Paska : Miorina amin’ny inona ny maha Kristiana anao

Androm-pandresena lehibe ho antsika zanak’Andriamanitra ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty.

Io no fototra lehibe ijoroan’ny fivavahana kristiana. Raha tsy nitsangana tamin’ny maty Kristy dia ho mitovy amin’ny fivavahana finoanoam-poana rehetra ihany ny finoana arahantsika. Hoy Paoly : « ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo » 1 Korintiana. 15 : 14.

Raha ny finoana ny fitsanganany tamin’ny maty fotsiny anefa dia tsy ampy hampiorina ny finoana an’Andriamanitra. Raha izany dia mijanona ho fanekem-pinoana fotsiny ihany, dia tahaka ny trano tsy misy fototra fa naorina teo ambony fasika. Ary raha avy ny tafiotra toy ny fanenjehana, ny fakam-panahy, ny fahelan’ny fotoana, ny fangatsiaham-po dia indro miverina miaina tsy toy ny Kristiana intsony fa manahaka indray ny fanaon’izao tontolo izao. Ireny no lazaintsika hoe : Kristiana anarany fotsiny.

Mila mahatsapa ny fahaveloman’i Kristy ao anatintsika isika amin’ny fiainantsika andavanandro eny. Ohatra : Ny hanafaka amin’ny ota sy hanavotra antsika ho afaka amin’ny fahafatesam-panahy vokatry ny fahotantsika no antony lehibe niaretan’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana. Noho izany, ny olona mino ny fitsanganany tamin’ny maty dia tokony hahatsapa fahafahana tanteraka amin’ny ota ary miaina amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. Raha izany dia hita fa nanao fanovana taminao tokoa ny asa famonjena nataony teo amin’ny hazofijaliana ary voaporofo amin’ny fiovam-po kosa ny fahavelomany ao anatinao. « ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin’ny fahotanareo ihany ianareo » 1 Korintiana. 15 : 17.

Izay fahatsapana velona anananao izay no ahafahanao mijoro vavolombelona amin’ny hafa fa miorina eo ambony vato fehizoro lehibe ny finoanao. Ary ny herin’Andriamanitra nanao asa fanovana tao anatinao dia hitondra fandresen-dahatra ny namanao hamonjena  azy kosa indray.