The greatest Commandment

Ny didy lehibe indrindra nomen’ i Jesosy ny mpanaraka azy mialoha kelin’ny hiakarany any an-danitra dia izao : “Miandrasa mandra-panafiana anareo amin’ ny hery avy any ambony, ary

MANDEHANA ANY AMIN’ IZAO TONTOLO IANAREO, KA MITORIA NY FILA­ZANTSARA AMIN’ NY OLOMBELONA REHETRA”. Io asa io dia ho an ny zanak’Andriamanitra tsirairay avy… Ary isika rehetra tokony hiasa ny asa mandra-pijinja ny vokatra manerana izao tontolo izao. Toy ny ankohonan’ny mpamboly izay miara-miasa mandra­pahatonga ny varimbazaha ho ao an-tsompitra. Mety tsy ho eny an-tsaha manao ny fanangonana avokoa izy rehetra ; Ny sasany tsy maintsy mijanona eo ampototry ny sompitra mikarakara ny varimbazaha.

Torak’ izany eo amin’ ny asan’ Andriamanitra… Mety tsy antsoina handeha ny rehetra, nefa ny rehetra dia ilaina mitazona ny anjara raharahany amin’ ny fivavahana sy fanomezana ary fa­nampiana ; ny hafa mijanona eny ivelany eny amin’ ny Jentilisa manangona ny amboara.