Fahagagana sy misiona – 012

… tohiny

FIZARANA Fahatelo

EGYPTA

Ny feon’Andriamanitra sy ny fitoriana ny fanasitranana

Voafetra tamin’ny alalan’ireo boky kely tany an-tsekoly ihany ny fahalalako an’i Egypta, ary tsy nisy olona nanasa ahy mba ho tonga any. Maro ireo mpitandrina sy namana nieritreritra fa mampanahy ihany hoe amin’ny fomba ahoana no hahazoako vola hitoriana Filazantsara any Egypta. Noho izany indrindra, tsy mba nanome anjara ahy mba hiteny ao amin’ny Fiangonana na koa mba nanao rakotra ho fanampiana ny saran-dalako akory izy ireo. Nihevitra ny olona sasany fa tsy sitrapon’Andriamanitra izany matoa manakana avokoa ny olona rehetra ary tsy misy vola tonga mihitsy. Saingy avelan’Andriamanitra tsy hahomby matetika ny fanampian’ny tany mba hisehoan’ny voninahiny sy ny fahalebiazany, ary anisan’izany izao fotoana izao.

Mijery midina avy any an-danitra Andriamanitra, ary misy vahaolana hatrany ao amin’Andriamanitra raha milaza ny olona fa tsy misy na inona na inona azo atao intsony. Teo anoloan’izany indrindra, nino ny Tenin’Andriamanitra aho, nanomboka nikarakara ny entako sy nanomana ny diako.

Nanomboka nisy ady an-trano mafy tao Egypta ary nanahy mafy noho izany indrindra i Mama. Hoy izy tamiko : “Jane, azonao antoka ve fa sitrapon’Andriamanitra ny andehananao any Egypta amin’izao vanim-potoana izao? ”

“Eny”, hoy aho, “Azoko antoka fa raha tsy maintsy hanova ny governemanta iray manotolo sy hampijanona ny ady Andriamanitra, dia afaka manao toy izany ho an’ny Filazantsara ihany koa Izy”. Noho izany nihazona ny teniko hatramin’ny farany aho fa tsy maintsy mandeha. Nitazatazana fotsiny ny sasany, ny sasany nitsiky nefa tsy nisy nino mihitsy na dia iray aza fa tena handeha ho any Egypta aho. Indray andro anefa, taitra be ny mpampianatra Sekoly Ara-Baiboly iray avy ao Southwestern raha nilaza taminy ny amin’ny fikasako aho, ka nanao hoe : “Ho any Egypta? … Raha izany àry no izy, maninona raha manoratra taratasy any amin’ny rahavavy Mabel Dean izay any Egypta ianao? Tena liana amin’ny asa fitoriana Filazantsa tokoa mantsy izy, satria nahita fifohazam-panahy lehibe hatrany izy eo amin’ny asany, ary matoky aho fa tiany tokoa ny hiara-hiasa aminao, ary toy izany koa ianao”.

Nanoratra tany aminy izahay teo anoloan’izany, ary nilaza izy rehefa tonga ny valin’izany fa afaka mankany aho na dia izao ankehitriny izao aza.

Diboky ny hafaliana aho saingy ny vola no tsy nisy ! Ankoatr’izay, tafalatsaka tao am-poko indray nefa ny fomba hikarakarana an’i Mama ; valopolo taona izy ary mipetraka irery. Ny anadahiko no nikarakara azy, efatra na dimy ambinifolo taona lasa izy, raha nandeha nanao asa misionera tany ivelany. Efa maro be anefa ny zavatra iandraiketany amin’izao fotoana izao ka tsy afaka mikarakara azy loatra tahaka ny taloha intsony izy, ary tonga tato am-poko ilay Soratra hoe : “Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza. ” (I Timoty 5 : 8)

“Ary rehefa mamoaka ireo ondriny ireo izy dia mialoha azy. ” (Jaona 10 : 4)

Heniky ny hafaliana foana ny foko nino fa hiasa Andriamanitra, na dia milaza aza ny rehetra fa tsy ho tanteraka izany. Nivadika ho fifaliana tsy hay lazaina ihany koa ilay finoana tato anatiko rehefa nanasa ahy hitoriteny ao amin’ny fiangonany ny namako iray avy any Oklahoma. Efa nanao ny fandaminana rehetra ry zareo rehefa tonga tany aho ny mba hitoriako teny ao amin’ny fiangonana manodidina rehetra ihany koa. Tamin’io alahady io, nisy fiangonana roa nanome ahy 300 dôlara, ka niomana ny ho any New York amin’izay aho taorian’izany rehetra izany.

Nangatsiaka be ny andro kanefa tsy mba nanana ankanjo afa-tsy ireo izay fitondra amin’ny andro mafana aho. Tsy afaka nividy akajo mafana aho noho izany satria efa voatokana atao saran-dalana ny vola taty amiko.

Nametra-tanana tamiko sy nivavaka ho afy talohan’ny nilako tao an-trano ny vehivavy maromaro sy ny anadahy Raculia, mpitandrina ny Fiangonana Assemblée de Dieu any Grande Avenue, Dallas. Niteny tamin’ny alalan’ny anadahy Raculia ny Fanahy Masina nanao hoe : “Hikarakara anao sy ny reninao aho, handray an-tanana ny fiainanao rehetra Aho satria faly amin’ny olona mandeha am-pinoana ary matoky Ahy amin’ny lafiny ara-bola rehetra. Indro mandeha eo anoloanao Aho, ka manala ny vatovato misakana rehetra ka manova izany ho voninkazo mahafinaritra eo amin’ny lalana rehetra. Izaho no fahazavanao raha ao amin’ny maizina ianao, ary aloka eo anatrehan’ny hafanana sy hazavana be, ka hahita fahasambarana ianao noho io hazavana io ! Mandrosoa ary aza matahotra. Amin’ny alalan’ny fampiasanao ny Tenin’Andrimanitra no hisehoan’ny fandresenao. Tehirizo hatrany ny fiainam-bavakao ary aza matahotra fa hampiasao ny Tenin’Andriamanitra. ”

Nitomany i Mama raha nandre izany satria faly loatra. Hoy izy tamiko : “Deraina ny Tompo, tsy manahy sy tsy matahotra ny aminao intsony aho izaho… fantatro fa handray an-tanana anao ny Tompo”. Nandray ny fiaran-dalamby ho any New York aho, ny alin’iny ihany.

Feno ihany ny vola ilaiko, 935 dôlara, hividianana tapakila mankany Egypta, taorian’ny asa fanompoana roa natao nandritra ny dia ho any New York sy fitsidihana namana iray.

Efa manakaiky hiditra an’i New York izahay, indro nisy vehivavy iray marary mafy, ary efa toy ny maty ny fahitana azy ary olona maro no nitondra azy tamin’ireny karazana “waggon” ireny. Nihazakazaka nanatona mba hijery izay zava-misy ao aho raha nahita ny fahasahiranan’ny mpamily sy ireo olona nitondra azy. “Infirmiera ve ianao? ” hoy ireo tamiko. “Tsia” hoy aho. Afaka manindrona ve ianao? ” Hoy indray ireo, “Tsia” hoy aho namaly azy “Saingy manana zavatra malaky fiasa kokoa noho ny tsindrona aho” … hivavaka amin’ny Anaran’i Jesosy aho. Nijoro taoriako avokoa izy rehetra tamin’izay, izaho kosa nifanatrika tamin’ilay vehivavy narary. Napetrako teo amin’ny fony sy ny lohany ny tanako ary nandidy ny fanahin’ny fahafatesana hiala taminy tamin’ny Anaran’i Jesosy aho, ary nandidy ny fanahin’ny fahavelomana hiverina ao aminy indray mba ho voninahitr’Andriamanitra, ary mba hohitan’ny olona koa fa mbola velona sy miasa Andriamanitra hatramin’izao. Nanokatra ny masony ravehivavy raha vao vita izany vavaka izany ary nanomboka nitomany satria sitrana tanteraka noho ny Anara-maherin’i Jesosy Kristy izy.

Nahita aho fa fahagagana roa sosona no nataon’Andriamanitra rehefa tonga tao New York : ny voalohany dia ny amin’ny toetr’andro. Nisy “tempête de neige” nahery vaika be tany iray andro talohan’ny nahatongavako, ary nandrakotra ny faritra atsinanana rehetra izany, saingy rava vetivety tao anatin’ny indray andro monja izany ranombandry izany teo amin’ny manodidina an’i New York, hany ka tahaka ireny amin’ny lohataona ireny raha namakivaky ny tanàna izahay. Tena ratsy be indray ny toetr’andro, 900 km miala an’i Boston hany ka tsy afa-mandeha mihitsy na dia ny fiara madinika aza. Olona maro no maty nandritra izany “tempête de neige”, izay naharitra roa herinandro izany. Toy izao indray ny zavatra faharoa : efa nisy akanjo sy fanamiana maro niandry ahy tao New York tamin’ny fotoana nahatongavako. Feno akanjo mahafinaritra be dia be tao anatin’ny fitoeran-dambako tany ary samy amin’ny karazanay sy ny lokony avy izany … Tena mahagaga mihitsy Andriamanitra ary mahafinaritra ny miaraka Aminy ! Hialoha lalana anao ihany koa Izy raha manaraka Azy ianao.

hitohy …