Jesosy Mpanasitrana sy Mpamonjy

Lany tamin’ny fanasitranana ny marary sy famelana ny heloky ny mpanota ny telo taona tamin’ny andron’i Jesosy. Dia tonga ilay fotoana lehibe izay nahatonga Azy ho Mpisolo ny olona. Tsy maintsy nalana avokoa ny ota sy ny aretina, kanefa alohan’ny hahafahana izany ara-drariny dia tsy maintsy naloa aloha ny tambin’izy roa. Jesosy Kristy irery ihany, Ilay tsy nanota sy tsy narary, no afa-nanao izany; ary nanao izany Izy noho ny FITIAVANY lehibe, ho antsika no nanaovany izany (Isa. 53).

Talohan’ny hanomboana Azy teo amin’ny hazo fijaliana tao Kalvary anefa dia niezaka hampiseho amin’ny mpianany Jesosy izay hitranga sy izay ho vokatry ny fijaliana tsy maintsy hiaretany. Toy izao no fitantaran’i Paoly an’izany : “Tamin’iny alina iny, izay namadihana ny Tompo Jesosy, dia nandray MOFO Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny, ka hoy Izy : Ity no tenako ho anareo; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy izy : ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin’ny rako; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro hianareo” (I Kor 11 : 23-25).

Mampisalasala ny hihevitra fa azon’ireo mpianatra izay naira-nisakafo taminy sy nandre Azy niteny ireo teny nolazainy ireo. Tsy azony an-tsaina velively akory izy hitranga – kanefa dia nitranga izany, ary tamim-pahabibiana, tsy fahamendrehana, ambany, mahery setra – ho an’ny famonjena ahy sy hianao!

Nokapohina teo an-tanan’ireo lozabe Jesosy, Ilay ZANAK’ONDRINTSIKA. Nororana Izy. Notorotoroina izy. Nampijaliana Izy. Namela diany lalina ny kapoka nataon’ireo kotopian’ny miaramila Romana izay nanombika nofo tamin’ny lamosiny mihitsy. IREO NO DIAN-KAPOKA izay nolazain’isaia sy Petera hoe : NAHASITRANA ANTSIKA. Ary ny tenany no nasiana ireo (Isa. 53 : 5 ; I Pet. 2 : 24). Nokapohina tsy nisy indra-fo ny tenany ho antsika. Tsy fanavotana noho ny fahotantsika izany, fa ny fitondrana ny aretintsika izay nahatonga ny fanasitranana ny aretintsika ho efa novononina tao. Ary mbola averiko indray : ireo dian-kapoka nanasitranana antsika dia nisoritra teo amin’ny TENANY, hoy Matio : “Nitondra ny rofintsika izy ary nivesatra ny aretintsika”.