Tia amin’ny asa fa tsy amin’ny teny

Ny lehilahy dia tsy haharesy lahatra ny vadiny hoe tia azy amin’ ny fitenenany izany fotsiny, fa afaka handresy lahatra an­dravehivavy izy amin’ ny asany.

Tokony ho tia isika, tsy amin’ ny teny fotsiny, fa amin’ ny asa sy ny fahamarinana. Hoy Jesosy : « Raha misy tia Ahy, dia hi­tandrina ny teniko izy ».Jao. 14 : 23. Io no fandrefesana tsy mba mamitaka. Rehefa tsy mankato an’ i Jesosy ianao, dia fantany fa tsy tia Azy na manao ahoana na manao ahoana filàzanao. Mba ahazoana mandany ity fiainana fohy ity araka izay tokony ho izy, tsy maintsy mitandrina ny tenin’ i Jesosy isika… tsy misy fiainana hampifaly Azy ankoatr’ izany.