Ny maha Baiboly ny Baiboly

Ny maha Baiboly ny Baiboly dia ny fisian’ny zava – dehibe sy fampianarana tahaka ireto sasantsasany ireto ao :

  1. Andriamanitra no namorona ny olombelona.
  2. Lavo ny olombelona ka tsy nankato an’Andriamanitra. Nandidy fanamelohana mandrakizay any amin’ny helo noho ny heloky ny olombelona Andriamanitra.
  3. Nanomana lalana hamonjena azy Andrimanitra (amin’ny alalan’i Jesosy).
  4. Mety ho voavonjy ny olona raha manaiky ny lalan’Andriamanitra sy izay noheveriny hamonjena azy.
  5. Ny lalam – pamonjen’Andriamanitra dia ny nahafatesan’i Kristy ho antsika sy ny nanavotany antsika raha tokony hahazo tombon – tsoa amin’izany isika ka ho voavonjy. Mazava ny fampianaran’ny Baiboly fa ny tenantsika no tsy maintsy mibebaka sy miova fo ary manaiky amim – pinoana izay efa nomanin’Andriamanitra ho antsika (ny tenan’ny olona no tsy maintsy manam – pinoana alohan’ny hahavoavonjy azy).

1 réponse