The way to be saved

1— Minoa izay lazain’ Andriamanitra ny aminao : ‘ Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra”. Rom. 3 : 23.

2 — Minoa izay lazain’ Andriamanitra ny amin’ ny fahota­nao. “Fa fahafatesana no tambin’ ny ota”. Rom. 6 : 23.

3 — Mino Ilay hany Tokana nanao asa fisoloana ny otanao : Jesosy Kristy Ilay Zanak’ Andriamanitra Velona. “Fa notiavin’ Andriamanitra indrindra izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanani­lahy tokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiai-nana mandrakizay. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanany ho amin’ izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba ha­monjeny izao tontolo izao amin’ ny alalany”. Jao. 3 : 16, 17.

‘Fa Iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’ Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, izay olona”. I Tim.2 : 5. Jesosy no làlan-tokan’ ny famonjena. Hoy Izy : “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; Tsy misy olona mankany amin’ ny Ray afa-tsy amin’ ny alalako”. Jao. 14 : 6. “Izaho ny vava­hady ; Raha Izaho no hidiran’ ny olona dia hovonjena izy”. Jao : 9.

Maty teo amin’ ny hazofijaliana Jesosy, mba handray ny fa­namelohana ny heloko sy ny helokao : “Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika, kanjo isika kosa nanao Azy ho nokapohina sy nasian’ Andriamanitra ary nampahoriana. Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helontsika ; Ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy. Ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika. Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin’ ny làlantsika avy isika rehetra ; Ary nataon’ i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra”. Isa : 4-6.

Noho ny asa fisoloany ny fahotantsika, dia hovonjena izay rehetra mibebaka sy mahafoy ny fahotany, ary “miantso ny ana­ran’ ny Tompo”. Rom. 10 : 13.

Tokony hanatona an’ Andriamanitra amin’ ny fibebahana ianao, mampitsimbadika ny fihetsikao manoloana ny ota, ary mia­raka amin’ ny finoana ao am-ponao mankamin’ Andriamanitra, miditra ny varavarana (Jesosy Kristy, Zanak’ Andriamanitra), Izay ahazoana famelana sy fanadiovana ny otanao rehetra ; Io fa­nadiovana io dia azo avy amin’ ny ra sarobidy nalatsak’ i Jesosy teo amin’ ny hazofijalian’ i Kaivary ho anao.