arabe ka nanolotra ny fony ho an’Andriamanitra ary nangataka famindrampo tamin’i Kristy rehefa natao ny fiantsoana ho any amin’ny alitara. Nitsangana izy ireo rehefa feno olona nitomany ny arabe ary nandeha tao anatin’ny fiainam-baovao izay tsy misy afa-tsy Jesosy irery ihany no afaka manome izany.

Tsy nahitana endrik’olona kivy izany na dia iray monja aza rehefa nifarana ny fivoriana, ary mba fantatrao ve hoe nitondra inona teo amin’ny fiainan’ny anadahy Stoppe izany? Niomana handeha izahay nefa hoy izy : “Ry tanora namako, aiza ianareo no hipetraka? . . . Any amin’ny Hôtely? Angamba tsy te hipetraka any ianareo e? ” (mazava ho azy fa tsia, satria 7, 5 dôlara isan’andro ny hofany, amin’ny ankapobeny izany hoe 250 dôlara isam-bolana eo ho eo no tsy maintsy aloanay). “Izao e’’ hoy izy, “Tongava any an-trano rahampitso, hifindra ao amin’ny efitra iray izahay mianakavy, ary ny efitra roa ao ambony kosa no hitoeranareo ; ao amin’ny trano fandraisam-bahiny (salon) isika no misakafo sy miara-mivavaka. ” Heniky ny hafaliana ho an’Andriamanitra tanteraka ny fonay satria niantso anay hanaraka Azy Izy mba hanampy ny olona ao amin’ireo Nosy ireo.

Ny alin’iny ihany, nisokatra ny lanitra ary nanomboka nilatsaka ny ranon’orana raha toa ka tsy avy mihitsy izany nandritra ny volana maromaro, ary feno rano avokoa ny toby fitahirizan-drano rehetra (citernes). Nisy olona enina hafa anefa ny ampitson’iny nampiasa izany rano izany ka lany tanteraka izany. Nony alina, nanomboka nilatsaka indray ny orana ka nahafeno ireo toby fitahirizan-drano ireo. Nanomboka teo, isaky ny alina, manokatra ny lanitra hatrany Andriamanitra rehefa avy manao ny asa ny tsirairay ka mandrotsaka ny ranonoram-pitahiany ho an’izay rehetra mangetaheta Izy.

hitohy …