Miaike, Mibebaha, Minoa

MIAIKE amin’ Andriamanitra fa mpanota meloka sy voahe­loka eo anatrehany ianao, efa nandika ny didiny ianao. Miaike fa tsy afa-mamonjy tena ianao ; Fa raha tsy misy an’ i Jesosy Kristy ho Mpamonjy ny tenanao manokana, dia very tsy manana fanantenana ianao ary voaheloka ho any amin’ ny helo.

MIBEBAHA AMIN’ NY OTANAO. Miaike ka ilaozy ny ota rehetra. Aoka hanenina ny amin’ ireny eo anatrehan’ Andriama­nitra ianao ka mangataha an’ Andriamanitra hamela anao.

Ankehitriny dia tokony hanao fanapahan-kevitra manokana ianao hanaiky an’ i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy ary Mpampia­natra ny tenanao manokana. Lazao hoe : « Raisiko Ianao, ry Jesosy Tompo ô, ho Mpamonjy ny tenako manokana ; Maty teo amin’ ny toerako nisolo ahy noho ny otako Ianao ; Mibebaka ny amin’ ny otako rehetra aho ankehitriny, fa mpanota meloka ka mandray Anao ho hany Mpamonjy ahy manokana hatramin’ izao ka ho mandrakizay ! »

Meteza ho tsotra sy tokam-po. Mivavaha amin-kafanana sy amim-pahatsorana mandra-pahafantatrao fa nanao fanovàna tao am-ponao Andriamanitra. Tsy mbola nanosi-bohon-tànana fanahy mahatoky na oviana na oviana Andriamanitra ; Tsy ha­nosi-bohon-tànana anao Izy raha manatona amim-pinoana ianao ; Manatòna an’ i Jesosy anio. Hitahy anao anie Andriamanitra !

MIANKÎNA AMIN’ NY TENIFIKASAN’ ANDRIAMANITRA AZO ANTOKA. « Izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mi­hitsÿ ». Jao. 6 : 37. Ary amin’ ny finoana dia voavonjy sy voasasan’ ny Ran’ i Jesosy Kristy ianao.

MIAIKE AN’ I JESOSY KRISTY AMPAHIBEMASO amin’ ny vavanao ho Mpamonjy sy Tomponao. Rom. 10 : 9, 10.

Raha nanampy anao ity boky ity ka maniry ny hanampy ny hafa ianao dia manafara santionany maromaro ka omeo azy ireny izany…