Sitrana tamin’ny infection interne tao amin’ny kibo

Neria

Ho Voninahitr’Andriamanitra Ray-Zanaka-Fanahy Masina irery ihany no hijoroako vavolombelona aminareo, fa nanamarina ny Teniny Izy amin’ny handatsahany ny Fanahiny amin’ny nofo rehetra amin’ny andro farany. Nentiny nanasitranana ahy izany. Tamin’ny voalohany dia tao amin’ny ambavafoko no navaivay, ary tena nandreraka ahy izany. Nilaza ny mpanompon’Andriamanitra tamin’izay fotoana izay mba hangataka ny fahafenoan’ny Fanahy Masina ny tsirairay; nitsangana tamin’ny Anaran’i Jesosy aho ary nino aho fa amin’ny fahafenoan’ny Fanahin’Andriamanitra ato anatiko dia hiala ny aretina. Deraina ny Tompo fa afaka ny aretina ary natanjaka aho na dia mbola teo am-pivavahana aza. Tonga dia nande mafimafy aho nijoro vavolombelona rehefa niantso ny mpanompon’Andriamanitra taorian’ny vavaka.

Tamin’ny faharoa indray, nisy fanaintainana tao @ ila-kiboko havia (infection interne). Nahatratra 39° ny hafanako, nivarahontsana ny dokotera. Izaho amin’io mampinono.

Tsy maintsy namonjy dokoteran’ny fiasana aho mantsy mba ahazoako repos. Vao niainga ny maraina dia efa nisy bitsika tao an-tsaiko fa tsy hihinana fanafody aho. Rehefa notantaraiko tamin’ny dokotera ny mahazo ahy dia nomeny antibiotiques mahery be aho izay tsy ahafahako mampinono. Tonga tany an-trano aho dia nitantara tamin’ny vavimatoako vao 11 taona eo noho ny alaheloko ilay zaza minono, dia hoy izy tsy taitra akory namaly ahy: aza hohanina e, mantsy ilay fanafody. Lasa daholo ny tao an-trano ny atoandro, izaho irery sisa ary na ny zaza aza tsy napetraka tao amiko. Avy eo dia lasa namonjy fandriana aho hivavaka. Vao nametraka ny lohako aho dia niantso an’i Jesosy ary tsy tapitra akory izay saika holazaiko dia nanomboka nihovitrovitra ny vatako iray manontolo, ary namay be aho. Tsy voatanako mihitsy Ilay Hery tokony ho adiny iray teo. Tapitra ny adiny iray dia nijanona ilay izy. Nohenoiko ny fanantainako ka tsy reko intsony. Rehefa niverina ny heriko dia nariko tany amin’ny trano fivoahana ilay fanafody rehetra. Deraina ny Tompo. Taorian’io narary io, ny ampitso, rehefa tonga tany ampiasana indray aho dia nilaza ny PDG hoe mahia kely enao izany fa mandehana any amin’ny dokotera. Tonga tany an-trano aho de niteny tamin’i Jesosy hoe aza atao hitan’ny PDG hoe mahia kely zany aho. Niteny ahy ny vadiko hihinana ilay fanafody fa nanda aho. Voninahitra ho an’Andriamanitra fa tsy nisy niteny intsony tao ampiasana. Ary amin’izao fotoana aza ny olona dia milaza fa efa mba mahazo aina aho.

Haleloia. Deraina ny Tompo.