Novonjen’i Jesosy tao anatin’ny ditra

Aina Nasolo

Salama daholo tompoko !

Voninahitra ho an’Andriamanitra irery ihany no hahazahoako mijoro vavolombelona eto aminareo!

Izaho dia zazalahy nianatra Sekoly Alahady tao amin’ny Jesosy Mamonjy taloha. Rehefa niha-lehibe nefa dia navilin’ny Satana ka dia nanaraka azy tany ka nanjankany, ary dia nofatorany tamina fahazaran-dratsy isan-karazany : tao ny famaliana Ray aman-dReny. Ny raiko moa niverin-dalana ary dia nanampy an’ny Satana tokoa izany!

Dia nilomano tao anaty faharatsiana aho ; notsinotsiniaviko ny reniko. Ny raiko moa nandao azy ka izy irery no nitaiza anay. Noho ny famatoran’ny devoly dia nanao izay tena nampalahelo azy aho, nitenenako ratsy teny amason’olona izy, ary ny zandry keliko dia nampahoriko tamin’ny daroka isan-karazany. Tao anatin’izany dia olona isan’izay tena tia filàna indrindra aho, nandramako avokoa ny faharatsiana rehetra ary efa nisy ny fotoana – manao azafady indrindra amin’ny ilazako azy – niarahako tamin’ny sakaizan’ny namako… Tena olona feno ditra aho ary efa lazain’olona fa tsy misy fanantenana intsony. Olona tia ady aho ary manana sakaiza ratsy bediabe sy nisakaiza tamin’ny vehivavy janga maro.

Teo amin’izany rehetra izany dia nisy soeur nahita ahy niteny ratsy ny reniko. Sendra nisy vavaka sy fifandiankanina tamin’izay, ka dia notaomin’ilay soeur ny reniko mba hivavaka ho ahy. Tamin’io fotoana io dia mbola tsy nahalala izany aho fa izaho voavonjy izao vao nilaza ahy izany ny reniko.

Taona maro no tsy nidirako am-piangonana ary tsy haiko izay nanesika ahy indray alahady hiditra am-piangonana, andro pentekosta tamin’izay. Nitoriteny ilay pasitera ary nanentana ny mpino dia nilaza hoe: « raiso ny Fanahy Masina ». Tena ontsa ny foko ary nibebaka aho sady nifona mafy sy nangataka mafy izany Fanahy Masina izany, fa araka ny nolazain’ilay pasitera dia mahavaha ny olona rehetra izany. Izaho tamin’io dia tena nanana olana ary tsy nilamin-tsaina! Nirava izahay ary dia samy nody. Efa nieritreritra aho hoe tsy an-de hivavaka aho ny hariva. Tahaka ny nalahelo fanahy izany aho dia saika ande atory, kanefa teo am-patoriana aho dia nisy hira izay, izay efa tamin’ny taona 2001 no nahenoako azy farany, tsy haiko fa tafabitsika azy tampoka ny foko dia ilay hira hoe : « izay itoeran’ny Fanahy ny Tompo dia misy hery sy fahazavana, Ka na dia manjombona azy re izany fiainana, tsy ho kivy manana Ilay Fanahy mampahery izany fo ». Taitra aho ary niarina faingana ka niomana hande ho any am-piangonana.

Nony hariva dia tonga tato amiko ny teny hoe : « Ndehana ianao mifady hanina ». Marihako etona fa ny tenako dia  mbola tsy ary nanao fifandiankanina mihitsy. Tamin’io fotoana io anefa dia nahavita nifady hanina nandritra ny 4 andro aho. Tsy fantatro izay hery nanohana ahy fa dia nahavita izany aho. Nisy zavatra lehibe niseho tamin’ny fotoana nifadiako hanina ary niafara tamin’ny fisoratako anarana hatao batisa izany, ary izao aho mijoro vavolombelona eto anatrehanareo izao.

Novain’i Jesosy tanteraka ny fiainako, nampafantariny ahy ny fahatsarany, nomeny hery aho handrava ny zavatra izay tsy mendrika rehetra tato an-tranonay. Nifona mafy dia mafy tamin’ny Reniko aho ary nilaozako avokoa ny ditrako rehetra. Zanak’Andriamanitra aho ankehitriny ary tsy ilaiko intsony ny zavatr’izao tontolo izao. Resiko ary eo ambanin’ny tongotro Satana ilay nanandevo ahy, afaka aho. Taloha aho dia miaritory mijery film na mamaky literatiora maloton’i Satana na mijery T.V fa ankehitriny nopotehanay ny T.V ary nariako tany amin’ny trano fivohahana avokoa ny film izay tato amiko. Naveriko tany amin’ny tompony ny zavatra rehetra izay nangalariko tamin’ny fanambakana, ary ankehitriny aho dia miaritory mihaino Tenin’Andriamanitra na mamaky ny Tenin’Andriamanitra! Haleloia!

Mahavonjy Jesosy ary manadio ; mamela Jesosy sady manadino, tsy mba toy ny fanaon’ny olona fa mamela tanteraka Izy. Eny Lehibe ny fitiavany! Ankehitriny dia lasa olom-baovao aho ary novany avokoa ny momba ahy rehetra. Efa mifamatotra amin’ny Fony ny foko izao ary tsy izaho intsony no velona fa Jesosy Kristy no velona ato anatiko.

Ianao izay mamaky minoa fa mahavonjy anao Jesosy na inona na inona ota efa nataonao, vonona hanadio ny otanao amin’ny Ràny Izy.

Ny voninahitra anie dia ho Azy mandrakizay mandrakizay.