Ny fanasitranan’Andriamanitra anao
Nosoratan’i M. A. Daoud Evanjelistra
Fanasitranana avy amin’Andriamanitra
Ho anareo rehetra
Hoy Jesosy : “ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo. ”
Andriamanitra izay nahary antsika no mahalala bebe kokoa momba ny vatan-tenantsika noho ny olombelona. Nokarakarainy ny fanasitranana ho an’izay rehetra vonon-kandray izany, araka ny fomba fanomezany izany.
Ny fofon’aina nomen’Andriamanitra no iainantsika sy ahavelomantsika ary ilay nahary antsika sy nanome antsika ny aina dia azo antoka fa mahay mahasoa antsika mihoatra noho izay rehetra ety an-tany. Hoy ny Soratra Masina : “Indro, izaho no Jehovah Andriamanitry ny nofo rehetra; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va ?” (Jer. 32 : 24). “Ny zavatra rehetra dia hain’Andriamanitra.” Koa aoka ty ho faritana araka izay mety no vitan’olombelona ny soa mety ho vitan’Andriamanitra. Matetika tsy mahomby ny olombelona, Andriamanitra kosa dia sady mahatoky no mahavita izay nampanantenainy antsika.. Ary “manao mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza” (Efes. 3 : 20). Ny fomba fanasitranany dia sady mampitony fanaintanana no miasa faingana lavitra noho ny fanafody mahery indrindra. Tsy mampitony fahoriana vetivety Andriamanitra, fa esoriny na dia ny fototry ny aretina sy ny antony aza.
Vehivavy teo am-pialan’aina tao amin’ny lamasinina
Tamin’ny taona 1951 dia naka ny lamasinina aho hankany New-York. Injay nisy vehivavy nentina avy tamin’ny kalesy hafa, toa teo am-bavahaona raha tsy efa maty sahady. Sahiran-kevitra ireo mpiadidy ny lamasinina. Hitany nanatona aho ary nanontaniany hoe : “Mpitsabo angaha hianao?”
-“ Tsia, hoy izaho.
“Afaka hanome tsindrona va hianao?” hoy izy indray. “Tsia, hoy izaho, fa manana izay tsara lavitra noho ny tsindrona aho; hivavaka amin’ny Anaran’i Jesosy aho, ary Izy no hamelona azy”. Nihataka kely ireo nitondra an-dravehivavy, ary nitsangana teo anoloany aho. Dia nametra-tànana taminy aho, ary nandidy ny fanahin’ny fahafatesana handao azy. Nifoha izy, nisokatra ny masony, dia nitomany izy – voavonjy noho ny herin’ny Anaran’i Jesosy .
Tsy tokony ho marary ny olo-mino na ny Kristiana marina.
Tsy ekentsika ny fisian’ny ota ao amin’ny fiainantsika, satria nentin’i Jesosy ny fahotantsika rehetra. Koa dia tsy tokony hekentsika ny hisian’ny aretina eo amin’ny tenantsika, satria nentiny koa ny aretintsika rehetra; “Nitondra ny arentintsika tokoa Izy, sady nivesatra ny fahoriantsika” (Isa 53 : 4), – “Mba hahatanteraka izay nampilazaina an’Isaia mpaminany hoe; “Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika” (Mat. 8 : 17).
Izay efa nentin’i Jesosy sy niaretany, nisoloany antsika, dia tsy ilaina ho entintsika intsony, Araka ny lalàna dia voaheloka ho faty isika, “fa samy efa nanota izy rehetra” (Rom. 5 : 12) ary “ny fanahy izay manota no ho faty” (Ezek. 18 : 4).
Natolotr’i Adama sy Eva, razambentsika voalohany, ho an’i Satana ny tena sy fanahintsika. Navotan’i Kristy ho an’Andriamanitra isika, na ny vatan-tena na ny fanahy, tamin’ny fahafatesany tao Kalvary.
Satria ho an’ny olona rehetra ny famonjena dia ho azy rehetra koa ny fahasitranana vitan’ny herin’ANDRIAMANITRA
Tsy misalasala isika, fa andriamanitra dia vonona hamonjy, na dia izay faraidin’ny olona mpanota ratsy aza. Ahoana no ahalalantsika izany?
–Satria inoantsika ny Soratra Masina manambara ny famonjena : “Efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very” (Lio. 19 : 10). Izany hoe, tadiavin’i Jesosy hovonjena ny mpanota rehetra. “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao; nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jao. 3 : 16). Lazain’ity teny ity fa na zovy na zovy no vonon-kandray an’i Jesosy ho Mpamonjy azy dia azo vonjena…te-hamonjy antsika rehetra Andriamanitra…kanefa andrasany ny handraisantsika ny famonjena omeny…samy mahazo mandray izany sy hiravoravo noho ny aim-baovao ao amin’ni Kristy ny olona rehetra.
Raha tàhiny ka tamin’ny andro lasa ihany no nahavitan’Andriamanitra zava-mahagaga, dia “Ilay Andriamanitra teo” Izy fa tsy “Ilay Andriamanitra misy”. Kanefa faly aho milaza tsy amim-pisalasalana fa Izy no “Ilay manasitra ny aretinao rehetra” (Sal. 103 : 3). Teniny anio sy rahampitso tsy miova izany; hatrany hatrany dia toviny ny teniny hoe; “Tongava aminareo araka ny finoanareo” (Mat. 9 : 29) “Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay” (Heb. 13 : 8)
Ny marina dia izao : tian’i Jesosy hositranina ny olona rehetra, fa raha tsy izany dia tsy ho nekeny ny dian-kapoka namelezana azy teo amin’ny trano fitsaran’i Pilato, talohan’ny nanomboana Azy teo amin’ny hazo fijalian. “Ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo” (Isa. 53 : 5; I Pet. 2 : 24).
Porofo azo antoka fa sitrak’Andriamanitra ny manasitrana ny olona rehetra ankehitriny.
“Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay”.
“Izao Jehovah dia tsy miova”(Malakia 3 : 6)
1. Ny porofo voaloany sady mahery, fa sitrak’Andriamanitra ny manasitrana ny olona rehetra ankehitriny, dia satria tsy miova Izy. Raha misy olona nositranin’Andriamanitra taloha, dia mbola hataony ankehitriny izany. Izay soa vitan’Andriamanitra ho an’ny olona fahiny dia mbola hataony ankehitriny ho an’izay rehetra vonon-kandray toy ireo olona taloha. fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra.
2. Tsy niova ny tenin’Andriamanitra. Raha tsy miova ny filahatra ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ny andro sy ny alina, dia tsy hiova koa ny tenin’Andriamanitra (Jer. 31 : 35-36)
Tsy mbola nampanoratra “teny fanampiny” amin’ny Baiboly Andriamanitra, toy ny manao hoe : novany na nanesorany na namboariny ny teny naloaky ny vavany, mbola mitaky fahamasin’ny fo sy fiainana Izy ; ary mbola maharitra ny teny hoe : “fahafatesana no tambin’ny ota “
Hatramin’ny voaloany ka hatramin’ny farany amin’ny Baiboly, dia lazain’Andriamanitra mazava fa tiany hatao afaka amin’ny herin’ny Devoly ny olona rehetra, na ny tenany na ny fanahiny.
3. Ny teny fanomezana-toky nataon’Andriamanitra momba ny fanasitranana ny vatan-tenantsika dia miseho hatramin’ny fiandoan’ny Baiboly ka hatramin’ny farany.
“Izaho no Jehovah izay mahasitrana anao” (Eks. 15 : 26). –“Hesoriko aminao ny aretina”(Eks. 23 : 25). –“Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra”(Sal. 103 : 3).“Nandefa ny teniny Izy mba hahasitrana azy.”(Sal. 107 : 20) “Miravoravoa amin’i Jehovah hianao, dia homeny anao izay irin’ny fonao”(Sal. 37 : 4) – ao anatin’izany ny fahasitranana ho anao sy ny havanao.
Koa mifaneke heloka hianareo ary mifampivavaha, mba ho sitrana hianareo” (Jak. 5 : 16). – Hoy Jesosy : “Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino” (Mark. 9 : 16 ). – “Hamoaka demonia amin’ny anarako izy …hametra-tànana amin’ny marary izy, dia ho sitrana ireny” (Mark.16 ; 17-18).
5. Niharihary ny sitrapon’Andriamanitra, tamin’ny nanirahany an’i Kristy ho ety amin’izao tontolo izao sy ny nokendreny tamin’izany :
a) Handrava ny asan’ny Devoly (I Jao. 3 : 8). Nataon’ny Devoly marenina, moana, very saina, et, ny olona. Kanefa noroahin’I Jesosy ny devoly, noravany ny asany, ary nositraniny izay rehetra nampahorin’ny Devoly.
b) Ny Fanahin’i Jehovah no nanosotra an’i Jesosy “hitory fandefasana amin’ny mpifatotra” (Lio. 4 : 18 ; 13 : 16).
d) “Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika” (Mat. 8 : 17).
e) Jesosy dia “nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny hery sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny Devoly.” (Asa. 10 : 38).
6. Tonga aty an-tany hanao ny sitrampon’Andriamanitra Jesosy. (Heb. 10 : 9). Raha toa ka tsy sitrak’Andriamanitra ny fanasitranana ny marary, dia (sanatria) nampalahelo ny Rainy any an-danitra Jesosy. Satria manko nositranin’i Jesosy izay nila izany, nositraniny ny aretina isan-karazany, ary “na iza na iza no nanendry (Azy) dia sitrana tokoa” (Mat. 14 : 36).
“Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry” … “Ary Jesosy niantso ny mpianany 12 lahy hankeo aminy ka nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto sy hahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra” (Mat. 9 : 36; 10 : 1). “Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna rehetra sy ny vohitra, nampianatra tao amin’ny synagoga sy nitory ny filazantsaran’ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra”. (Mat. 9 : 35). “Nentin’ny olona tany aminy ny marary rehetra…ka nahasitrana ireny Izy” (Mat. 4 : 23, 24). “Nentin’ny olona tany aminy ny demoniaka maro; ary ny teniny ihany no namoahany ny fanahy ratsy, ary izay narary rehetra dia nositraniny avoko” (Mat. 8 : 16). “Ary nisy olona betsaka nanaraka Azy, ka dia nositraniny avokoa izy rehetra” (Mat. 12 : 15).
“Ary nangataka taminy ireo mba hamela azy hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; koa na iza na iza no nanendry dia sitrana tokoa” (Mat. 14 : 35-36). “Fa efa nahasitrana olona maro Izy, ka dia nifanety taminy mba hanendry Azy izay rehetra nanana aretina” (Mar. 3 : 10). “Ary ny vahoaka, nony nahalala, dia nanaraka Azy……Ary izay marary dia nositraniny” (Lio. 9 : 11).
Nankasitrahan’Andriamanitra ny asan’i Jesosy, Hoy Jesosy : “Ary Izay naniraka Ahy dia eto amiko; tsy nandao Ahy ho irery izy, satria Izaho manao izay sitrany mandrakariva” (Jao. 8 : 29)
7. Nomen’i Jesosy fahefana ny mpianany handroaka demonia sy hahasitrana ny marary. (Mat. 10 : 1, 7, 8). Tsy nahavita nanampy ny olona rehetra ireo 12-lahy, ka dia niantso olona 70 indray Jesosy hanafaka ny voafatotra…hamoaka demonia amin’ny Anarako izy…hametra-tanàna amin’ny marary izy, dia ho sitrana ireny” (Mar. 16 : 15-18; Mat. 28 : 19).
8. Nanome toky Jesosy fa homba antsika hatramin’ny fahataperan’izao tontolo izao. (Mat. 28 : 20)
9. Talohan’ny niakaran’i Jesosy ho any an-danitra, dia niangaviany ny mpianatra hangataka izay niriny sy nilainy; “Mangataha, dia hahazo hianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo” (Jao. 16 : 24) – ahazoana fifaliana ny fahasitranana. “Na inona na inona no hangatahinareo amin’ny anarako, dia hataoko izany” (Jao. 14 : 13). “Raha miray amiko hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany” (Jao. 15 : 7).
10. Tsy mba nesorina hiala amin’ny Fiangonana ny Fanahy Masina. Ary mbola atolotry ny Fanahy Masina ho an’ny olo-mino izay feno ny Fanahy Masina ny “fanomezana sivy” lazain’ny teny, I Kor. 12 : 7-11. Ny efatra amin’ireo dia momba ny fanasitranana ny vatan-tena, dia ny “finoana”, ny “fanomezam-pahasoavana ho enti-manasitranana”, ny “manao fahagagana”, ary ny “mahafantatra fanahy samy hafa”.
11. Amin’izao andro ankehitriny iza dia an-arivony ny olona nam-pahorian’ny aretina samy hafa izay nositranina tanteraka tamin’ny fomba mahagaga, noho ny fitoriana ny filazantsara tamin’ny fivoriam-pifohazana notarihanay tao Peurto-Rico, Pérou, ny Nosy samy hafa, Egypta, Etiopia, Eritrea, India, Pakistan, Frantsa, Afrika Antsinana, Afrika Andrefana, ary Etazonia.
Tsy dia ao amin’ny fivoriana tarihanay ihany no isehoan’ny fahagagana toy izany, fa na aiza na aiza no misy mitory ny tenin’Andriamanitra milaza ny heriny sy ny fahasitranana voatendriny.
Ny fomba fangatahana hahazoana fahasitranana
Ny vavaka no hery lehibe indrindra amin’izao zavatra àry rehetra izao, ary mahavita izay tsy vitan’ny fomba hafa. Ohatra : nosokafana ny Ranomasina Mena ary nandalo tao ny olona telo tapitrisa ka tsy mba lena akory ny tongony, noho ny vavaka nataon’i Mosesy. Nijanona tamin’ny fandehanany ny masoandro sy volana, noho ny vavak’i Josoa. Velona indray ity zazalahy anankiray, valin’ny hatak’i Elia. Ary tsy nahalevona ireo zatovo Jiosy telo lahy ny afo tao amin’ny lafaoro.
Matoa vita ireo zava-mahagaga ireo, dia tao ny herin’Andriamanitra tonga noho ny vavaky ny mino.
1. Minoa an’i Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra (Jao. 14 : 6). “Fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy, sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy” (Heb. 11 : 6).
2. Minoa fa mihaino anao Jesosy sady mamaly anao eo am-pivavahana mihitsy. Ary mihetseha araka ny finoanao, miaraka amin’izay.
Zazavavy kely nanana tongotra bila
Tao amin’ny fivoriana anankiray notarihin’Atoa SmithWigglesworth dia nisy zazavavavy kely nangataka vavaka noho ny tongony izay bila. Hitan’ny mpitoriteny fa nisakelika fonosan-javatra ikalakely. “Inona izany entinao izany?” hoy izy. “Ny naman’ny kiraroko tsara”, hoy Ikalakely : satria fantatro fa raha mivavaka hianao, dia hahitsin’i Jesosy ilay tongotro bila, ary amin’izay dia tsy ho azoko anaovana intsony io kiraro boribory io izay hitanao eo amin’ny tongotro bila” Nivavaka Atoa Wigglesworth, dia namonjy seza teo anilan’ny sehatra ilaikely, ary nesoriny ny kirarony… Koa tamin’izay dia nanjary nahitsy ny tongony ka tonga toy ilay anankiray. Dia nokiraroiny ilay kiraro tsara nentiny, ary niverina nandeha tsara izy namonjy ny toerany…satria, nony nivavaka izy dia fantany fa teo Jesosy ka hahasitrana azy. Koa raha mangataka zavatra amin’i Jesosy hianao dia tsy maintsy inoanao fa ao anilanao Jesosy, ary tsy maintsy mihetsika araka izany finoanao izany hianao.
3. Tsy maintsy mañana faniriana marina ilay zavatra angatahintsika isika, fa arakaraka ny herin’ny faniriana no hananantsika faharetana sy fifikirana amin’Andriamanitra toy ny nataon’i Jakoba fony niteny izy hoe : “Tsy havelako handeha Hianao, raha tsy tahianao aho” (Gen. 32 : 26)…sy toy ny mpitondratena lazain’ny Lio. 18 : 1-8
4. Mangataha zavatra iray mazava tsara.
Aleo mangataka zavatra iray amin’Andriamanitra amin’ny fotoana iray. Satria manko, araka ny toetry ny sain’olombelona dia tsy mahay maniry mafy zavatra maro amin’ny fotoana iray isika. Ny vavaka nahazo valiny izay voalaza ao amin’ny Baiboly dia samy toy izany : nisy zava-dray loha nirina mihoatra noho ny zavatra rehetra… zava-dray loha no nangatahina…Dia niandrandra no azo, fa tsy zavatra hafa.
Nangataka ranonorana Elia : fatratra ny faniriana an’izany ka nataony impito ny hataka…tsy nisy zavatra hafa nolazainy…ranonorana no nangatahiny…Dia niandrandra niandry izany izy, ary nony tapi-nivavaka dia nihazakazaka nitady fialofana tamin’ny oram-baratra.
5. Tsy maintsy mangataka amin’ny finoana hianao. “Nefa aoka hangataka amin’ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany. Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin’ny Tompo izany olona izany; olona miroa saina izy, miovaova amin’ny alehany rehetra” (Jak. 1 : 6-8).
Satria nomen’Andriamanitra toky ny olon-kafa, fa ho azony izay ilainy, dia matokia, fa homeny anao koa izany, raha mety mino sy manolotra ny ainao ho Azy hianao. “Fa ny Zanak’Andriamanitra, dia Jesosy Kristy, izay notorinay taminareo dia tsy “eny” sy “tsia”, fa ao aminy dia “eny”, ihany. Fa na firy na firy ny teny fikasan’Andriamanitra, dia ao aminy ny “eny”, ary amin’ny alalany kao ny “Amena”, ho voninahitr’Andriamanitra amin’ny ataony” (I Kor. 1 : 19;20). “Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra (I Kor. 7 : 1). “Raha nankasitraka ota tao am-poko aho, dia tsy mba hihaino ny Tompo” (Sal. 66 : 18).
6. Tsy maintsy mangataka amin’ny Anaran’i Jesosy isika…tsy mba manana anjara lova any an-danitra isika, raha tsy raisintsika ho Mpamonjy antsika Jesosy. Tsy hisy hiditra any an-danitra raha tsy amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy. Hoy Jesosy: “izay tsy miditra amin’ny vavahady ho amin’ny valan’ondry, fa manaika ny fefy, dia mpangalatra sy jiolahy” (Jao. 10 : 1) – ary hovaliana araka izany izy. Hariana any ivelany izy; fa araka ny tenin’i Jesosy : “Izay manatona ahy dia tsy mba holaviko mihitsy” (Jao. 6 : 37).
Fantatry ny olona rehetra fa tsy maintsy misy sonian’olona mahatoky eo amin’ny taratasy fandraisam-bola…Jesosy no hany tompon’ny zavatra rehetra ety an-tany sy any an-danitra…nomen’ny Ray Azy ny fahefana rehetra (Mat. 28 : 18)…koa dia heken’Andriamanitra ny fangatahana amin’ny anarany, izy toy ny misy ny soniany.
Nomen’i Jesosy fahefana hanao sonia fangatahana zavatra any an-danitra koa ny mpanaraka Azy. Haleloia! Tsy manam-petra ny harem-beny, ary faly izy raha tonga mampiditra fangatahana hahazoana amin’izany isika.
Misy fahasitranana amin’ny Anaran’i Jesosy !
Misy hery amin’ny Anaran’i Jesosy !
Misy fandresena amin’ny Anaran’i Jesosy !
Misy fampiononana amin’ny Anaran’i Jesosy !
Misy famonjena amin’ny Anaran’i Jesosy !
Tsy misy anarana hafa fantatsika izay mitondra fahafinaretana, fiadanana, sy hery mampandositra ny devoly, toy ny anarana saro-bidin’i Jesosy.
Ao amin’ny Anaran’i Jesosy dia misy hery lehibe. – Satria noresen’i Jesosy ny fahotana, ny devoly, ny aretina, ny fahafatesana, ny fasana ary ny helo-afo; nitsangana tamin-kery Izy tamin’ny andro fahatelo nitondra ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny helo-afo, ary hoy Izy : “Efa nomena Hay ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany; koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra” (Mat. 28 : 18; jereo koa Apok. 1 : 18).
7. Mivavaha araka ny sitrapon’Andriamanitra ambaran’ny Soratra Masina. Maka fanahy an’Andriamanitra isika raha mivavaka tsy araka ny voasoratra ao amin’ny Teniny. Ny Baiboly no manambara ny sitrapon’Andriamanitra; boky manan-kery hahavita izay lazaina ao aminy, raha raisina amin’ny fo matoky sy marina ary arahina amin’y fihetsika sy ny asa. Miteraka finoana hahazoana fahasitranana ny Tenin’Andriamanitra : “Nandefa ny teniny Izy mba hahasitrana azy” (Sal. 17 : 20).
8. Mivavaka amin’ny antony sy ny fikendrena marina, ka ny voninahitr’Andriamanitra no tsy maintsy imasoana indrindra. Tsy hositranin’Andriamanitra ny olona te-handroso amin’ny fahotana fanaony nefa tsy ho sahirana na marary. Fa arakaraka ny fahotana ataon’ny olona hataon’Andriamanitra izay hahitany fahavoazana, mba hahatonga azy hanenina sy hibebaka. Raha tàhiny ka lasa any amin’ny helo-afo hianao, dia noho ny finiavanao hanoatra ny fisakanana maro ataon’Andriamanitra hibahana ny lalanao mankany izany. “Sarotra ny lalan’ny mpivadika” (Oha. 13 : 15).
Tsy maintsy dinihintsika ny fontsika, na mañana fihavanana amin’Andriamanitra na tsia. “Raha nankasitraka ota tao am-poko aho, dia tsy hihaino ny Tompo” (Sal. 66 : 18). Ny mahazo valim-bavaka avy amin’Andriamanitra dia ireo izay mitandrina ny teniny (Jao. 14 : 23; 15 : 7) sy manao izay ankasitrahany.
Na dia mivavaka ho anao aza ny olona rehetra ety ambonin’ny tany, kanefa mbola maditra hianao ary manaram-po amin’ny fahotana, dia tsy hahazo na inona na inona hianao, na dia zavatra araka ny sitrapon’Andriamanitra aza no angatahina. Araka ny fahamasinan’Andriamanitra ny fahamarinana, dia olona efa tia Azy sy manaraka ny sitrapony manao soa amin’ny namany, no hahazo valim-bavaka. Tsy misy fizahan-tavan’olona : na dia mpitoriteny sy loholom-piangonana nanompo Azy tsara nandritry ny taona maro aza, raha mivadika amin’ny Tompo ka manao izy mampahahelo Azy izay mahita ny zavatra rehetra…dia tsy hihaino ny vavaka ataony intsony Andriamanitra, raha tsy mibebaka izy, ka manitsy ny lalany (Ezek. 33 : 11; II Tan. 16 : 7-13). “Fa ny mason’i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ny tany rehetra, mba hisehoanay aman-kery hamonjy izy mañana fo mahitsy aminy” (II Tan. 16 : 9).
Ny fiàsan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra” (Jak. 5 : 16). Rehefa ren’i Hezekia, mpanjaka marina, fa ho faty izy, dia nitodika tamin’ny rindrina izy ka nivavaka nangataka ny tsy ho faty…nohenoin’Andriamanitra niaraka tamin’izay ny fangatahany, ary nomena andro hiainana 15 indray (Isaia 38).
Mba nivavaka ihany Saoly, ary nangataka ny namany ho azy; kanefa tsy nohenoin’Andriamanitra izy, satria tsy te-hibebaka sy hiverina amin’ny lalana marina izy (Sam. 28 : 6).
Misy aza olona sasany mivavaka hoe “Andriamanintra ô, ampio aho hikarakara sy hitaiza tsara ny zanako…” etc.; kanefa tsy entiny any am-piangonana hihaino ny Tenin’Andriamanitra tsinona ny fianakaviany. Tsy miova ny toe-piainany amin’y fahotany sy ny fisakaizana a min’ny namana ratsy izay fahavalon’Andriamanitra; tsy mba mahita fotoana hamakiany ny Baiboly na hivavahana amin’Andriamanitra izy.
Misy koa aza mivavaka momba ny fisarahana amin’ny vadiny sy ny fitadiavana tokantrano vaovao!…Efa noraran’Andriamanitra rahateo izany…toa mangataka an’Andriamanitra hivadi-bolana ny manao izany…kanefa tsy miova Izy. Fa izay mitranga sy miseho dia izao : misokatra ny varavaram-ponao hidiran’ny devoly, rain’ny lainga, izay manao lainga tsara lahatra fanoherana ny tenin’Andriamanitra sady mampatory ny fieritreretanao. Koa na dia ohatra tanteraka aza ilay tokantrano vaovao, dia tsy ho afaka ao am-ponao ny fanamelohan’Andriamanitra tsy miova.
Nahavita fahagagana Jesosy raha nisy finoana
Na dia manana ny fahefana rehetra aza Jesosy, dia tsy mba nataony tery vozona hositranina ny olona tsy nila izany, na tsy nino Azy sy ny heriny. Tsy nahavita asa mahery tao Nazareta tanàna nahabe Azy Izy, noho ny tsi-finoan’ny mponina tao; tokony ho maro ny nila fanasitranana sy famonjena tao, kanefa tsy nisy fahagagana vitan’i Jesosy satria tsy nety nino ny olona tao. Nitomany tamin’i Jerosalema Jesosy satria tiany hovonjena ny mponina tao; kanefa tsy nety nino ny Zanak’Andriamanitra ireo ka tato aoriana dia tratry ny fahafatesana mahatsiravina.
Nony maty ka nalevina Lazarosy sakaizan’i Jesosy, dia nitomany ny anabaviny nilaza tamin’i Jesosy hoe : “Raha teto Hianao dia tsy maty ny anadahiko”. Kanefa nahitsin’i Jesosy izy tamin’ny teny hoe : “Tsy voalazako va fa raha hino hinao, dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra?” (Jao. 11 : 21, 39, 40). – Ho hitany izao ankehitriny izao izany, hoy Jesosy. Nitaky finoana tamin’izy mirahavavy nialoha Jesosy nasainy hitarika Azy ho any am-pasana, vao natsangany tamin’ny maty Lazarosy.
Nifanety nanizina an’i Jesosy ny vahoaka indray andro, tsy voalaza fa nisy sitrana raha tsy tonga ravehivavay narary 12 taona, nanendry ny somotraviavin-dambany (Lio. 8 : 43-48). Nataony tamin’ny finoana izany; kao dia hitantsika fa tsy ampy raha ao amin’ny toerana akaikin’i Jesosy isika, fa tsy maintsy manatona Azy amin’ny finoana isika vao mahazo valim-bavaka.
Aza faritana araka ny fahalemenao ny herin’Andriamanitra
Maro no mandrereka ny finoana ny Tenin’Andriamanitra, manontany tena hoe : “Hataon’Andriamanitra ahoana anie ny mahavita izany”. Avy aiza no hahitany izay vola ilaiko izay…iza no havako mety hihaino ny bitsibitsik’Andriamanitra manoro azy hanampy?…Raha tsy azony an-tsaina ny lalan-komban’Andriamanitra hanaovany izay angatahiny dia tsy mety mino izy (II Mpanj. 7 : 2). Tsy mba nomen’Andriamanitra adidy hiahiahy ny fomba fanaovany ny asany hianao ; nasainy hino fotsiny sy nandroso hihetsika hiasa araka ny teny fikasany.
Ny fototry ny aretina
Nesorin’i Jesosy ny fototra sy ny antony nahatonga ny aretina, raha nanasitrana olona Izy, Indreto izany :
1. Ny fahotana – Lazain’ny teny, Mar. 2 : 5 ny amin’ny efa-dahy nilanja ny namany malemy ho any amin’i Jesosy. « Ary Jesosy, nony nahita ny finoan’ireo, dia nanao tamin’ilay mararin’ny paralysisa hoe : « Anaka, voavela ny helokao ». Sitrana tamin’izay ralehilahy ary afaka nandeha ; kanefa nataony fa samy hafa ny famelan-keloka sy ny fahasitranana. Kanefa niteny indray Jesosy hoe : « Iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe ; Mitsangàna, betao ny fandriana, ka mandehana ? Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’olona manana fahefana ety ambonin’ny tany hamela heloka, dia lazaiko aminao…Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao ». Nitsangana niaraka tamin’ny izay ralehilahy, sitrana tanteraka. Ny fahotany no anton’ny aretina nampahalemy azy, ka tsy maintsy voavela ny helony vao azo sitranina izy. Rehefa voavela heloka izy dia finaritra tamin’izay.
« Fahafatesana no tambin’ny ota » (Rom. 6 : 23). Natao hanompo an’Andriamanitra sy ny fahamarinana ny vatan-tenan’ny olombelona ; somban’ny fahotana kosa ny tenan’ny olombelona raha avela hahatanteraka ny asany.
Ny ahazoana fahasitranana dia ny fibebahana sy ny fivalozana amin’ny fahotana, ary ny fandraisana ny fanavotana vitan’i Kristy.
2. Satana sy ny anjeliny. – Ny antsasany latsaka kely amin’ny fahasitranana tantarain’ny filazantsara sy ny Asan’ny Apostoly dia « famoahana demonia ». Maro manko ny olo-mino miaritra zavatra tsy nokasain’Andriamanitra hatao anjarany akory. Omen’i Jesosy fahefana ny mino, handroaka ny devoly sy hanafaka ny olona amin’ny fahefany, hialany amin’ny famelezany mandoza sy ny aretina afitsony antsika (Mar. 16 : 17-18).
3. Ny fandikana ny lalan’ny zava-boahary
Araka ny nanaovan’Andriamanitra azy dia mahatonga aretina sy fanaintainana. Noharin’Andriamanitra ny tenan’ny olombelona ary notendreny ny fomba sy lalàna harahiny raha mitombo sy miaina. Raha mandika ireny isika, dia voa. Izay latsaka avy amin’ny tafon-trano dia mety ho tapa-taolana. Izay tsy mihinan-kanina dia matin-kanoanana. Ny hoditra tratran’ny asidra ranomahery dia may. Torak’izany ny ao anaty : masaka ny vavony sy tsinay raha misotro alikola ny olona, ary mahatonga aretina sy fahoriana izany. Raha te-ho sitrana ny mpisotro, dia tsy maintsy mangataka amin’Andriamanitra hamonjy azy amin’ny fanandevozan’ny toaka izy ; amin’izany dia sady voavonjy no sitrana izy.
Izay mahafoy fotoana hamonjena ny fotoam-pivavahana ao amin’ny trano fiangonan’Andriamanitra isan’Alahady, hahazoan’ny fanahiny vatsy avy amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fihaonana aminy, dia mahazo fitahiana ho an’ny fiainany manontolo ; manam-tombo ny fahasalamany, ary vitany tsaratsara kokoa ny asa aman-draharahany. « Tsy mofo ihany no hivelomon’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky vavan’Andriamanitra » (Mat. 4 : 4).
4. Ny ratra isan-karazany dia loza tokoa ; kanefa Andriamanitra izy nahary ny vatan-tena no mahay manamboatra manasitrana azy koa raha misy fahavoazana. « Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy » (Sal. 46 : 1).
Noharin’Andriamanitra ho tsara tanteraka ny lehilahy voalohany sy ny vehivavy voalohany, mba tsy ho farofy na marary na ho faty izy. Haharitra arakaraka ny hankatoavany an’Andriamanitra izany ; kanjo tamin’ny andro nivadihany ka nihinanany ny voan’ny hazo noraràna, dia ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy…tamin’izany andro izany dia tantereka ny tenin’Andriamanitra hoe : « Ho faty tokoa hianao (Gen. 2 : 17).
Nofitahin’i Satana Eva ka tonga nihevitra fa angamba tsy dia tena hataon’Andriamanitra izay nolazainy…’ndeha ho tsapaina kely…nahasintona ny maso ny voankazo… haharatsy inona raha mba adramana kely ? Kanjo vetivety dia tonga fantatr’i Eva fa hentitra ny tenin’Andriamanitra, to tokoa ka tsy maintsy ho tanteraka. Ka dia tonga ety ambonin’ny tany ny fahafatesana, ny fahoriana isan-karazany, ny aretina ary ny fahafatesana. Satria manko nihinanany ny voankazo ahalalana ny ratsy…ary fahafatesana no tambin’ny ota.
Andriamanitra mihitsy no nandroaka an’i Adama sy Eva tsy ho eo amin’ny saha intsony, sao haninjitra ny tanany ka haka amin’ny voan’ny « hazon’aina », ka ho velona mandrakizay amin’ny ditra sy sy ikomiana amin’Andriamanitra.
Kanefa, tsy mba nandao azy Andriamanitra ; nomeny Jesosy ho faty hisolo voina izao tontolo izao noho ny fahotana, ary hitondra fahasitranana ho an’izay rehetra miala amin’ny lalan-dratsiny sy hanompo an’Andriamanitra (Isa. 53 : 4-5). Manerana ny Testameta Taloha ny filazana, fa rehefa nibebaka ka niala tamin’ny fahotana ny olona, dia nihaino ny fitarainany Andriamanitra ka namonjy azy ho afaka amin’ny fahoriany rehetra.
Fa izay nikiribiby kosa dia nofaizin’Andriamanitra (Deo. 28 : 47, 58-61). « Rehefa tonga aminao izany zavatra rehetra izany, dia ny fitahiana sy ny fanozonana izay nataoko teo anoloanao, ary mahatsiaro izany ao am-ponao any amin’ny firenena rehetra izay androahan’Jehovah Andriamanitrao anao hianao, sy mihaino ny feony amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra …dia hampodian’i Jehovah Andriamanitrao avy amin’ny fahababoana hianao, ary hamindra fo aminao Izy…ho faly aminao indray Jehovah ka hahasoa anao, araka izay nahafaliany tamin’ny razanao raha mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao hianao »(Deot. 30 : 1-3, 9, 10).
« Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny loza ; tamin’ny nandidiko anao androany ho tia an’i Jehovah Andriamanitrao ka handeha amin’ny lalany…miantso ny lanitra sy ny tany Aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy fanozonana ; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona hianao sy ny taranakao, dia ny ho tia an’i Jehovah Andriamanitrao hianao ka hihaino ny feony ary hifikitra aminy ; fa izany no fiainana sy fahamaroan’ny andronao »(Deo. 30 : 15-20)
Tsy mahasoa ny fametran-tanana amin’ny maditra, raha tsy mety mibebaka izy. Mety misy manao hoe : « tsy mba hitako izay toetra ratsy ato amin’ny fiainako…matoky aho fa ho sitrana ….. manam-pinoana aho…fantatro fa te-hanasitrana ahy Andriamanitra, koa raha mametra-tanana amiko sy mivavaka hianao, dia hino ka ho velona ».
Na dia mametra-tanana aminao aza izahay, kanefa raha tsy vonon-kahafoy ny fahotanao hianao, dia tsy afaka hanana finoana marina…Ary na dia ohatra ka mamindra fo Andriamanitra ka manasitrana anao, mba hahatonga anao hibebaka. –tsarovy ny tenin’i Jesosy hoe : « Aza manota intsony, fandrao hanjo anao izay ratsy noho ny teo » (Jao. 5 : 14)
Nitokian’i Jakoba fa tsy tokony hisy aretina ao amin’ny zanak’Andriamanitra, ka dia nanoratra izy hoe : « misy marary ve eo aminareo ?.. . mifaneke heloka hianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana hianareo. Ny fiasan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra » (Jak. 5 : 14-16). Nantenain’i Jakoba fa tsy hisy aretina ao amin’ny fiangonana, ary raha misy aza izany, dia noho ny fahotana. Ny fiaken-keloka amin’Andriamanitra sy ny fifamelana no ilaina hahafahana amin’izany –mbola toy izany ihany ankehitriny, ary maro ny aretina tsy ho sitrana raha tsy amin’ny alalan’ny fianken-keloka sy ny fifamelana.
OLONA SASANTSANY NOFAIZIN’ANDRIAMANITRA SY NY ANTONY
Nokaikerin’ny menaranan’afo tany an-efetra ny zanak’Isiraely, satria nimonomonina tamin’Andriamanitra sy Mosesy mpanompony izy, noho ny fitondrana tsy araka ny tian’ny be sy ny maro. Andriamanitra (fa tsy Satana akory )no nandefa ny menarana. Nony nahatsiaro ny fahadisoany ka nivalo sy nifona ny vahoaka, dia nokarakarain’Andriamanitra ny fanasitranana ho azy rehetra : « izay olona voakaikitry ny menarana ka nijery ilay menarana varahina dia velona »(Nom. 21 : 4-9). Nolazain’i Jesosy fa toy izany koa ankehitriny(jao. 3 : 14-18).
NY HABOKANA. Nialona an’i Mosesy anadahiny Miriama, satria filohan’ny isiraely izy. Tsy azoazony ny vadin’i Mosesy, koa dia novokisany hanohitra an’i Mosesy ny vahoaka. Kanefa tsy nojeren’Andriamanitra fotsiny izany, ary tsy minia jamba amin’ny toy izany Izy ankehitriny.
Nantsoin’Andriamanitra ho eo anoloan’ny tabernakely Mosesy sy Arona ary Miriama, ary tonga tao anatin’ny rahona Izy hiteny aminy. Nanariny mafy Arona ary nohamarinina Mosesy. Koa nony niala Andriamanitraka nisava ny rahona, dia indrisy boka Miriama, fotsy tahaka ny oram-panala. Nifona niaraka tamin’izay Arona sy Miriama, ary nangatahiny hivavaka ho azy Mosesy ; navelan’Andriamanitra ny helony. Kanefa tsy nohadinoin’ireo nanota ny famaizan’Andriamanitra azy ; tonga fantany fa tsy azo atao ny manamaivana ny fiheverana ny fahotana, toy ny sasany ankehitriny izay manao hoe « Mora ny mifona any aoriana any ».
Maro ny olona mitetika hanararaotra ny famindrampon’Andriamanitra kanefa tsy miezaka hiala amin’ny fahotana akory. Lazain’Andriamanitra fa tsy ho tonga any an-danitra ny olona toy izany (Gal. 5 : 19-21). –Nataon’Andriamanitra fay ny Isiraely manontolo : « Natokana tany ivelan’ny toby Miriama ; ary ny olona tsy niainga, raha tsy efa nampidirina Miriama »(Nom. 12).
Nataon’Andriamanitra MAINA MALAZO NY TANAN’I JEROBOAMA. (IMpanj. 13 : 4-6). Tonga ny lehilahin’Andriamanitra avy any Joda hitondra ny tenin’Andriamanitra ho any Betela. Nijoro teo anoloan’ny alitara Jeroboama mpanjaka handoro ditin-kazo manitra. Dia nambaran’ny lehilahin’Andriamanitra fa hodoran’ny mpanjaka manaraka eo ambonin’io alitara io indrindra ny taolan’ny mpisoron’ny sampy. Nony ren’i Jeroboama izany teny izany, dia naninjitra ny tanany izy ka nanao hoe : « Hazony ilehio ». Dia maty (maina, malazo)ny tanany nahinjiny nanondro azy iny ka tsy azony noketrahina intsony. Dia hoy indray Jeroboama : « Mba hifony amin’ i Jehovah Andriamanitrao aho, ka mivavaha ho ahy, mba ho azoko ketrehina indray ny tanako ». Dia nifona tamin’Andriamanitra ilay iraka, ary sitrana azony noketrahina indray ny tanan’ny mpanjaka (I Mpanj. 13 : 4-6).
Nohamain’Andriamanitra ny tanan’ny mpanjaka, hiarovany ny mpanompony.
NOFAIZIN’ANDRIAMANITRA ABIMELEKA sy ny vadiny ary ny mpanompovaviny.
Nalain’i Abimeleka ny vadin’i Abrahama, noho ny tenin’i Abrahama hoe : « Anabaviko izy ». Nataony tamin’ny fahatsoram-po izany, kanefa naka vadin’olona ihany. Ka dia nanarin’Andriamanitra tamin’ny nofy izy hoe : «Ho faty tsy hiteraka hianao mbamin’izay rehetra mety ho anao ». Soa ihany, fa tsy navelan’Andriamanitra hikasika an-dravehivavy Abimeleka « Izaho kosa niaro anao tsy hanota amiko », hoy izy – Diniho ange ny teny milaza fa fahotana amin’Andriamanitra ny ratsy atao amin’ny olony. Koa hoy Andriamanitra : « Avereno ny vadin-dralehilahy, fa mpaminany izy ka hifona ho anao, dia ho velona hianao, dia hianao mbamin’izay rehetra mety ho anao ». Dia nifoha maraina koa Abimeleka ka niantso ny mpanompony rehetra ary nanambara izany rehetra izany teo anatrehany ; ka dia raiki-tahotra indrindra ny olona. Ary Abimeleka nampaka an’i Abrahama…ary Saraha vadiny dia naveriny taminy. Ary Abrahama dia nifona tamin’Andriamanitra ; ary Andriamanitra nahasitrana an’i Abimeleka sy ny vadiny mbamin’ny mpanompovaviny ; dia niteraka tamin’ny ankohonan’i Abimeleka noho ny amin’i Saraha, vadin’i Abrahama. (Gen. 20 : 3-18).
MASO NIKIMPY SY NAHIRATRA. Tantarain’ny Testamenta Taloha ny amin’ny tafika tonga hisambotra an’i Elisa mpaminany. Natahotra ilay zatovolahy naman’ny mpaminany, nahita ny tafika marobe nanao fahirano ny tanàna. Kanefa nivavaka tamin’Andriamanitra Elisa nanao hoe : « Ampahirato ny masony mba ho hitany ». Ary Jehovah nampahiratra ny mason’ilay zatovo ; ary dia nahita izy, ka, indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an’i Elisa.
Dia nidina nankany aminy ireo, ary Elisa nivavaka hoe : « Jehovah ô, mifona aminao aho, ataovy manjambena ny mason’ireto olona(fahavalo) ireto ». Ary dia nataony manjambena ireo araka ny tenin’i Elisa.
Ary hoy Elisa taminy : « Tsy ity no làlana, ary tsy ity no tanàna ; fa manaraha ahy hianareo, dia hitondra anareo ho any amin’ny lehilahy tadiavinareo aho ». Dia nentiny nankany Samaria ireo. Ary rehefa tonga tany Samaria izy ireo, dia hoy Elisa : « Jehovah ô, ampahirato ny mason’ireto mba hahitany…indro, tao afovoan’i Samaria izy…Dia hoy ny mpanjakan’ny Isiraely : « Ry ikakyô, hasiako va izy ? hasiako va izy ? » Fa izy namaly hoe : « Aza asianao izy…Rosoy mofo sy rano eo anoloany mba hohaniny sy hosotroiny ary handehanany any amin’ny tompony »…Dia nankany amin’ny tompony izy. Koa dia tsy nakany amin’ny tanin’ny Isiraely intsony ny mpitoha adin’i Syria : (II Mpanj. 6 : 8-23).
Nataon’Andriamanitra jambena ireo, mba hisakanana ilay tafika tsy hikasika ny mpaminany mpanompony ka hiaika loza ho an’ny tenany. Rehefa niaiky izy fa resy, dia nangatahin’ny mpaminany hampahiratina indray ny masony ka dia nahita mazava izy. Tonga jamba Paoly nony nanatrika an’Andriamanitra, satria tan-dàlana hanenjika ny fiangonana tao Damaskosy izy. Niteny taminy ny Tompo hoe : « Saoly, Saoly, nahoana hianao no manenjika Ahy ?……mitsangàna ka, mankanesa any an-tanàna, dia holazaiko aminao izay mety hataonao ». Nitsangana Paoly, kanefa tsy nahita na inona na inona izy ; ary ireo nitantana azy ka nitondra azy ho any Damaskosy. Ary tsy nahita izy hateloana (Asa 9 : 1-9). Tonga tao aminy ity olo-mino anankiray dia nanao hoe : « Ry Saoly rahalahy, ny Tompo, dia Jesosy izay niseho taminao teo amin’ny làlana nalehanao, no efa naniraka ahy, mba hahiratan’ny masonao, ary mba ho feno ny Fanahy Masina hianao ». Ary niaraka tamin’izay dia nisy zavatra toy ny kiran’ny hazandrano niala avy tamin’ny masony, dia nahiratra izy ka nitsangana, dia natao batisa ; ary nihinan-kanina izy ka dia natanjaka. (Asa. 9 : 17-19).
Tsy dia fikasan’Andriamanitra ny hanajamba an’i Paoly, kanefa tsy maintsy nosakanany ny fahadalany, mba hamonjena ny fiangonana izay nitaraina tamin’ny vavaka. Koa nony nibebaka Saoly dia nahiratra indray ny masony.
Nataon’Andriamanitra adala very saina Nebokadnezara, ambara-pahafantany fa Andriamanitra no manjaka amin’ny firenena etỳ ambonin’ny tany (Dan. 4 : 26-34).
Navelan’Andriamanitra ho babo ny zanak’isiraely rehefa tsy nety nihaino ny teniny izy, fa niodina taminy ka nanompo sy nanaraka zavatra hafa, fa tsy ny Andriamanitra velona (II Mpanj. 25 ; II Tant. 36 : 6-21). Kanefa nony nifady hanina sy nivavaka marina taminy ny Isiraely, dia navelan’Andriamanitra ny helony ary nampodiny tao amin’ny taniny (Neh. 1 : 4-11 ; 2 : 6-8).
NY FITONDRAN’ANDRIAMANITRA NY OLONA
ANKEHITRINY
Nitarika fotoam-pivavahana tao Ananona izahay. Dia nangatahinay hitsangana ireo izay tsy mbola sitrana. Nony avy nivavaka izahay dia narary mafy any an-dohan’ity lehilahy anankiray. Mba te-hanampy azy izahay, ka dia nantsoinay hanatona hametrahan-tanana sy hanaovana vavaka manokana. Tsy nitsahatra anefa ny fanaintainany. Dia nangataka an’Andriamanitra izahay hanambara aminay izay nisakana ny fahasitranany. Nambaran’Andriamanitra fa nanao raharaha am-pitaka izy io. Mambran’ity fiangonana anankiray izy, ary nitompo teny fatratra fa marina daholo ny raharaha nataony. Nivavaka indray izahay, kanefa tsy niova ny fahorian-dralehilahy. Dia niverina namonjy ny toerany izy, ary noravanay ny fivoriana. – Kanefa nony vao nidina tamin’ny sehatra izahay, dia nisy olona nanatona anay nanao hoe : « Marina tokoa ny nolazainareo… nanao izany raharaha tsy marina izany tao amin’ny tanàna hafa izy, ka vao niverina avy any ».
Azonao fitahina ny olombelona, fa Andriamanitra kosa tsy azo fitahina. Fantany tsara hianao, ary « Raha nankasitraka ota tao am-poko aho dia tsy hihaino ny Tompo » (Sal. 66 : 18).
« Aza mety hofitahina hianareo : Andriamanitra tsy azo vazivazina fa izay afafin’ny olona no hojinjainy » (Gal. 6 : 7)Tsy misy olona na mpanjaka na mpamboly izy, izay afaka hanota kanefa tsy ho faty. Mety mitaredretra ny fitsarana sy famaizana ; vao mainka loza anefa raha tonga izany.
Tsarovy tsara : nony nisy nofaizin’Andriamanitra nataony marary, dia noho ny fahotan’ilay olona izany…ary reheta nibebaka izy dia sitrana. Na ny olon’Andriamanitra na ny olon’izao tontolo izao dia samy nofaizan’Andriamanitra noho ny fahotany, araka ny efa hitantsika. Rehefa niharan’ny fahatezeran’Andriamanitra ny olona, ny hany lalan-kombana hahafahana amin’izany dia ny fibebahana sy ny fivalozana amin’ny fahotana. Tsy misy olombelona mahay manafaka anao amin’ny tanan’Andriamanitra velona. Hianao dia hianao irery no tsy maintsy mifandahatra amin’Andriamanitra, ary raha tsy izany dia ho faty amin’ny fahotanao hianao.
Kanefa tsy ilaina akory ny ho faty, satria nanolo-tena ho faty nisolo voina anao Jesosy. Ary miantso anao Izy hoe : « Izay manatona Ahy dia tsy holaviko mihitsy » (Jao. 6 : 37). « Mibebaha ianareo ka minoa ny filàzantsara » (Mar. 1 : 15). Tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny làlany, mba ho velona izy » (Ezek. 33 : 11).
NY FAHOTANA TSY IBEBAHANA DIA MITARIKA HO
AMIN’NY FAHAFATESANA
Na iza na iza isika dia tokony hibebaka rehefa nahavita fahotana. Tsy ho avy na oviana na oviana ny fahasitranana raha tsy efa miala tanteraka amin’ny fahotana isika ; ary izay tsy rariny na tsy mety ovàna ho amin’ny tokony ho izy. Mety haharitraritra ihany vao ho vita. Nefa tsy hisy izay handray fahasitranana rha toa mamaly tsy hibebaka izy. I Asa mpanjaka (II Tantara 16 : 7) dia sahirana, poritra noho ny miaramilan’ny mpanjakan’Isiraely tonga nanorina tanàna teo amin’ny làlana hiditra mankao Jerosalema. Asa mpanjaka dia nanompo an’Andriamanitra tamin’ny fony rehetra nandritra ny 36 taona mahery. Andriamantra dia nanampy azy tamin’ny hery lehibe ho valin’ny vavaka nataony……Fa tamin’ity indray mandeha ity dia tsy vavaka no nataony fa nanarama « tsy mino» hiady amin’ny zanak’Andriamanitra izy (andininy faha-2). Nomen’Andriamanitra fotoana hiaikeny ny fahadisoany i Asa, nefa tsy niaiky izy. Ka dia nirahin’Andriamanitra Hanany mpahita, hilaza tamin’i Asa fa « adala hianao tamin’izany ka dia hisy ady hahazo anao hatramin’izao » (andininy faha-9). Tsy mba nibebaka tahaka an’i Davida i Asa, fa tezitra no nataony, ka nataony an-tranomaizina ilay mpahita. Mbola nomen’Andriamanitra taona roa ihany i Asa hieritreretany izay nataony sy hibebahany. Nefa Asa tsy nety nibebaka intsony. Ka dia tonga narary tongotra izy, « nefa na dia nihamafy indrindra aza ny aretiny, dia tsy nitady an’i Jehovah fa ny mpanao fanafody ihany » (and. 10 : 12). Tsy misy olona afaka namonjy azy raha manao izay tsy mahafaly an’Andriamanitra izy ka tsy nibebaka.
Misy olona maro miala amin’Andriamanitra ary tratry ny fahasahiranana sy aretina isan-karazany, izay nolazain’Andriamanitra fa hataony amin’izay mandà tsy handeha araka ny fahamarinana eo imason’Andriamanitra (Deot. 28 : 58, 61)…Maro no mihevitra fa hahay hanova ny toe-javatra amin’ny fankanesny any amin’ny hopitaly sy ny dokotera, ary ny fihinanana fanafody sy ny fetezany ho didiana. Nefa tsy misy dokotera hahasitrana anao raha toa tsy mety hibebaka hianao. (Nefa amin’ny fibebahanao tsotra ao an-tranonao, ka manova ny diso rehetra ho amin’ny marina dia ho afaka amin’ny famaizana avy amin’Andriamanitra hianao, ka tsy ilàna dokotera na fanafody na fandidiana akory).
Asa dia nitady ny fitsaboana tsara indrindra azony natao nefa tsy nisy vokany…fa tsy nisy famonjena…nihamafy ihany ny aretiny. Hatrany hatrany dia fantany fa nety ho sitrana tanteraka izy, nefa nandà tsy hanetry tena sy hangataka famelan-keloka.
Nitady ho sitrana i Asa, nefa tsy nety hidina hanetry tena teo anatrehan’ny firenena ka hamoaka ilay mpahita avy tao an-tranomaizina. « Ka dia maty izy » II Tan. 16 : 13) ary nalevina…tsy sitrana intsony, na dia nisy fanasitranana ho azy aza. Tsy sitrak’Andriamanitra ny nahita azy nijaly sy maty : «Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialany amin’ny làlany mba ho velona izy. Mialà, mialà, amin’ny làlan-dratsinareo, fa nahoana ho te-ho faty hianareo ? (Ezek. 33 : 11).
Andriamanitra dia nalahelo tamin’ny nahafatesan’i Asa, fa nety ho azo nositranina izy, raha tahiny mba nibebaka ! Ny nifidy ny ho faty sy ny ho velona dia tsy mba avy amin’Andriamanitra fa avy tamin’i Asa…Andriamanitra aza dia nitady hampibebaka azy tamin’ny nanirahiny ilay mpahita, nefa tsy nanaiky handray ilay irak’Andriamanitra no nataony, ka hangataka an’Andriamanitra hamela ny helony, fa nandà ny teny nampitondraina ho azy izy ka nandatsaka ilay iraka tao an-tranomaizana, ary nitoetra tao io ambara-pahafatin’i Asa.
FAHABOKANA
Ozia dia mpanjaka lehibe iray hafa koa, izay tia sy nanompo an’Andriamanitra. « Niely tamin’ny firenena nanodidina ny lazany ; fa nampian’Andriamanitra tamin’ny fomba nahagaga tokoa izy ambara-pahatongany ho nahery tsara. Nefa nony nahery izy dia niavonavona ny fony ka nahatonga fandravana ho azy : fa nandà ny didin’Andriamanitra Tompony izy ka niditra tao amin’ny tempolin’i Jehovah handoro ditin-kazo manitra teo amin’ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra teo amin’ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra. Ary nanaraka azy ny mpisorona, lehilahy nahery avokoa. Ary nanohitra an’i Ozia mpanjaka ireo ka nanao tamin’ny hoe : « Tsy raharahanao ry Ozia ny handoro ditin-kazo manitra ho an’i Jehovah, fa an’ny mpisorona ihany dia ny taranak’i Arona, izay nohamasinina handoro ditin-kazo manitra. Mialà amin’ny fitoerana masina fa nanao izay mahadiso hianao ; ary tsy ho voninahitra ho anao eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra izany ». Tamin’izay Ozia dia nisafoaka ary nisy lovia teny an-tanany handoroany ditin-kazo manitra ; koa raha mbola nisafoaka tamin’ny mpisorona izy, dia nisy habokana nipoitra teo amin’ny handriny teo anatrehan’ny mpisorona tao an-tranon’i Jehovah…dia noroahiny hiala teo izy ; nefa ny tenany dia mba nivoaka faingana ihany koa, satria Jehovah efa namely azy. Ary Ozia mpanjaka dia boka ambara-pahafatiny. Fa tsy hita voalaza ho nivavaka na nibebaka, na niantso an’Andriamanitra hamonjy azy, toy ny nataon’i Miriama, izy (II Tant. 26 : 15-20). Jotana zanany no nanjaka nandimby azy, « ka nanao izay mahitsy eo imason’i Jehovah…nefa kosa tsy mba niditra tao amin’ny tempolin’i Jehovah izy. Ary ny vahoaka dia mbola nanao ratsy ihany ». (27. 2).
Raha heverinao fa ho famaizina na fanitsiana anao ny aretinao dia tsarovy…fa tsy ho afaka aminao izy raha tsy mibebaka hianao ny amin’ny ratsy nataonao tamin’ny namanao sy ny nanalanao baraka ny fahamasinan’Andriamanitra !
Gehazy (ilay zatovon’i Elisa) sy ny taranany rehetra dia natao boka mandrakizay, noho ny fitsiriritam-bola ao aminy, dia vola izay efa nolavin’i Elisa avy tamin’i Namana, nanao hoe : « niova hevitra Elisa ka nitady vola sy fitafiana ». Faharoa : Nahatonga azy koa handainga tamin’i Elisa nanao hoe : « Tsy avy taiza tsy avy taiza ny mpanomponao ». Ny fitsarana dia manomboka ao an-tranon’Andriamanitra… « Ary niala teo anatrehany izy la indro boka, fotsy toy ny oram-panala ». (Mpanj. 5 : 15-27). Tsy voalaza velively fa nangataka famelan-keloka Gehazy…hany ka izy sy ny taranany dia maty boka.
HAJAMBANA
Andriamanitra dia namely ny mponina tao Sodoma tamin’ny hajambana tsy nety afaka intsony ; fa ny ampitso marainan’iny dia noravany tamin’ny solifara sy afo nalatsany ny tanàna rehetra teo amin’ny tany lemaka. Noho ny fahotana lehibe nataony, Andriamanitra dia namely azy tamin’ny hajambanamba hiarovany an’i Lota mpanompony (Gen. 19)
Elyma mpano ody (Asa. 13 : 8-11)dia tratry ny hajambana «aloha »noho ny teny nataon’i Paoly…satria Elyma nanohitra azy roalahy(ry Paoly), nitady hampivily ny governora tsy hanaiky ny finoana. Fa tamin’izay, Paoly, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina azy ka nanao hoe : « ialahy feno ny fitaka rehetra sy ny fahafatesana » ialahy zanaky ny devoly sady fahavalon’ny fahamarinana rehetra, tsy hitsahatra tsy hamily ny lala-mahitsin’ny Tompo va ialahy ?Ary indro ankehitriny ny tanàn’ny Tompo hamely an’ialahy dia ho jamba ialahy ka tsy hahita masoandro aloha. Dia latsaka tao aminy niaraka tamin’izay ny mampanjambena sy ny azina, ary niraparapa nitady olona hitantana azy izy ».
Na iza na iza misakana fanahin’olona tsy hanaiky an’i Kristy sy ny famonjeny, dia hahita fahavoazana…fa horaharahain’Andriamanitra ny amin’izany, na dia tsy hovonoiny aza ilay mpanohitra, mba hahatanteraka ny fampanantenana hoe : « na iza na iza miantso ny anaran’i Jehovah dia hovonjena ».
Raha ny Fanahin’Andriamanitra mitaona fanahin’olona iray, ka misy olona mitady hampijanona na hisalovana ny asan’Andriamanitra, ny hanjo ny mpanohitra amin’izany dia ho sahala amin’ny hoe mandray tariby misy elektrisite 10.000 volts (farany izay mahery) amin’ny tanana tsy misy fiarovana. Fa ny Filazantsara dia « hanitra avy amin’ny fiainany ho amin’ny fiainana ho an’ny sasany ; ary hanitra avy amin’ny fahafatesana ho amin’ny fahafatesana kosa ho an’ny sasany ». (II Kor. 2. 16).
ARETINA MAMELY NY FO
Voa ny fon’i Ananiasy sy Safira satria nandainga tamin’ny Fanahy Masina izy, nanantena hahazo hanao hafetsena sy fitaka tao amin’ny Tranon’Andriamanitra. Tena mampidi-doza ny hanao vazivazy amin’Andriamanitra !. Eo am-pelatanan’Andriamanitra ny fofon’ainao !(Asa. 5).
Heroda dia nanenjika ny fiangonana, namono ny Apostoly Jakoba, ary nisambotra an’i Petera saika hovonoiny koa (Asa. 12 : 1-3). Na dia tsy nampiharan’Andriamanitra fitsarana niaraka tamin’izay aza izy fa tsy hoe tsy noraharahan’Andriamanitra akory ny fahotany. Niandry ny mba hibebahan’i Heroda fotsiny Andriamanitra. Nefa Heroda tsy niantso velively an’Andriamanitra hamely ny fahotany noho ny nanenjehany ny Fiangonana. Ka indray andro, teo anatrehan’ny vahoaka rehetra…dia nanao kabary Heroda… ary ny vahoaka niantso hoe : « feon’Andriamanitra izany fa tsy olona » …ka sitraky ny fanandratan-tenanan’i Heroda izany …nefa niaraka tamin’izay, dia nisy anjelin’ny Tompo namely azy, satria tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra izy, ka nohanin’ny kankana izy ka maty »(andininy 21-23).
Andriamanitra dia nandringana ny mponina rehetra taty ambonin’ny tany afa-tsy olona valo marina ihany, tamin’ny safo-drano satria ny fisainana rehetra avy amin’ny olona « dia ratsy ihany mandritra ny andro », ka na dia nitory ny fahamarinana aza Noa dia tsy noraharahainy akory izany (Gen. 6. 5, 7 ; 4-6)_
Andriamanitra dia nandringana an-dry Farao sy ny miaramilany satria ireo nitady hanenjika ny Zanak’israely izy hamerina azy amin’ny fanandevozana indray (Eks. 12. 12).
Andriamanitra dia nanisy areti-mandringana tamin’ny vahoaka raha nanao sarin’ombilahy kely volamena hivavahany ireo (Eks. 32. 35).
Andriamanitra dia namely ny mpimonomonona raha nihinana papelika izy ireo (Nom. 11. 18. 33).
Andriamanitra dia nampisokatra ny tany hitelina an’i Kora mpikomy sy ireo nanaraka azy (Nom. 16. 32).
Andriamanitra dia nanasazy an’i Davida raha nanota izy (II Sam. 11. 13. 18). Ny aretina dia tsy mba alefan’Andriamanitra na oviana na oviana ho fitahiana fa ho famaizana ihany hatrany…mba hahatsiarovan’izay voan’ny fahatezeran’Andriamanitra izay miandry hatrany ny mpanota.
« Lazao azy fa raha mbola velona koa Aho, hoy Jehovah Andriamanitra, dia tsy sitrakao ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny làlana mba ho velona izy. Mialà, mialà amin’ny lalan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty hianareo, ry taranak’Isiraely » (Ezek. 33. 11).
Raha vao misy olona miverina amin’Andriamanitra dia esorin’Andriamanitra ny fijaliany, ary vetivety foana dia averina aminy ny fitiavany azy ka miravoravo aminy indray Izy (Liok. 15. 11-20, 32), (Deot. 30. 9 ; 19-20).
Andriamanitra dia fitiavana ka izany no anomezany famelan-keloka, sy fanasitranana ho an’izay rehetra mibebaka sy mialà amin’ny lalan-dratsiny, ka manaiky an’i Jesosy ho sorona noho ny fahotany…Nefa Andriamanitra koa dia Andriamanitry ny fahamarinana ary tsy maintsy tanterahina ny lalàny…Tsy afaka hitahy izay mihodina miala aminy sy manao ny ratsy Izy. Efa nambaran’i Jesosy nialoha ny fijaliana sy ny fandravana an’i Jerosalema raha toa ny mponina ao tsy mety mibebaka amin’ny haratsiany ary tsy mandray an’i Jesosy ho Zanak’Andriamanita. Nolaviny anefa izany ka ny vokany dia tonga nihinana ny zaza naloaky ny kibony izy noho ilay mosary mafy sy ny tabataba tao anatin’ny mandan’ny tanàna, raha niezaka hamonjy ny tanàna i Titosy, kapiteny romana.
Raha nandà sy nanombo tamin’ny hazo fijaliana Ilay Tompon’ny Fiainana i Jerosalema, dia nijinja ny fahatezeran’Andriamanitra izy ! ary tsy misy olona afaka hisakana ny fahatezeran’Andriamanitra tsy hahatanteraka ny asany.
« Izay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka dia ho torotoro tampoka ka tsy hisy fahasitranana » (Ohab. 29 : 1).
« Izay mino sy hatao batisa no hovonjena, fa izay tsy mety mino dia hohelohina » (Marka 16 : 16).
« Izay mino ny Zanaka (Jesosy) dia manana fiainana mandrakizay, fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy » (Jaona 3 : 36).
INONA NY HOE LASAN’NY DEMONIA ?
F. –Iza moa ny devoly ?
V. –Ny foto-kevitra ambaran’ny teny hoe devoly dia satana. Izay fahavalon’Andriamanitra sy ny olona. « Mahonona tena, miambena ; fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany » (IPet. 5 : 8). Efa natsipy noroahina avy tany an-danitra izy. « Ary hoy izy taminy : Izaho nahita an’i Satana nidina avy tany an-danitra tahaka ny varatra » (Lio. 10 : 18). Dia voalaza koa fa ny devoly sy ny anjeliny izay tany amin’Andriamanitra tany an-danitra tamn’ny voalohany, dia navarina any amin’ny helo (II Pet. 2 : 4). Io devoly io dia tonga tao amin’ny tanimbolin’i Edena, naka ny endriky ny menarana, ary namitaka an’i Eva, izay nidiran’ny fahotana tamin’izao tontolo izao, sy fahafatesana noho ny ota (Rom. 5 : 12). Ka dia ny devoly izany no nanao sy nahatonga ny fahotana, mbamin’ny voka-dratsy rehetra avy amin’ny fahotana.
Ireto manaraka ireto no lisitry ny anaran’ny devoly :
1. Mpiampanga ny zanak’Andriamanitra (Apok. 12 : 10).
2. Fahavalon’Andriamanitra sy ny olona (IPet. 5 : 8).
3. Abadona na Apolyona (Apok. 9 : 11).
4. Belzeboba (Mat. 12 : 24).
5. Beliala (II Kor. 6 : 15).
6. Dragona mena lehibe (Apok. 12 : 3).
7. Rain’ny lainga (Jao. 8 : 41).
8. Mpandainga (Gen. 3 : 4) (Jaona 8 : 44).
9. Losifera (Isaia 14 : 21).
10. Andriamanitr’izao tontolo izao (II Kor. 4 : 4).
11. Menarana ela (Apok. 12 : 9).
12. Andrianan’izao tontolo izao (Jaona 14 : 30).
13. Mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra (Efes. 2 : 2).
14. Lohan’ny demonia (Mat. 12 : 24).
15. Mpanjakan’izao fahamaizinana izao (Efes. 6 : 12).
16. Mpanota hatramin’ny voalohany (I Jaona 3 : 8).
17. Satana (Lio. 10 : 18).
18. Mpamono olona hatramin’ny voalohany (Jaona 8 : 44).
sFa olona toy inona no manana demonia ?
V. ireo izay manana fiainana tsy madio, feno fahotana, izay manaraka ny fomba sy fanao araka izay itarihan’ny devoly azy, toy ny filokana, ny bal, ny karatra, ny ody, ny sikidy, ny mosavy, ny hypnotisma.
Misy olona betsaka amin’izao fotoana izao izay nony avy nanatona ireny mpanao hatsarana na mpanao azy ho mahay mamantatra ny vintana eo amin’ny rantsan-tanana ireny, na avy nanatona irony hoe mpahay miresaka amin’ny maty, dia izao no hitany vetivety foana aorin’izany ;ampahorian’ny fanahy ratsy ny zanany na ny tenany…ary indraindray izany dia mitatra ka manjary fahadalana (foka) mihitsy na mahatonga fahavoazana lasa adaladala, na indraindray tonga tsy mahay miteny na marenina. Satana tsy handroaka an’i satana ! Raha mamoha ny fonao ho amin’ny fombafomban-devoly hianao dia efa nandrava ny fefy rehetra fiarovana ny fiainanao sy ny fanahinao ! Ka tsy hahita an’Andriamanitra intsony hianao fa ny devoly ihany. Ary vetivety foana dia hohararaotiny ny fitoloranao ho azy. Ary be dia be ny olona sahirana dia sahirana lavitra amin’ny fialany amin’izany noho ny nidirany, raha ho afaka aza.
Toy izany irony hoe miresaka amin’ny fanahin’ny maty ets., izay mampiasa ny herin’ny devoly, hilaza vintana ets…Rehefa avy miasa amin’izany izy dia matetika marary mafy ary tena mangirifiry tokoa mandritra ny herinandro maromaro. Tsy mitsitsy ny manompo azy satana ! Maro amin’ireny mpiresaka amin’ny maty ireny no nangataka anay handroaka ny devoly ao aminy, satria ekeny fa marina tokoa izay lazainay ny amin’ny fijaliana mahazo azy, ka mitady fanafahana amin’izany izy. Rehefa nodidiana hiala tao aminy tamin’ny Anaran’i Jesosy ny demonia dia tonga olona afaka izy ; ka ny mpano fanafody mpimasy iray toy izany tany India Atsimo aza dia nangataka taminay mba hamela azy handoro ny bokin-tsikidiny sy ny odiny izy efa nahafatesany olona maro tamin’ny herin’ny devoly ! Vahoaka nivory akaikin’ny 50.000 no faly erỳ nahita ny nandorany ireny zava-doza ireny.
Raha manao fanandroana hianao, na manao sikidy karatra, na kodia kely na baolina kristaly sy ny toy izany, ets., na manana ody na boky momba ny fanao miankina amin’ny devoly, ka mitady ho afaka amin’izany hianao na ny zanakao dia tsy azo ialana ny handoro ireny zavatra ireny izay ao. Fa na oviana na oviana no misy zavatry ny devoly ao aminao dia hijanona ao aminao hiaro ireo azy ireo izy. Koa raha te ho voavonjy hianao dia tsy maintsy doranao ireo.
F. Moa raha misy olona manana demonia mety hisy fitsaboana avy amin’ny dokotera hahavonjy azy ve ?
V. Tsy misy fanafody na inona na inona mahavonjy ny olona toy izany
F– Inona no azon’ny mino atao raha misy olona any lavitra manana demonia ?
V– Tamin’ny andron’ny Apostoly, « ny tanan’Paoly dia nanaovan’Andriamanitra fahagagana lehibe maro, ka dia ny mosara sy ny fiaron’akanjo teny aminy no nentina hatao amin’ny marary dia sitrana ny aretiny, ary nivoaka ny fanahy maloto » (Asa 19 : 11-12). Ny devoly dia azo avoaka amin’ny herin’ny vavaka na dia lavitra aza ny olona «ny fiasan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra » ( Jakoba 5 : 16). Jesosy dia nilaza tamin’ilay vehivavy fa niala tamin’ny zanany izay tany amin’ny kilometatra maro lavitra tany (Marka 7 : 30).
F–Moa ny kristiana ve tokony hatahotra ny demonia sy ny mpamosavy ?
V–Tsia dia tsia. Ny mpanota izay mibebaka tamin’ny fahotany rehetra ka mandray an’i Jesosy ho tena Mpamonjy azy mihitsy dia tsy hatahotra ny demonia ; fa satana dia matahotra ny zanak’Andriamanitra, satria fantany fa isika dia manana fahefana nomen’ny tenan’i Jesosy Kristy antsika mihitsy, handroaka ny demonia sy ny asa ratsiny (Lio. 10 : 19 ; Marka 16 : 17).
Azafady vakio ireto teny ao amin’ny Baiboly manaraka ireto : Asa I : 5 ; Marka I : 15 ; Asa 2 : 38 ; IIKor. 7 : 10 ; I jaona I : 7 ; Apok 3 : 20 ; Asa I : 14 ; Lioka 24 : 49 ; Asa I : 5 ; Marka 16 : 17.
F–Rahoviana ny devoly sy ny demonia rehetra no ho voagadra mandrakizay ?
V–Ny devoly dia ho voafatotra mandrakizay ny arivo taona alohan’ny hanombohan’ny arivo taona hanjakan’i Kristy (Apok 20 : 1-3), ary avy eo dia hatsipy any anaty farihy afo aorian’ny ady farany hataon’Andriamanitra amin’i Satana rehefa tapitra ny arivo taona hanjakan’i Kristy (Apok 20 : 10). Manaraka izany dia havarina any amin’ny farihy afo sy solifara ny devoly sy ny demonia ary ny mpanaraka azy.
Ny karazana demonia voalaza ao amin’ny Baiboly :
Fanahy maharofy (Lioka 13 : 11)
Marenina sady raiki-dela(Marka 7 : 32)
Demonia jamba sady moana (Matio 12 : 22)
Demonia moana (Matio 9 : 32)
Demonia mamitaka (I Tim 4 : 1)
Fanahy mahavaly (mpilaza vintana) (Asa 16 : 16)
Fanahy ratsy (Lio 8 : 2)
Fanahy maloto (Lio 8 : 26-36)
Fanahy mampahory loatra (Mark 7 : 24-30)
Demonia androbe (Mat 17 : 15)
FISEHOAN’NY DEMONIA
Satria ny olona sasany tsy nahamarika ny hoe, manao ahoana no fiasan’ny devoly teo imason’i Jesosy, dia tsy azony an-tsaina koa fa raha misy olona tena manana fahefana marina amin’ny demonia, ny demonia dia hiala amin’ny minitra andidiana azy hiala amin’ny Anaran’i Jesosy , izany anefa dia tsy hita na dia teo anoloan’i Jesosy aza. Ny demonia dia miantsoantso, mamosaka hevitra, manamarin-tena ary mangataka mbola hijanona aloha vao manaiky ny didy ataon’ny Zanak’Andriamanitra !Ny sasany aminy dia manjera amin’ny tany ireo olona tratrany ka mitsikasina mandoa vory ireo. Ka izay natan’ny demonia teo anatrehan’ny Zanak’Andriamanitra, dia tsy maintsy hataony koa eo anatrehan’ny mpanompon’i Jesosy !
Raha misy didy ataon’i Jesosy dia tsy mba manova an’iny na manaiky fanamboarana momba an’iny izy, na dia mamango mafy sady mivatravatra aza ny demonia. Raha tsy miova isika amin’ny didy ataontsika ho fandroahana ny devoly dia tsy maintsy hiala izy rehefa didiantsika amin’ny Anaran’i Jesosy , tsy misy hafa amin’izay nialany tamin’ny nandidian’i Jesosy azy. Fa hoy Jesosy : « Indro, efa nomeko fahefana handresy ny hery rehetra ananan’ny fahavalo hianareo ka tsy hisy hampaninona anareo »(Lio 10 : 19 ; Lio 9 : 1 ; Mar 16 : 17).
OHATRA AVY AO AMIN’NY BAIBOLY NY AMIN’IZAY MANANA DEMONIA
Ny zanakavaavin’ilay vehivavy kananita, nampahorian’ny demonia loatra. (Mat.15 : 22; Mar.7:24-30) Nampahorian’ny fanahy maloto ny zanakavavn’ity vehivavy, ka tonga teo amin’i Jesosy io reniny io, ary na dia tsy nanaiky aza Jesosy tamin’ny voalohany, dia nikiry izy ka tsy nety niverina nody raha tsy nahazo famonjena. Tian’i Jesosy ny finoana mikikitra toy izany (Lio 18 : 1-8) « Ary hoy Jesosy taminy : Noho izany teny izany, mandehana hianao fa efa nivoaka tamin’ny zanakao vavy ny demonia. Ary raha tonga tany an-tranony izy dia hitany fa nivoaka ny demonia ary ny zanany vavy nandry teo ambonin’ny farafara »(Mar 7 : 29-30).
Fanahy maloto mampifanintontsintona ilay zanaka lahy tokana : « Indro misy fanahy mahazo azy, ka miantsoantso tampoka izy, ary ny fanahy mampifanintontsintona ny tenany ka mampandoa vory azy, ary sarotra ny fialany aminy ka mahatorotorovana azy … »Ary raha mbola nanatona izy, dia nampihinjitrinjitra sy nampifanintontsintona azy ny demonia ka nahatorovana azy, Demonia izay tonga mba « hamono sy handrava » (Jao. 10 : 10). Jesosy dia niteny mafy ny fanahy maloto ka nahasitrana ny zazalahy ; dia natolony an-drainy ».
Mariho : fa misy fanahy maloto maromaro…dia tsy iray ny fiasany. Ny iray tsy mba mandrovitra akanjo fa miantsontso na mivatravatra. Ny hafa kosa dia nitady hamono ka mandavo amin’ny tany ka mampifanintontsintona ary mahatorovana. Fa ny iray hafa kosa mampahory fatratra izay tratrany.
Tsy misy hafa amin’ny olona tsirairay samy manana ny toetra maha izy azy iavahany amin’ny hafa, dia toy izany koa ny fanahy ratsy, mba manana ny maha-izy azy manokana, ary manao ny asam-panimbany araka ny fomba itiavany azy avy. Ny demonia jamba sasany dia manajamba ny maso ka mandevona ny faritra fahitana ao amin’ny maso, fa ny sasany kosa mandevona ny maso mihitsy amin’ny aretina « kansera na fivontosana »…nefa na manao ahoana na manao ahoana ny demonia dia tsy maintsy manaiky ny zanak’Andriamanitra izy rehefa teneniny sy didiany amin’ny anaram-pandresen’i Jesosy Tompon’ny fahefana mba hiala. « Manome fahefana anareo handresy ny demonia rehetra Aho » (Lio. 10 :19)
IREO ROA LAHY NANANA DEMONIA TENY GADARENA…nitoetra teny amin’ny fasana, nasiaka dia nasiaka…Niantsoantso an’i Jesosy : « Tonga ety va Hianao hampijaly anay alohan’ny fotoana ? » Nodidian’i Jesosy izy hivoaka nefa nangataka izy mba halefan’i Jesosy hankao amin’ny kisoa. Dia hoy Jesosy « Mandehana » ka dia niala tamin’ny izy roa lahy izy ka dia sitrana ireo (Lio. 8 : 26-36)
Fanahy marenina sy moana nahazo zazakely anankiray (Mar. 9 : 25). Notenenin’ni Jesosy mafy ny fanahy maloto hoe : Ry fanahy moana sady marenina. Izaho mandidy anao : mivoaha aminy, ka aza miditra ao anatiny intsony. Ary rehefa ninananana izy sady nampifanintontsintona mafy ilay zazalahy dia nivoaka taminy ; ary efa toy ny maty izy ka nataon’ny maro hoe : maty. Fa nandray ny tanany Jesosy ka nanarina azy ; dia nitsangana izy ». Ny zanakao dia tsy hoe « manana aretin-kozatra » fotsiny, ary tsy afaka mijoro mivavaka amin’ny feo mafy – raha toa manomboka miantsoantso izy rehefa amin’ny Anaran’i Jesosy hiala ao aminy ny demonia fa matokia hianao fa misy zavatra mila havoaka ao aminy– koa asehoy tsara ny fahefanao amin’ny demonia ary didio amin’ny Anaran’i Jesosy hivoaka satana.
Zaza tratry ny hadalana (foka). « Matetika izy no mianjera ao amin’ny afo ary matetika ao amin’ny rano……Ary Jesosy niteny mafy ny demonia, dia nivoaka taminy izy ary ilay zazalahy dia sitrana tamin’izay ora izay ». « Mat. 17 : 15-18). »Iny karazana iny tsy mba azo avoaka afa-tsy amin’ny fivavahana ihany » (Mar. 9 : 29). Ireo zaza izay mianjerazera foana toa tsy misy fanantenana hahasitrana azy ireo, indraindray aza avy eny antrotroan-dreniny na avy eo ambony seza, na eny am-pandehanana dia mety midaboka foana amin’ny tany…izany dia tsy inona fa asan’ny demonia tsotra, ary tokony havoaka tsy hajanona ambara-pahasitrany tsara. Ilain’Andriamanitra hianao hampiasa ny fahefanao handroaka ny demonia…Tsarovy fa tsy hahay handidy an’i satana hianao raha mbola andevony…Raha mbola ao anatin’ny fahotana hianao dia angataho aloha ny hamonjen’Andriamanitra anao, diovy ny tranonao amin’ny fanesorana izay rehetra an’ny fahotana sy ny devoly. Ary amin’izay, fa tsy alohan’izay vao ampiasao ny fahefana izay omen’Andriamanitra izay rehetra zanak’Andriamanitra voadio tamin’ny ran’i Jesosy : « Hamoaka demonia amin’ny anarako hianareo » (Mar. 16 : 17).
Demonia marenina sady raiki-dela navoaka (Mar. 7 : 32) : « Niaraka tamin’izay dia nalady ny sofiny, sady voavaha ny fatoran’ny lelany, ka dia nahateny tsara izy ». Azon’ny demonia jamba sy moana : nositraniny (Jesosy izany) izy ka dia niteny sy nahita ilay moana (Mat. 12 : 22), ary nony navoakan’i Jesosy ny demonia, ka afaka nahita sy niteny niaraka tamin’izay ilay lehilahy dia talanjona ny vahoaka ka nanaiky an’i Jesosy ho Mpamonjy azy……Fa nony ren’ny Fariseo izany dia hoy izy : « Tsy misy amoahan’ilehiny ny demonia afa-tsy Belzeboba lohan’ny demonia ». Ary Jesosy nahalala ny eritreriny, dia nanao taminy hoe : Raha satana no mamoaka an’i satana, ahoana no aharetan’ny fanjakany ?……Fa raha ny Fanahin’Andriamanitra no amoahako ny demonia, dia efa tonga aminareo sahady ny fanjakan’Andriamanitra……Fa ny teninao no hanamarinana anao ary ny teninao no hanamelohana anao (and. 37). Ary na iza na iza no hanao teny hanohitra ny Zanak’olona dia hahazo famelan-keloka ihany, fa na iza na iza no miteny ratsy ny Fanahy Masina, dia tsy mba hahazo famelan-deloka na amin’izao fiainana izao na amin’ny ho avy. (and. 32). Jesosy dia namoaka ny demonia tamin’ny Fanahin’Andriamanitra, ka dia azontsika atao koa izany, satria izany Fanahy izany ihany no nomena ny Fiangonana (Asa 1 : 8 ; 2 : 4).
Demonia moana navoaka……(Lio. 11 : 14 ; Mat. 9 : 32-33) « Nentiny teo aminy (Jesosy) ny lehilahy iray nanana demonia moana, ary rehefa nivoaka ny demonia dia niteny ilay moana ; ka talanjona ny vahoaka ».
Fanahy maloto sy aretina……Maria Magdalena (Lio. 8 : 2) « izay efa nivoahan’ny demonia fito » Mariho : Mety hisy demonia mihoatra ny iray miara-mitoetra ao amin’ny olona iray. Raha iray monja amin’ireo demonia mamatotra ilay olona no afaka dia tsy mbola tena famonjena azy izany. Tsy tena famonjena raha tsy afaka avokoa izy rehetra. Rehefa afaka ny demonia, ilay olona nialany dia tsy maintsy mameno ny fiainany amin’ny Fanahin’Andriamanitra sy ny teny ary ny fitiavan’Andriamanitra, ary ny finoana an’Andriamanitra, fa raha tsy izany dia demonia fito ratsy lavitra noho ny teo no ho avy hibosesika indray…… »Ary ny hiafaran’izany olona izany dia ho ratsy noho ny voalohany ». Jesosy irery ihany no mahay manatanteraka ny fiarovana…tsy hisy demonia ho tafiditra ao amin’izay itoeran’i Jesosy (Lio. 11 : 18-26). Haleloia ! fa na dia ny anjelin’Andriamanitra aza dia hiady mba hiaro antsika.
Lamosina manjoko tsy afa-mitraka noho ny fanahy ratsy mampaharofy…vehivavy iray nanjoko nandritra ny 18 taona ka tsy nahatraka. Nanana finoana an’Andriamanitra izy ary tonga tao amin’ny tranon’Andriamanitra (nety ho isam-potoana)……Rehefa nahita azy Jesosy dia nanao taminy hoe : « Ravehivavy, afaka amin’ny rofinao hianao ». Dia nametraka ny tanany taminy Izy ; ary niaraka tamin’izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an’Andriamanitra. (Lio. 13 : 11-16). Tamin’izay ny Fariseo dia nanome tsiny an’i Jesosy satria nanasitrana ilay vehivavy tamin’ny sabata Izy……fa Jesosy namely hoe : « Koa ity vehivavay zanak’i Abrahama ity, (vehivavy manam-pinoana sady zanak’Andriamanitra) izay efa nafatotr’i satana 18 taona izao, moa tsy tokony hovahana ho afaka amin’izany fatorana izany amin’ny andro Sabata ve ? »
Tamin’ny toerana maro hafa Jesosy dia nandroaka ny tazo (Jao. 4 : 47-53 ; Mat. 8 : 14, ets. ) nefa tsy niantso ny demonia tahaka ny nataony tamin’ity vehivavay nanjoko ity…Tonga nahatraka tsara izy raha mbola tsy nanazava akory Jesosy fa ny demonia no nahatonga ny fanjokoana. Matetika izy dia niteny tamin’ny marenina hoe : « Maladia » sy tamin’ny jamba hoe : « Mahirata », ary ny maro hafa koa toy izany… tamin’ny sasany dia tsy nisy fanazavana ny nihavian’ny aretina…fa ny didy nataon’i Jeosy dia ampy mandrakariva hahatonga ny olona rehetra ho sitrana.
((page 25))
Fanahy mahavaly navoaka. (Asa 16 : 16-18 ; 25). Nisy ankizivavy anankiray nanana fanahy mahavaly nifanena taminay……niantso hoe : Ireo lehilahy ireo dia mpanompon’ny Avo Indrindra, izay manoro anareo lalam-pamonjena……Ary nataony tamin’ny andro maro izany. Ary sosotra Paoly dia nitodika taminy ka nanao tamin’ny fanahy hoe : Mandidy anao amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy aho hivoaka aminy. Dia nivoaka tamin’izany ora izany indrindra izy ».
Na dia misy fanahy milaza zavatra amintsika aza, dia tsy porofo akory izany fa avy amin’Andriamanitra izy, satria ny demonia dia mahalala zavatra ary mino nefa matahotra (Jakoba 2 : 9).
Mariho : Ny kilema hatramin’ny nahaterahana dia ho sitrana – fa raha ny demonia no tonga ka misakana ny tena tsy ho amin’ny toetrany ara-dalàna – dia tokony havoaka satana.
Raha tonga ao an-tranonao ny mangalatra……dia omenao alalana hitoetra ao izy raha toa heverinao ho sakaiza……fa rehefa hitanao fa tsy tonga afa-tsy hamono, hangalatra, ary handrava izy (Jao. 10 : 10)……miaraka amin’izay dia miova ny fandeferanao ka miantrana handroaka azy tsy ho ao an-tranonao intsony hianao.
Aza amindrana fo ny demonia raha miantsoantso izy rehefa havoaka. Jesosy dia tsy nalahelo raha nandidy ny fanahy moana hiala tao amin’ilay zazalahy, na dia namotraka azy io hitsinkasina ary handoa vory sy hihinana ny demonia……Jesosy dia nijoro niandry……ka dia nivoaka ny demonia ary ilay zazalahy dia nankeo amin’ny ray aman-dreniny sitrana tanteraka mihitsy.
Ny demonia dia tsy manana fahefana hikasika na ny iray amin’ny zanak’Andriamanitra aza, tahaka ny tsy ananan’ny mpangalatra alalana ho tonga amin’ny alina handroba ny trano. Tsy sitrapon’ny ray aman-dreny izany. Ary tsy sitrapon’Andriamanitra koa ny hamela ny zanany harary tratry ny aretina mahatsiravina toy ny kansera na fivontosana, ets…Fa asan’ny demonia ireny na dia tsy manana fahefana hikasika izay efa novidin’Andriamanitra aza izy, fa araka ny toetra maha-demonia azy izany dia « mpangalatra sy mpandainga. » izy ary tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handrava » (jao. 10 : 10). Tiany ny olona rehetra ho babon’ny laingany. Nefa Jesosy dia tsy hamela antsika ho tsy hahafantatra ny tetika ataony……ary noho izany dia hanambara amintsika izay hahazoantsika mandresy ny devoly isaky izay mitranga Izy. Jesosy dia tsy niteny tamintsika na oviana na oviana hampandroso ny « mpangalatra » raha miseho izy.
FIRY MOA NY DEVOLY METY HIARA-MIPETRAKA AO
AMIN’NY OLONA TOKANA ?
Hatramin’ny iray monja ka hatramin’ny « legiona » (izany hoe : 3. 000–6. 000) « Maria atao hoe Magdalena, izay nivoahan’ny demonia fito. » (Lioka 8 : 2) Lehilahy iray nahazo legiona. (Lioka 8 : 30)
Ao amin’ny Marka 1 : 26 dia misy lehilahy azon’ny fanahy maloto anankiray.
FAHAFANTARANA NY FANAHY MALOTO
Satria tonga indraindray tahaka ny « Anjelin’ny Fahazavana » Satana, dia efa nomen’i Jesosy famantarana mazava ny mpanaraka Azy mba tsy ho voafitaky ny « Amboadia amin’ny fitafian’ny ondry ».
Ny mpamosavy tany Egypta dia nahay naka tahaka ny fahagagana nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy. Nefa kosa tsy nahay nitondra famonjena izy ireo. Raha nitady vonjy i Farao dia nitaraina mandrakariva tamin’i Mosesy, ilay Lehilahin’Andriamanitra, mba hivavahany amin’ny Andriamanitra Velona. (Eksodosy 7 : 11, 19).
FOMBA HAHAFANTARANA NY FANAHY MALOTO
1. « Ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an’i Jesosy (Kristy tonga nofo) dia tsy mba avy amin’Andriamanitra » (satria ao amin’ny nofo no nandresen’i Jesosy an’i Satana tamin’ny alalan’ny fahafatesany tany Kalvary) (I Jaona 4 : 3)
« Izy no antikristy, dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka » (I Jaona 2 : 22)
2. « Ny voany no hahafantaranareo azy » (Matio 7 : 15, 16)
Ny olona izay tsy mahita fifaliana sy firaisana amin’Andriamanitra ao amin’ny fiainany manontolo manao rapa-dango sy finaritra amin’ireo toetra tsy marina, fa voasoratra ao amin’ny 2 Timoty 3 : 1-7, dia tsy avy amini’Andriamanitra fa voahazon’ny fanahy diso. (Na dia efa nanompo an’Andriamanitra nandritra ny taona maro aza izy, ohatra tahaka an’i Saoly mpanjaka, raha nivily lalana izy, ka tsy nanaraka an’Andriamanitra intsony, dia notabatabain’ny fanahy maloto ary saiky very saina tanteraka tamin’ny farany. ) Raha sendra hitanao fa voagadran’ny zavatra ratsy tahaka izany hianao, dia vakio I Jao 2 : 1, 2. « Raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy ilay marina » « Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina izy, ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra » (I Jaona 1 : 9).
Hoy Jesosy tamintsika, « Tandremo……fa hisy fahagagana famitahana……fandringanana no ho fiafarany » « Mitandrema fandrao hisy hamitaka anareo » ary raha manazava ny amin’ny andro ivelomantsika ankehitriny I Paoly, dia hoy izy, « Hisy olona tonga ary ny fihavian’ilehiny dia araka ny fiàsan’i Satana amin’ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin’izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy. Koa izany no ampanateran’Andriamanitra fiàsan’ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga, mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy mino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina » ( 2 Tesal. 9 -12).
Izay rehetra tsy mifanandrify tsara amin’ny tena fahamasinan’ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fahamarinany dia tsy maintsy havela…tsy mampaninona akory ny mety ho vokatr’izany na izay vola mety ho raisina amin’izany. Hoy Andriamanitra hoe : « Tsy tokony hiara-dia aza hianareo amin’izay olona manaiky an’Andriamanitra amin’ny vavany, sady mampiasa ny tenin’Andriamanitra aza saingy feno famitahana sy fanaovan-dratsy ary fahalotoana ny fiainany. »
3. Fandrao tsy manaraka tsara ny zanak’Andriamanitra amin’ireo fanahy ratsy ny fomba roa eo ambony, dia misy lalana fahatelo nomen’Andriamanitra hahafantarantsika ny devoly, izany dia atao hoe : « Ny Fanomezam-mpahafantarana » Jereo I Kor. 12 : 10). Raha tsy fantatrao izay vavaka tokony hataonao, matokia ny Fanahin’Andriamanitra izay hitarika anao hivavaka. (Rom. 8 : 26))
Jesosy dia namoaka devoly tamin’ny « Fanahin’Andriamanitra » (Matio 12 : 28) sy « Tamin’ny teniny ». (Matio 8 : 16)
Jesosy nandidy antsika koa hamoaka devoly : « Amin’ny Anarako » (Jesosy izany) (Marka 16 : 17). Maty Jesosy dia nitsangana tamin’ny maty indray mba hanantsika ny Fanahy Masin’Andriamanitra ao anatintsika mba hahazoantsika manao asa lehibe mitovy amin’ny nataon’i Jesosy tamin’ny alalan’ny Fanahy » (Jereo Ga. 3 : 13-15).
Nilaza Jesosy fa hanao ny asa mitovy amin’ny asa nataony isika, ary koa « hanao asa lehibe noho izany aza……satria izaho mankany amin’ny Ray » (Jaona 14 : 12)
Amin’izany raha mamoaka devoly hianao dia aza matahotra, ary ataovy tahaka izay hataon’i Jesosy raha eto imasonao ny Tenany……namoaka devoly Jesosy isaky ny nahitany ireny…ary isika koa dia tokony hamoaka devoly sy hanafaka ny mifatotra, tahaka ny nataon’ny Tompontsika……satria eto amintsika Jesosy ary izay fomba fiasany dia tsy maintsy tahafintsika koa, satria mpanompony isika.
Raha mamoaka devoly hianao, dia baikoy izy mba tsy hiverina na oviana na oviana……(Marka 9 : 25)
Matetika dia tsy mipetraka irery na anankiray ihany ny devoly……koa amin’izany dia miankina tokoa amin’ny famoahana ny devoly rehetra avokoa ny fanafahana ny tena manontolo, vantana sy saina……mety haharitra izany, nefa mety hiara miala daholo izy. Kanefa, indraindray, dia mety hisitrika ny sasany fa mbola te-hijanona, na dia efa lasa aza ny maro aminy. Nefa raha averimberinao ny baiko ka atao amin’ny feo henjakenjana dia ho fantatry ny devoly amin’izany fa manana fahefana nomena hianao araka ny maha mpino ny Tompo Jesosy Kristy anao.
Tadidio ary, fa rehefa tafavoaka ny devoly na tamin’ny ankizy madinika na tamin’ny olon-dehibe, ka nanjary nisokatra tanteraka ny fandrenesany, ary hita miharihary fa afaka mihaino mazava tsara ny sofiny, dia tsy maintsy ekena kosa fa noho izy tsy zatra nandre teny hatramin’ny nahaterahany, ity fahafahana tamin’ny herin’ny devoly ity dia tsy mety hahazony fahalalana sy fahendrena ara-pianarana. Raha olona tsy mbola nandre zavatra akory, na dia mahay soratra sy mamaki-teny aza, ary mahatsiaro fa efa sitrana ny sofiny, dia tsy maintsy mbola mandany fotoana elaela ihany amin’ny famantarana ny anton’ny feon-javatra ren’ny sofiny vao nisokatra izy. Toy ny mianatra tenim-pirenena……mandre ny feo hianao, kanefa raha misy maniraka anao hividy mofo na mibaiko anao hitsangana na hipetraka na hijery zavatra dia ho toy ny teniteny entin’ny rivotra foana izany satria tsy mbola nianatra ny anton’izany feo izany hianao. Tahaka izany koa ny olona izay tsy mola niteny……mety handany fotoana ihany vao afaka mampiasa tsara ny vavany sy ny lelany izy. Mety hanao hoatra ny feon-jaza mihitsy izy raha vao afaka ny hamoanany mandrapahainy mampiasa tsara ny lelany. (Mety ho tahaka izany ihany hianao raha vao manomboka mianatra teny Sinoa……mety hanao diso mahatsikaiky aza hianao)
Ny olona kely saina taloha……raha lasa ny devoly dia afaka mivoatra ara-dalana tsara ny sainy, kanefa mety ho elaela ihany ny fandrosoany amin’ny fianarany ny zavatra tsy takatry ny sainy taloha.
Maro ny olona mahatsapa fahafahana raha mbola mipetraka mihaino ny fitoriana ny Teny, ……raha misy amin’ny ankohonanao olona tsy ampy saina na manana demonia, aza avela ao an-trano izy fa ento aty hamonjy ny fitoriana ny Teny.
IZA MOA NO AFAKA HAMOAKA DEVOLY ?
1. Ny mpianatra dia namoaka devoly raha mbola tety ambonin’ny tany Jesosy. (Lioka 10 : 17) Taorian’ny Fiakaran’i Jesosy dia mbola namoaka devoly ny Mpino rehetra sy ny Mpianatra.
2. « ……ary ny olona maro avy tamin’ny vohitra manodidina an’i Jerosalema dia nivory koa, nitondra ny marary sy izay nampahorin’ny fanahy maloto ; dia sitrana avokoa izy rehetra ». Na dia tandidon’i Petera ihany aza dia namoaka ny devoly rehetra nandalovany. (Asa 5 : 12-16).
3. Filipo dia namoaka fanahy maloto tany Samaria. (Asa 8 : 7) « Fa ny fanahy maloto niantso tamin’ny feo mahery, dia nivoaka tamin’ny maro izay nanana azy. »
4. Ny mosara sy ny fiaron’kanjon’i Paoly namoaka devoly. « ny tànan’i Paoly no nanaovan’Andriamanitra fahagagana lehibe maro, ka dia ny mosara sy ny fiaron’ankanjo teny aminy no nentina hatao amin’ny marary dia sitrana ny aretiny, ary nivoaka ny fanahy ratsy »(Asa 19 : 11, 12)
Ny fandefasana mosara voahosotra ho an’ny marary dia mbola fomban’ny mpino sasany. Mbola tahaka ny teo aloha ihany Andriamanitra fa tsy niova ary mbola manaiky ny olona mandidy ny fanahy ratsy na atao izany amin’ny alalan’ny tenany na amin’ny alalan’ny mosara alefany.
5. Tsy mba naniraka olona hitory ny teny fotsiny Jesosy. Raha antsoina hitory teny hianao dia antsoina koa hamoaka devoly sy hanasitrana ny marary koa. Ny mpaminany rehetra ao amin’ny Testamenta Taloha izay nitory teny sy nitondra fotoam-pivavahana fotsiny dia nijaly tamin’ny fahatezeran’Andriamanitra. (Ezekiela34 : 4), (Matio 10 : 1, Lioka 9 : 1, Lioka 10 : 19, Marka 16 : 17-20)
6. Ny Mpino rehetra dia antsoina « Hamoaka devoly ». (Marka 16 : 17)
Tssy ny olona manana talenta manokana ihany no afaka mamoaka devoly……ny zanak’Andriamanitra rehetra dia mpiara-mandova amin’i Jesosy Kristy…… izay nataon’i Jesosy no azontsika atao koa raha « amin’ny Anarany ». (Marka 16 : 16, 17). « Indro, efa nomeka fahefana handresy ny herin’ny fahavalo (ny devoly) hianareo : ka tsy hisy hampaninona anareo akory » (Lioka 10 : 19)
Maharitra hoatrinona vao mety hiala ny
devoly ?
Misy miala « miaraka amin’izay », misy mandeha « ao antin’ny adiny iray », ary ny sasany dia miala ao amin’ny fotoana itoriana ny Teny. « Ary ny teniny ihany no namoahany ny fanahy ratsy ary izay marary rehetra dia nositraniny avokoa » (Mat. 8 : 16).
NY FAHAGAGANA HITA TAO AMIN’NY HOPITALY HO
AN’NY MARARY SAINA AO SAINTE CROIX AO AMIN’NY
NOSIN’NY VIRIJINA.
Namonjy ny fanompoam-pivavahana nataonay ny olona maro, antidahy sy antibavy izy ireo, avy tamin’ny hopitaly lehibe ao Sainte Croix, ao amin’ny Nosin’ny Virijina. Raha nahita izy ireo fa nositranin’Andriamanitra na dia ny marary be aza dia nangataka anay mba hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ny hopitaly mihitsy ho an’ny olona izay tsy afa-niarina teo am-pandriana.
Nanao fotoam-pivavahana teo amin’ny efitrano lehibe anankiray izahay ary endrey ny fifalian’ny mpitsabo raha nanomboka nitsangana ny olona izay tsy afa-nandeha akory efa an-tonany maro. Nahiratra ny mason’ny jamba, ary na dia ny mpitsabo azy aza dia sitrana tamin’ny aretina nivonto tao anatiny.
Satria tena vaovao mihitsy amin’ilay mpitsabo ity asa nataon’Andriamanitra ity dia heverinay fa tian’ny Tompo ho fantatry ity vehivavy ity izay azony hatao amin’ireo olona marary saina nokarakarainy ireo.
« Eny ary », hoy ilay mpitsabo, « Vohay ny varavaran’ny efitry ny tena adala. » Noheverin’ny mpiambina fa lasa adala koa ilay mpitsabo…ary tsy fanao akory izany na dia amin’ny fanaterana sakafo ho azy aza. (Nisy antibavy anankiray izy tsy nahaleo azy ny lehilahy telo raha nampiditra azy ao amin’ny efitranony. ) Hosokafana ve ireo trano ireo ?
Dia nanamafy izany ilay mpitsabo ; izany indrindra no heviny. Nialoha anay ny mpiambina dia tonga teo anoloan’ny varavarana voalohany. « Vohay ny varavarana », hoy ny mpitsabo. Tamim-pisalasalana lehibe no nanalan’ny mpiambina ny hidin-trano, kanefa tsy sahy namoha ny varavarana izy. Natosiky ny mpitsabo ny varavarana. Indro, nijoro teo ny antibavy anankiray ary hita fa raiki-tahotra tanteraka izy. Nijery ahy fatratra izy……nametraka ny tanako moramora tany an-dohany aho sady nibaiko mafy ny devoly rehetra mba hivoaka avy ao aminy amin’ny Anaran’i Jesosy . Dia hoy aho, « Lazao hoe : Jesosy »……dia hoy izy « Jesosy ».
Dia hoy aho indray « Lazao hoe : Jesosy ô, mamelà ny heloko rehetra »
……Dia hoy izy, « Jesosy ô, mamelà ny heloko rehetra ».
« Lazao hoe : Jesosy ô tiako hianao »……Dia hoy izy « Jesosy ô, tiako hianao. »
Hoy ny mpitsabo tamin’izay, « Tena fahagagana izy ity, satria tsy afaka nanonona na dia teny iray akory aza izy io, hatramin’ny nahatongavany teto ».
« Aoka hivoaka avy eto isika » hoy aho tamin’ilay antibavy.
« Tsy avelany hivoaka aho » hoy izy, « Eny hamela anao hivoaka izy satria indro eo ny mpitsabo »
« Ey «, fa vao izao no mba nidirany teto ».
Kanefa, rehefa namporisika azy mafy aho, dia nivoaka izy, afaka tanteraka.
Raha nitodika nibanjina izany varavaram-by voasokatra izany izahay sy ny efitrano foana ary ny marary afaka tamin’ny fatorany, dia endrey ny hafalianay raha nahatsiaro ny tenin’i Jesosy hoe, « Ny fanahin’i Jehovah, no ato amiko satria nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo izy……hanafaka izay nampahoriana ». Lioka 4 : 18). Ary raha nandehandeha nivavaka ho an’ny hafa koa izahay dia tsy nibaiko olona hanara-maso ilay antibavy intsony ny mpitsabo satria fantany fa sitrana tanteraka izy.
OLONA VOAN’NY FERY « CANCER ».
Nisy anti-bavy anankiray tao amin’ny hopitaly izany, izay saiky maty vokatry ny fandidiana azy tao amin’ny kibony……noverahina ny faritra nodidiana ka efa nihalo ny nofo, nahatratra hatramin’ny folo centimètres ny velaran’ny vava fery ary ny halavan’ny nodidiana dia namaky ny kibony manontolo, …tsy nety sitrana ilay cancer.
Tamin’ny alàlan’ny làlan-drà ihany no nampidirana sakado ho an-dRafotsibe fa tsy zakan’ny kibony na dia rano fotsiny aza.
Namonjy fivoriana ny zanany vavy…nandre ny amin’ny hery ananan’ny mpino rehetra handresy ny devoly tanteraka…hitany mazava fa na ny tenany koa aza izay efa mpino, dia nomena fahefana handresy ilay aretina nahazo ny reniny. Saiky tsy andriny ny hahamaraina ny andro fa rehefa tonga ny tamin’ny fito dia lasa nihazakazaka nankany amin’ny hopitaly izy. Reheta tonga tao an-efitranon’ny reniny izy dia nihohoka teo aminy ka niteny hoe : « Ry neny malala ô, tsy mbola nilaza ity taminao aho, mino aho fa afaka manasitrana anao Jesosy ». Dia hoy ilay anti-bavy « Izaho mino koa…adray izany fahararin’ny lanivoako ! » Niaraka tamin’izay raha nahita ny fahorian’ny reniny razavavy, dia nanomboka nibaiko ny devoly izy hivoaka amin’ny Anaran’i Jesosy . Indray mipi-maso dia nisinda sahady ny fahoriana ary afaka indray andro monja dia efa saiky sitrana sahady ilay fery nodidiana, nitanatana sy lo teo.
Ny mety ho raisinao avy amin’Andriamanitra dia miakina amin’ny fahasahiana sy ny finoanao. Aza manome tsiny an’Andriamanitra…manomeza tsiny ny tenanao ihany raha tsy vonona hampiasa ny hery nomen’Andriamanitra anao ho enti-manafaka ny tenanao. Raha voafatotry ny tady hianao ary nisy olona nanome antsy anao ka tsy manatsiny ilay olona nanome antsy anao……raha mipetraka fotsiny amin’ny izao hianao. Hianao irery no manan-tsiny, satria tsy vonona hampiasa tsy vonona hampiasa ny fiadiana mahavonjy eo am-pelatananao.Mila faharetana miasa indraindray vao mety miala ny demonia, kanefa amin’ny farany dia tsy maintsy mandeha izy noho ny herin’ny finoanao ny tenin’Andriamanitra sy ny noho hianao mibaiko azy amin’ny Anaran’i Jesosy .
NY OLONA IZAY TSY AFAKA MAMOAKA DEVOLY
Nisy fotoana anankiray monja izay tsy nahafahan’ny mpianatra namoaka devoly… dia hoy Jesosy « Noho ny tsi-finoanareo ».
Ny mpanota, ny tsi-mpino, ny mpivavaka amin’ny devoly na ny mpanompo sampy dia samy tsy afaka mamoaka devoly avokoa. Hoy Jesosy « Ary raha Satana no mamoaka an’i Satana dia miady an-trano izy, ary ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano ».
Ary nisy fito mirahalahy, zanak’i Skeva izay nikasa hamoaka devoly anankiray dia hoy izy « Mampianina anao amin’i Jesosy izay torin’i Paoly mba hivoaka » Kanefa namaly ny devoly hoe : « Fantatro Jesosy, ary fantatro koa Paoly ; fa mba iza kosa moa hianareo ? » Ary ny lehilahy izay nanana ny fanahy ratsy dia niantsambotra tamin’ireo ary nahery ka naharesy azy roa lahy dia nandositra niala tamin’izany trano izany ireo sady nitanjaka no voaratra. (Asa. 19 : 14-17).
Ireo izay manatona ny mpanandro, na ny mpamosavy mba ho afaka amin’ny fanahy mahazo azy… dia tsy hahazo fahafahana fa vao maika ho voa aza.
Ny hany fanafody tokana monja, momba ny fahazoana mamoaka demonia dia ny mahafoy tanteraka ny asan’ny devoly sy ny fahotana rehetra. Ataovy madio ny tranonao amin’ny asan’ny devoly rehetra. (Tsy azo atao ny sady ho tompon’ny devoly no ho mpanompony koa) Manaraka izany, dia mazotoa tsara mamaky ny Tenin’Andriamanitra hahitanao ny fomban’i Jesosy amin’ny famoahana devoly… Manana fahefana hamoaka devoly ny mpino…sady manao izany izy amin’ny Anaran’i Jesosy (Marka 16 : 17).
NOTA : Ny ray aman-dreny no mpiadidy ny famonjena ny zanany… Ny ray aman-dreny izay manompo ny devoly, dia tsy afaka mibaiko an’i Satana hivoaka. Raha mitady famonjena ho an’ny zanakao hianao dia tsy maintsy manaraka ny Tompo… amin’izay dia tonga hamonjy anao sy ny ankohonanao Izy. Misy olona izay mitady vonjy ho an’ny sofin’ny zanany marenina, kanefa tsy mafana fo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra velively izy, ary amin’izany, matetika tsy mitondra ny zanany akory izy fa maniraka olona hafa hitondra azy. Misy hafa koa izay mba tonga ihany kanefa tsy vonona hanitsy ny toetra miolikolika eo amin’ny raharaha ataony isan’andro sady tsy mahafoy ny fiainanao maloto.
Ry olona ô, tsy maintsy manapa-kevitra hianareo eo anoloan’ny vokatra tadiavinareo. Tsy azonareo atao ny manaraka ny devoly hatrany, raha manantena hahazo fahasalamana sy fahafinaretana ho an’ny tenanareo sy ny ankohonanareo. Ny miara-mipetraka amin’Andriamanitra ihany no handray izany. Tsy maintsy mifidy izay tianao ho azo hianao ary avy hatrany dia miainga hanaraka izany Tompo izany
FANDRESENA NY ARETIN-TSANTANA
Satria sady fototry ny fahotana no fototry ny tsy fahasalamana koa i Satana dia tonga Jesosy « handrava ny asan’ny devoly » (I Jaona 3 : 8) « dia nentin’ny olona tany aminy ny demoniaka maro : ary ny teniny ihany no namoahany ny fanahy ratsy, ary izay narary rehetra dia nositraniny avokoa ». (Matio 8 ; 16).
« Dia nentin’ny olona tany aminy ny marary rehetra izay azon’ny aretina maro samy hafa sy ny fangirifiriana, dia ny demoniaka : ka nahasitrana ireny Izy (Jesosy) » (Matio 4 : 24). Hoy Jesosy « Ity vehivavy ity dia efa nafatotr’i Satana izay valo ambin’ny folo taona » nefa teny iray iray monja avy tamin’Jesosy no nahafaka azy.
Hoy Andriamanitra « Satana… namely vay ratsy an’i Joba hatramin’ny faladiany ka hatramin’ny tampon-dohany (Joba 2 : 7). Nefa nositranin’Andriamanitra izy raha nivavaka ho an’ny namany.