Ny Kristiana dia Epistilin’i Kristy

Vakian’ ny hafa ny fiainanao. Tsy afa-mivelona amin’ity fiainana ity isika ka tsy ho hitan’ olona ; Eny, ny sasany aza manahaka antsika sy manaraka ny diantsika. Isan’ andro ny fiainantsika dia voarakitra ao an-tsain’ ny olona, ary voasoratra fa « Isika no episti­lin’ i Kristy ». II Kor. 3 : 3. Koa ny famakian’ ny olona ny fiainan­tsika dia midika ho famakiany ny fiainan’ i Jesosy. Raha ny ma­rina, izay vakiany avy amin’ ny Baiboly dia izay vakiany amin’ ny fiainan’ ny kristiana manaraka sy mivelona araka ny Tenin’ An­driamanitra.

Tsarovy, ry hava-malala, fa ny fiainana dia hovakiana araka izay tena izy, fa tsy araka ny mety ho izy. Raha masina ianao, aoka hiainanao izay maha-izy anao. Raha mamindrafo ianao, dia hampiseho famindrampo raha toa tsy tanteraka eo anatrehanao ny olona.

Ny Tenin’ Andriamanitra dia fanilo hanazava antsika ho amin’ ny fiainana masina. Ny fo sy fiainana mivelona eo ambany fitarihan’ ny Baiboly, dia hahitana taratra an’ i Jesosy. Raha veri­nao ny fitiavanao ny Tenin’ Andriamanitra, na koa tsy mandray firy izay sahaza ho an’ ny fanahinao toy ny teo aloha ianao, dia manoro hevitra anao izahay hamaky ny lahatsoratra navoakanay : Fomba fama­kiana ny Baiboly Masina

Aoka hiaina amin’ ny fomba fiainana izay hahatonga ny madio sy ny manolotena ho faly mahita anao indray. Aoka hiaina tena akaikin’ Andriamanitra ianao ka izay rehetra mifanena aminao dia ho tonga tsaratsara kokoa tamin’ ny nifanenany taminao ».