Fitiavana mamaky teny

Mety ho fantatra amin’ ny karazam-boky vakiany ny olona iray. Ny antony dia satria ny karazam-boky vakian’ ny olona man­drakariva no mitory ny toe-tsainy, ary izay fomba fihevitry ny olona no maha-izy azy. Ny olona tena ara- panahy tamin’ ny ta­ranaka rehetra dia nanam-pitiavana miredareda hamaky boky ara-panahy. Tsy tokony hamaky haingana loatra isika, fa hieritre­ritra kosa sy hitsakotsako eo am-pamakiana, ary hanandratra ma­tetika ny fontsika ho amin’ Andriamanitra amim-bavaka ; tsy ny tantely malaky mifindrafindra voninkazo akory no mahangona mamy, fa ny tantely misitrika lalina any anaty voninkazo.
Ny fehezan-teny vitsivitsy voaray ao an-tsaina sy ao am-po ary ifikirana mandra-pahatongan’ izany ho isan’ ny tenantsika dia tsara kokoa noho ny pejy maro vakiana ambangovangony. Amin’ ny ankapobeny, ireo olona manana fitiavana boky ara-panahy ka manome fahafaham-po izany fitiavana izany dia mahomby ao amin’ ny Tompo.