Ny fijangajangana sy ny voka-dratsy aterany

NY FAHOTANA IZAY MITARIKA FAHAFATESANA BETSAKA
NY FAHOTANA IZAY MAHATONGA NY FAHATEZERAN’ ANDRIAMANITRA.

Io fahotana io no nahatonga ny safodrano teto ambonin’ny tany izay nandringana ny olombelona rehetra sy ny biby afa-tsy Noa sy ny ankohonany.

Io fahotana io no nahatonga an’ Andriamanitra handatsaka afo sy solifara tao Sodoma sy Gomora, ary koa handroaka ny mponina voalohany tany amin’ ny tanin’ i Palestina.

Nahatonga mpanjaka maro ho very sezafiandrianana io, namono zaza maro, nahatonga olon-dehibe ho kilemaina, nahatonga ny olona hamono ny tsy manan-tsiny sy hampiditra an-tranomaizina ny mpivavaka, namparary fo sy nampijaly ny manodidina ary nampalemy ny olona tomady ho tahaka ny landihazo.

TSY MBA VOASARONA na oviana na oviana io fahotana io… Manoratra ny tantarany sy ny rikorikony eo amin’ ny tavan’ izay voany izy ka mandatsa azy amin’ ny androm-pahanterany! Mandà ny rariny sy ny fananarana izy… ny hany lalana handresena azy dia ny « FANDOSIRANA AZY » hoy ny Soratra Masina. (II Kor. 6:17; II Tim. 2:22.).

Tena mahery vaika mihitsy izy io eto ambonin’ ny tany ka na dia ny mpitondra fivavahana sasany aza dia mihevitra fa mahazo manaram-po izy ary tsy misy voka-dratsy hojinjainy amin’ izany. Mamela ny zanany hiroboka amin’ io fahotana io ny ray aman-dreny ka tsy mampiasa ny tsorakazo… ary misy aza ray aman-drenyy kristiana sasany mampirisika ny zanany hanao io fahotdna io satria MANGINA NY POLIPITRA NY AMIN’ NY FITSARAN’ ANDRIAMANITRA MAHATAHOTRA MOMBA NY FIJANGAJANGANA na dia efa an-tapitrisany aza ny olona raya tokantrano sady voan’ny areti-mandoza tsy azom­panafana mandra-pibebany marina amin’ ny fahotany ka ialany amin’ ny fiamana sy lalan-dratsiny.

Ny filazana VOALOHANY momba io fahotana io dia hita ao amin’ ny (Genesisy 6). Tena zava-dratsy teoimason’ Andriamanitra mihitsy io. « NAMPANENINA NYTOMPO » ny namoronany ny olombelona teto an-tany, ary dia naringan’ Andriamanitra izay rehetra meloka fa nanambady izay vehivavy rehetra tiany fa tsy nijanona tamin’ ilay vadiny voalohany.

Raha misy lehilahy mandika ny voadim-panambadiany ka manao tokantranomaso amin’ izay vehivavy tiany dia mampalahelo ny fon’ Andriamanitra indrindra izany. NALEONY TSY NISY LEHILAHY NA VEHIVAVY AKORY TETO AN-TANY RAHA HANDOTO AZY ! Mety handidy fisaraham-panambadiana ny fitsarana fa tsy mba toy izany amin’ Andriamanitra! Ny lalana ahazoana manampina io fahotana io hatrany amin’ny loharanony diany « MITANDRINA NY FANAHIN’ NY TENA », ary ny tsy hamela olona hamitaka ny vadin’ ny fahatanorany. « Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, fa misy manarona herisetra amin’ ny fitafiany », hoyJehovah, Tompon’ ny maro;… koa tandremo ny fanahinareo ary aoka tsy hisy hamitaka ny vadin’ ny fahatanorany ». (Mal. 2:14-16.)