Rev. Jane Marie Collins Daoud

Mpitory Filazantsara nitety an’izao tontolo izao nandritry ny 50 taona nihoatra. Namonjy olona anapitrisa tamin’ireo asa fitoriana nataony, tany amin’ireo firenena Afrikana, Asiatika, Amerika atsimo, Moyen-Orient sns… Fahagagana maro no niseho nandritry ny fivoriana nataony. Nanangana ny ozinina lehibe mpanota Baiboly izy sy ny vadiny Mounir Aziz Daoud tao Dallas Texas, toerana fanotana Baiboly lehibe izay mandika sy mizara Baiboly amin’ny fitenim-pirenena maro. Izy ireo no Mpanorina ny Fiangonana Jesosy Mamonjy eto Madagasikara, izay hany fiangonana naoriny tamin’ireo firenena maro nandalovany. Tso-piaina izy ireo ary nanana fanetrentena lalina, fahamasinam-piainana ary olon’Andriamanitra sahy naneho ny finoany (Notation by HudGen)

Teraka ny : 28 jona 1912, tao Dallas County, Texas, USA

Maty ny : 10 jolay 1999, 87 taona, Antananarivo-Renivohitra, Analamanga, Madagasikara

Inhumation : Fiangonana Jesosy Mamonjy Ankorondrano

Nalevina ao amin’ny : Fasam-piangonana Jesosy Mamonjy, Soamanandray Ivato, Antananarivo Madagasikara

Vady : Mounir Aziz Daoud, 1924-2004

Zanak’i : Frederick Eugene Collins, 1875-1929
Sy i : Annie Charlata Neilson Collins, 1872-1973

Mpiray tampo : Frederick Eugene Collins, 1908-2002
Sy i : Nelle Ella Collins Hahn, 1898-1989