Miverena any Betela 006

Rehefa mifandimby hatrany ny taona, dia tokony hisy eo amin’ ny fiainantsika ny fiovàna. Toy ny Kompania lehibe iray izay mandinika ny bokiny amin’ ny faran’ ny taona mba hahi­tana na nahazo tombony izy, na maty antoka tamin’ iny taona iny. Jereny na nahazoana tombony, na nahafatesana antoka ny taona niasàna.

Inoako fa sitrak’ Andriamanitra ny hankalazantsika ny voalohan’ ny taona mba ahafahantsika manara-maso ny bokin’ ny fiainantsika ara-panahy rehefa mandingana ny taona vaovao isika, ka tokony hijery. Tsara isika hamantatra izay fomba fijorontsika eo anatrehan’ Andriamanitra. Manao ahoana moa ny toerana misy antsika eo anatrehany ? Moa niha-ara-panahy kokoa isika tamin’ ity taona ity noho ny tamin’ ny fiandohan’ ny taon-dasa ?

Nanomboka ny taona vaovao teo am-pandohalehana isika tamin’ ny taon-dasa, nivavaka isika ka nanao voady tamin’ Andriamanitra, nandamina zavatra maro teo anatre­han’ ny Tompo toa an’ i Jakoba izay niteny fa : « Raha hiaraka amiko Andriamanitra ka hiaro ahy, dia homeko Azy ny ampa­hafolon’ izay omeny ahy ».

Tsy voady ara-bola tahaka izay ataon’ ny olona sasany toy izao manaraka izao akory no voady tiako hambara : « Raha afaka fanadinana aho dia hanome roa arivo ariary (5 dolara) ny fiangonana. Tompo raha mahita asa aho, dia homeko roanjato sy roa arivo ariary (6 dolara) Ianao.Tsy eken’ ny fian­gonantsika ny karazana voady toy izany, izay mahatonga ny olona hiady varotra sy hanao « afera’ amin’ Andriamanitra mba hividianana fitahiana izay miafara amin’ ny hoe : « Raha tsy omenao ahy izay angatahiko, dia tsy hanome Anao na inona na inona aho ».

Izay ampianarina eto dia : Raha mahazo iray alina ariary aho (25 dolara), dia aloako amin’ ny foko manontolo ny ampa­hafolony. Na inona na inona no azoko, Tompo ô, dia omeko am-pifaliana ny ampahafolony, satria tia anao aho.