Vavaka mitaraina amin’Andriamanitra, BroDaoud Jesosy Mamonjy Ankorondrano

Amin’izao andro sarotra andalovantsika izao, izay fotoana tsy maintsy ianteherantsika amin’ny vavaka dia manasa anao hihaino ity torinteny ity. Tsy mbola nahazo ianao satria tsy mbola nivavaka, na efa lasa « kamo » mivavaka, na mivavaka tsy amin’ny hafanam-po sy fitarainana. Andriamanitra anefa matoa manentana antsika ao amin’ny Teniny mba hivavaka, dia satria efa sitrany ary efa vonona ny hamaly vavaka Izy...