Fahagagana sy misiona – 009

FIZARANA Faharoa

PÔRTÔ RIKÔ

… tohiny

Fanambadiana faobe

Anisan’ny zava-dehibe iray nitranga nandritra ny fihaonana tao Fajardo ny fitahiana noraisin’ny tokantrano maro. Nanao tokantrano maso nandritra ny taona maro izy ireo kanefa tonga tao am-piangonana izy mba hanao fanambadiana faobe. Mpitandrina maro no nanamasina izany. Tena asa mahafinaritra tokoa izany, nihira, nivavaka ary namaky teny izahay, ary ny anadahy Garcia no nanamasina azy ireo, mpivady enina no nohamasinina ary natao tsirairay isaky ny mpivady izany. Feno hafaliana noho ny fitahian’Andriamanira tokoa izy ireo. Maheno ny vokatra nandritra ny fivoriana teo amin’ny tokantranon’ireto olona ireto ny taratasy eto ambany :

“Ny fahamarinana manandratra ny firenena, fa ny ota kosa dia fahafaham-baraka amin’ny olona”. Eny, faly na dia ny ankizy aza satria izay vao tena mpivady ara-dalana eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona ny ray aman-drenin’izy ireo.


Rehefa manambady… sambatra

Ho an’ny anabavy Collins!

“Misaotra an’Andriamanitra aho noho ny fanomezam-pahasoavana hanasitrana izay napetrany tao aminao. Tena feno aretina aho… ary tsy iray izany : narary ny lohako, ny tendako, ny voako, mikorontana be ny lohako ary ny kohaka sisa no mbola tsy afaka tamin’izany aretina rehetra izany, ary manantena an’Andriamanitra aho fa hamita ny asam-pahasoavany Izy. Misaotra an’Andriamanitra ihany koa noho ny nandefasany anao aty Fajardo mba hamonjy ny fanahiko tsy ho very, sy mba hampianatra ahy hitia an’i Kristy izay Tompontsika ary mba hanana finoana Azy. Nahatsapa fiovana be izahay hatramin’izay nahafantaranay mivady ny Tompo izay. Lasa mifankahazo tsara izahay ary manjaka ao an-tokan-tranonay ny fiadanana… ny antony : nanatanteraka fanambadiana Kristiana, ary tsapanay ao am-po mihitsy ny fitiavan’i Kristy. Somary tsy nahita tsara ny mason’ny vadiko, fa efa mahita tsara kosa izy ankehitriny. Deraina ny Anaran’i Jesosy Kristy izay nanao fahagagana teo aminay. Andriamanitra anie hitahy ny asanao ary hanohy ny asa fanasitranany hatrany. ”

Hoy ny anadahinao

Dolores Rosario sy Luisa Pinero

Ampahany tamin’ireo sitrana tao Fajardo, Pôrtô Rikô. Lehilahy manao akanjo fotsy izay mipetraka any amin’ireny “bidonville” ireny, marenina sy adala izy, fa ankehitriny kosa tonga lehilahy tena manam-pinoana tokoa izy. Nahare ny sofiny raha nitsangana niaraka tamin’ny vahoaka izy ary lasa salama ihany koa ny sainy. Nitodika tany amin’ny olona izy rehefa vita ny fijoroany vavolombelona sy ireo fitsapana natao tamin’ny fandrenesany (test) ka nanao hoe : “Mino amin’izay ve ianao ry tsy mpino fa sitrana aho? ”

Rano fanaovana Batisa

Tsy feno sy tsy tanteraka ny asa fitoriana natao tany Fajardo raha tsy nasiana batisa tamin’ny Alahady hariva, taorian’ny fivoriana. Ranomasom-pifaliana sy hiakam-pandresena no nameno ny fon’ireo olona maherin’ny arivo izay nitsangana teny an-tsisin-drenirano akaiky an’i Fajardo, Pôrtô Rikô, 96 ireo olona naneho ny fiovam-pony tamin’ny alalan’ny fanaovana batisa teo anoloan’ny olona maro mba ho vavolombelona.

Hitantsika amin’ny sary eo ambony ny fiaraha-miasan’ireo mpitandrina telo teo amin’ny fanaovana batisa : Ankavia miankavanana : Rév Lionidas Santos, avy ao amin’ny fiangonana Assemblée de Dieu, Rév Sérafin Garcia avy ao amin’ny fiangonana kôngregasiônaly, ary Rév Regelio Gonzales avy ao amin’ny Eglise d’Alliance de Missionnaires Chrétiens.

Ampahany amin’ireo olona mitsangana eny amoron-drano.

hitohy …