Fifampizarana fijoroana vavolombelona

Eto no sehatra ahafahanao mizara amin’ny namana rehetra ny asa nataon’ny Tompo Jesosy teo amin’ny fiainanao.

Midina eny ambany raha hametraka Fijoroana Vavolombelona.

36 réponses

  1. Nirinasoa Mbolatiana dit :

    🙏Mpihaino sy mpamaly vavaka Andriamanitra
    👇Tantaraina anareo indray ny zavatra nataony tamiko.
    Nisy zavatra tsy maintsy nandaniana vola roa volana misesy izay.
    Nihafy be mihitsy noho izany.🤞
    👉T@alahady teo (afak’omaly): 2000Ar Sisa ny vola tao anaty poaketrako👌, tsy haiko koa izay mba tao an-tsain’i zandrinay Fa tokony najanona tany an-trano ilay izy dia kay natsofony tao anatin’ny poaketra nentiko nivavaka.
    💟Nisy rakitra 2 maraina de 2 Koa hariva , hanohanana mpanompon’Andriamanitra tao am-piangonana.
    Nalefako tam-pinoana ny vola natokana ho rakitra sy ilay 2000. 🙏Sady hoy aho t@Jesosy hoe tompon’andraikitra ny amiko Ianao Jesosy a.
    Mino aho fa tsy hamela ahy handry fotsy Ianao.
    💎Tena mahatoky Izy ry reto a.
    Tadidiko ilay vehivavy mahantra tao @baiboly nandrotsaka ny nananany rehetra iny.💥
    Harivan’iny ihany, nisy nanao commande ny entana amidiko izay efa somary nangingina.
    (Za moa mpiasa birao Fa sady manao vente en ligne Fa tsy dia tia ilay maka avance any am-piasana)
    Avotra aho.🤩
    Tian’ilay olona ilay entana rehefa nolivrena, dia mbola nanao commande 3 fois an’ilay teo izy.
    Mahavita ahy mandrampandray karama.💖
    💌Hafatra: Mianara mahatoky, manaova sacrifice ho an’i Jesosy. Mandehana @ finoana.💌
    Fa aza atao filan-javatra fotsiny anefa Izy.
    Mahereza daholo.✊✊
    An’i Jesosy irery ihany ny voninahitra.🙏 — reconnaissante.

  2. Rajaobelina Godefroy dit :

    Arahaba rahalahy sy anabavy. Ho voninahitr’Andriamanitra no hijoroako vavolombelona noho ny fahasoavana azoko t@ izy mivady mpanorina ny Fiangonana Jesosy Mamonjy. Zanaka ara-panahin’ny Rev Daoud mivady aho. Tany Antaninandro Ste Marie Kely no natao ny fotoam-pivavahana an-trano fony mbola tsy nisy ny Tempoly tao Ankorondrano. 12 taona aho t@’izany raha nandray ny famonjena, nilatsahan’ny Fanahy Masina ary afaka nanasitrana ny marary ambavahoana (coma) tamin’ny vavaka. Nanampy tamin’ny raharaha fanotofana ny honahona tao Ankorondrano sy fananganana io Tempoly io. Mme Daoud no nampianatra sekoly alahady anay ary Rev. Daoud no nanao batisa ahy tao Ankorondrano talohan’ny nandroahana azy niala teto M/kara. Afoheziko ny tantara: taorian’ny fianarako Sekoly Biblika dia nasaina niala tsy ho mpino aho. Noho ny fanetren-tena dia niala aho. Tsy manam-piangonana aho hatreto. Ny foko Jesosy Mamonjy tsy miova. Miandry ny fotoana hanatanterahako ny baiko 5 ao @ Mt 10:8 aho. Ny Fanahy mahery tao @ izy mivady no ato @ko.

  3. Anna dit :

    #2 31-03-2012 08:51
    Ny fifaliana izay omeny Jesosy ahy dia maharitra mandrakizay sady tsy azon’ny fahoriana na alahelo ho ravana izany satria toy ny loharano miboiboika ato anatiko.
    Citer

  4. Youbi dit :

    Tena tsy nahatsiaro aho hatramin’izao hoe manadino ahy ny Tompo, satria marina ny tenifikasany! KOA MATOKIA AZY IANAO E!

  5. Rinah dit :

    Mandalo ady mafy ah eo am fiainako amzao nefa za mahita oe isan ‘andro JESOSY dia tsy mitsahatra mampiseho zava mahagaga eo amin ‘ny fiainako sy mampahery ana. Dera sy laza ary voninahitra ho azy irery ihany. AMEN

  6. Andry dit :

    voninahitra Andriamanitra irery ihany no mbola ahafahako mijoro eto,ny zavatra nataon’ny Tompo tamiko dia izao,nisy fotaona aho tena sahirana be mihitsy ka nangataka taminy tompo aho fa tsy namaly ny vavaka natahoko Izy, nitohy nivavaka ihany aho, ka notedreny ny mpanompony ka taho no nilazany fa raha tsy mifady HANINA tsy mamaly vavaka Adriamanitra,de lasa aho nifady hanina iray andro,de niadry indray aho hoe efa namaly vavaka kosa izay Andriamanitra nefa mbola tsy niva ny olana teo amiko,mbola tsikivy aho fa mbola nifady hanina idray. intelo nifady hanina aho vao niva ny olako ka akory ny afaliko fa namaly ahy Jesosy teo vao tena nahazo hery aho ka izakiny mifady hanina aho dia mihaino ny fivavako izy ka izay nangatahiko dia nomeny ahy, mandrisika an aho mba hifady hanina sy hivavaka mafy ra misy olana na tsimisy, fa nitanjona dia tsimaitsy tonga any andanitra isika mahery mivavaka,amen

  7. Patricia dit :

    zaho ry havana dia tena mahatsapa fa manatrik’ady mafy mihitsy, kanefa dia tiako ny mampahery anao fa isaky ny makany ampiangonana aho dia mahatsiaro tena fa afa-po , amin’ny fampiononan’i Tompo aho,Misaotra Azy aho,Aleloia :sigh:

  8. SYLVIA RAMANAMAHAZO dit :

    Voninahitra ho an’Andriamanitra irery ihany no afahako mijoro vavolombelona eto anio. Nanomboka ny mois d’octobre aho de nalaina teo @ poste nisy ahy fa hanao renfort @ poste hafa 2 vavy izahay no nalaina teo. Nivavaka mafy tamin’ny tompo aho mba ho tafajanona eo @ ilay asa nanaovako renfort. Nandeha ny fotoana le asa nihakely hatrany ilay namako efa fixe teo @ilay poste. Tsy nitsahatra nivavaka foana nefa aho satria raha ny fandehan’ilay asa no jerena de mety hiverina teny @ ilay placeko taloha aho. Tsapako ny tompo mampahery ahy isan’andro hoe « Ny Zavatra rehetra dia hain’Andriamanitra » Tsy nety kivy aho satria nanomboka niainako io tenin’Andriamintra io. Ka na nihakely aza le asa dia tena marina tamiko fa ny zavatra rehetra dia hain’Andriamanitra, ary tsy izay miseho anio tokoa no hamaritra ny rahampitso raha tena mifikitra @ Andrimanitra isika. Tena hainy ny manao mihoatra noho izay nangatahintsika . Ankehitriny Fixe tanteraka eo @ ilay poste nanomboka ny 03 mars 2014 teo. Ny voninahitra dia ho an’Andriamanitra irery ihany.
    Citer

  9. RAMANAMAHAZO SYLVIA dit :

    Fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy (Deo 31/6) Koa « Aza matahotra ianao, fa momba anao aho; ary aza miherikerika foana, fa izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao @ tànana ankavanan’y fahamarinako Aho. (Isaia 41/10). Ireo ny toky omen’ny Tompo antsika entitsika hamakivavy ity taona vaovao 2014 ity indray. Koa matokia fa ny tenin’ny tompo tsy hiverina foana aminy raha tsy efa nahatanteraka izay nanirahana azy. AZA MATAHOTRA fa tsy mamitaka ny Tompo miteny izany aminao. Na inona olana na inona hamafin’ny fiainana tsy mitovy izany ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo an’Andriamanitra. Marina izany tsapako teo @ fianako izany fa andramo dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra Fa atolory ny Tompo ny fonao maneke azy @ alehanao rehetra fa AZO ANTOKA NY TOMPO. Ny olona antenaintsika mety handao antsika Fa raha Andriamanitra no antenaintsika @ fiainantsika AZO ANTOKA 100% fa tsy ho diso fanantenana izany isika.
    Citer

  10. SYLVIA dit :

    Mahereza daholo ao amin’ny Tompo! Tsarovy mandrakariva fa tianao Jesosy. Ny olona no mety mandao anao, mety hanilikilika anao fa Jesosy eo akaikinao foana. Tiany ianao « …. mpanompoko ianao efa nofidiko ka tsy mba hariako » hoy ny teniny aminao. Ary « Aza matahotra fa indro aho momba anao mandrakariva ambarapahatonga n’ny fahataperan’izao tontolo izao » Koa inona no tokony akivy e ! Tazony @ teniny ny tompo fa ho hitanao fa tsy mba mamitaka izy. Maro ny olana efa nosedraiko na t@ fianam-pitiavako izany na t@ tokotranoko fa ny zavatra tsapako hatra@ teo anilako foana ny Tompo. Ka hoy aho aminao hoe « Matoa ianao mbola toy izao, matoa ianao mbola mijoro de noho ny famidrampon’ny Tompontsika. Aza kivy izany fa mandalo ihany io e ! Tsy izay miseho anio akory no hamaritra ny rahampitso fa mbola ho avy ilay maraina vaovao e ! Antsoy Jesosy fa izy handamina ny halehanao rehetra rahavavy, ranadahy a ! mazotoa mivavaka an.
    Citer

  11. MIARY dit :

    Raisiko ho fifaliana hoa ahy ary ho voninahitr’Andriamanitra ny mitondra izao fjoroana vavolombelona izao eto anatrehanareo, : Tena mpihaino vavaka tokoa io Jesosy io ary tonga ara-potoana amin’ny famonjena antsika. Tamin’ny taona 2012 dia tapitra contrat tamin’ny orin’asa niasako aho ny volana mai ary dia tsy niasa nadritry ny 03 volana, rehefa nahita offre d’emploi aho dia nojereko ny daty fa efa tara aho , nefa nagataka ny famindrapon’Andriamaanitra aho dia nalefako ihany ny demande, Deraina Jesosy favoantso hano test aho ary hanao visite medical ny 04 septembre 2012 ihany. Ny 24 septembre aho dia vaoaray na dia betska ary ireo mpifaninana dia naneho ny voninahiny sy ny famindrampony Andriamanitra. amin’izao fotoana izao dia efa miasa efa ho herintaona izao ary ny fiainanay sy ny ankohonako da milamina tsara; Deraina Jesosy, afaka nianatra tsara ny zanako tonga ny rentrée scolaire manaraka
    Haleloia
    Citer

  12. Annick dit :

    voninahitra ho an’Andriamanitra irery ihany no hijorako vavolomelona eto, nandritra ny fotoana ela ela aho dia nampiasa ireny fanabeazana aizana ireny ary tao antin’izany dia marary an-doah sy miakatra tosi-drà foana, indray andro aho nandre t@ radio aram-pilazantsara iray fa fahotana eo natrehan’Andriamanitra ny fampiasana ireny ka tokony hibebaka izay olona manao izany, nitomany aho ry havana ary nibebaka tamin-dranomaso tamin’i Jesosy noho izany zava-bitako izany, indray alina ary aho dia nanonofy fa marary eo am-pandriana ary novangian’ny sampana misy ahy, ary rehefa niteny ilay Président ny sampana misy ahy hoe « hiara-hivavaka isika » dia nahita olona nanao akanjo fotsy lava aho ry havana nanatona ary nametraka ny tananany teo ambony ny lohako ary tamin’izay dia tsapako ho nisy zavatra nisinda niala tamin’ny vatako satria tsaroako ho narary ahy mafy ny lohako ary dia sitrana aho ry havana, taitra aho nony avy eo taitra ka akory ny hagagako fa maivana be aho, nisaotra an’i Jesosy tamin’ny foko rehetra aho ary ny voninahitra ho Azy fa hatramin’izao dia tsy niverina intsony ny aretiko fanina lava sy maray an-doha toy ny teo aloha. misaotra Jesosy.
    Citer

  13. Hajatiana dit :

    faly miarahaba anareo rehetra ny tenako.voninahitra ho an’Andriamanitra irery ihany no ijoroako vavolombelona eto,satria nanova ahy jesosy.olonatena panota aho (nangalatra,nis otro taoka,nifoka zavamahadonelin a,nonompo sampy,mpanirats ira fivavahana…sns)noho izany dia tsy tian’ny olona rehetra aho,indrindra fa ny fianakaviana,ma mory olona matetika aho fa hoe tratra nangalatra,naha zo aretim-po ny mamako tamin’izay.28/10/10anefa nanomboka tsapako fa namangy ahy ny tompo,nisaina ny handeha hivavaka aho tamin’izay,31/10/10alahady io nandeha nivavaka aho maraina sy hariva,niteny ny mpanompon’Andriamanitra hoe makanesa aty izay olona vonona hanolon-tena ho an’i jesosy,nandeha aho ka nandray an’i jesosy ho tompo sy mpamonjy ny fiainako.nanomboka teo toa olona hafa mihintsy no fahatsapako ny tenako,nisy hafaliana sy fahasambarana tao am-poko.natory aho ny alina,ny mariana dia efa nijoro vavolombelona tamin’ny olona izay nifanena tamiko,nihiratr a ny masoko ka fantatro fa satana no namatotra ahy,tena olon’afaka tanteraka aho izaotena fahasambarako ny mitory an’i jesosy fa velona izy .anisany mahatonga ahy hino an’i jesosy ny fanafahana nataony tamiko satria tsy nampoziko mihintsy ny famonjeny ahy.voninahitra ho an’Andriamanitra fa nantsoiny ho mpanompo ko aho ka hianatra ho mpitandrina afaka 1 volana;AMIKO DIA ANY AN-DANITRA NO arrivé.velona jesosy ka ho toriko manerana izao tontolo izao.AMEN
    Citer

  14. Ando dit :

    bjr daolo, voninahitra ho an’i Jesosy f nivaha soamatsara le olana tam asako, misotra an’izay rht nitondra ambavaka d ny Tompo anie hamaly fitia anareo. Aleloia
    Citer

  15. Antsa dit :

    Citation en provenance du commentaire précédent de ando:
    za reto mb hoento ambavaka mis olana be am asako an!

  16. Lisa dit :

    Fiangonan-drazako JM, maty ao @ Tompo ny raibeko avy @ raiko sy ny renibeko avy @ reniko. Mbola mijoro ho mpino mahatoky kosa ny vadin’izy ireo na dia efa mihoatra ny 80 taona avy aza. Efa voatolotro ho an’ny Tompo koa ankehitriny ny zanako 3 mianadahy. Vonona ho JM hatramin’ny fara-fofonaiko aho ary saro-piaro ny @ izany. Ndeha re haverina hirehitra indray ilay afon’ny Jesosy Mamonjy. VAHOAKA SADY MASINA NO MALALA…
    Citer

  17. Ando dit :

    za reto mb hoento ambavaka mis olana be am asako an!
    Citer

  18. Ando dit :

    bjr, samia mahery daol f raha tsy mis ny ady ts mis ny fandresena e!
    Citer

  19. Razanabololona hario dit :

    faly miarahaba antsika rehetra n tenako nohon’ny famindrapon’iTompo de ny zavatra nataony tamiko zay tsy haiko ny tsy hitantara na de sombiny ihany aza !

    eny fa nadia mania sy maditra aza aho sy ratsy indrindra teo anatrehany de nohenoiny vavaka izay nataoko teo @ fitadiavana asa teo@ fahasalamana indrindra ny tombon’andro izay homeny ahy

    misy nakiray vao nitranga afak’omaly toy izao ary:
    nandeh nampanao photocopie teny analakeky ny tenako niresaka t@ ilay madame nanao hue: ireto zavatra ireto ataovy photocopie de firy hoy izy nanotany de nolazaiko azy jereo fa agrafe de5 isany hua le izy de aza ankorontana fa averina ohatran filaharany ihany mbola tsy tapitra ankor de nanontany azy indray ahu manao relieur ihany koa ve ianareo de nanaiky izy arakarakin’ny isany page hoy iz ny vidiny de namaly aho hoe: 31 page zany fitambarany 6000fmg hoy izy zany de nilaza aho fa misy zavatr hataoko vet2 fa miverina za mandrapaha vitany
    nohony niverina anefa de izao nu zavatra nitranga refa vitany ilay boky de akory ny hatairako fa lasa boky dimy be izao no nataony! de nanontany zao fa nga hoa 5 ny boky nasaiko nataonao de namaly izy hoe ieenao hoy iz nilaza fa atao 5 de niezaka namerina ny fanazavako t@ voalohany aho nefa tsy nahazo rariny satria nifanampy zareo mpiasa tao satria sendra tao ilay patron tompony izao anefa tsy manana afa tsy 25000fmg taty amiko anefana azy tsy maintsy alainao daholo ireo hoy ilay patron fa fatiatoka ho anay! tsy hitako izay noraisina sy natao fa ny ranomasoko no nilatsaka tsy tana nohon’ny alahelo b tato amiko namonjy nipetraka aho no indro nisy tovolahy anakiro nahita ahy sy ref nilazako ny zavatra nitranga de nokasihin’andriamanitra ny fony ka nahavita nevafa ny ambin’ilay vola tokony ho alohako 83750fmg ny fitambarany teo aho de nisaotra an’andriamanitra ary tonga saina fa hay kay ireny zavatra ataontsika @ hafa ireny na de kely aza de mivaly @ ora sy fotoana tena tsy ampoizina sy @ ilavanao azy! koa manentana aho sy manome lesona kely hoantsika aza reraka na kivy manampy ny hafa fa manampy anao ihany koa ny tompo ary lehibe lavitra mihoatra izay vitanao
    hoan’andriamanitra irery ihany anie ny voninahita
    amen! 🙂
    Citer

  20. Youbi dit :

    Tena tsara ny Tompo amin’izay miankina aminy;Aleloia!! !!!!!
    Citer

  21. SR EMMA J S MAYOTTE dit :

    Deraina ny Tompo Jesosy nohon’ny fahasohavany, hahazohako mijoro vavolombelona etoana ho voninahitrin’ny Anarany tamin’ny taona 1974 dia nanempo savoka ny zanako lahy iray rehefa tena nihempo tsara iny ilay izy dia nifamadika ny tavohangy noraisiny raha tokony ilay tavohangy nisy petrole no narotsany tao dia ilay tavohangy nisy essence no voharotsaka nipoaka be ilay izy ka avy dia nidedaka be ny afo ary tafavoaka ny varavarana ny lela afo; ny zanako roa tao anaty afo tao; ny tenako tsy nahetsika fa nitsotsotra teo amin’ny fandriana aho satria nihetsin-jaza aho. Teo anoloan’izany ny tenako dia niantso an’i JESOSY: tonga dia maty ny afo tsy nasiana vovoka na rano fa ny Anaran’i JESOSY TOMPO DIA MATY NY AFO . VONINAHITRA HO AN ‘ ANDRIAMANITRA IRERY IHANY FA MAHERY NY ANARAN’I JESOSY TOMPON-TSIKA AMPY HAMONJY ANTSIKA AMIN ‘ NY ZAVA TSAROTRA REHETRA. AZA MISALASALA MIANKINA AMIN’IO ANARANA IO FA TOMBON-TSOA HO ANTSIKA NY FANANANA AZY, ANEFA TSY MAINTSY MIBEBAKA ISIKA ARY MANDRAY AZY HO TOMPO SY ANDRIAMANITRA. ALLELOIA
    Citer

  22. Andriason dit :

    Maro ny fiainana nandalovana tao no nafinartra,tao ny mamay, tao manahirana ,tao kou ny alahelo, fa izany hoe Ny fahasoavan’tompo nombola na toy izao ahy…Ao @ Jesosy irery ihany no tena fiainana…fifaliana sy fiadanana tsy faritan’ny zava misy fa ny finoana.

  23. Youbi dit :

    Jesosy no andrian’ny fiadanana sy loharanom-pahasambarana, fatiantoka ho an’izay mivezivezy ka tsy miraika amin’ny antsony!!!!Maha tsapa izany aho amin’izao fanompoko ny Tompo izao ka izany no hiderako Azy sy mampifaly ahy na dia mafy aza ny adiko!!!!
    Citer

  24. Youbi dit :

    Tsara ny mahatoky ny Tompo, aza matahotra ny amin’izay ho avy ianao fa Andriamanitra dia vatolampy maharitra mandrakizay, tsy mihetsika na miovaova Izy fa azo hianteherana!!! !!!
    Citer

  25. Daddy dit :

    MAHEREZA, TIA ANAO JESOSY! TSY HAMELA ANAO IRERY IZY
    Citer

  26. Youbi dit :

    Aza miandry ela fa zao ankehitriny izao dia ataovy izay asain’Andriamanitra ataonao ary angataho itomanio eo an-tongony izay tinao ho tonga eo amin’ny fiainanao fa ataon’i Tompo ho anao izany, satria tiany loatra ianao ary efa tiany fony vao tsy hary akory aza!!!!!Maherez a an!!!!
    Citer

  27. henintsoa dit :

    Ry havana malala ,tsara io Jesosy io fantany izay mahasoa ny zanany izay mametraka ny fiainany mandrakariva eo am-pelatanany. Noho izany mahereza ary aza miherikerika foana fa momba anao Izy. 😳
    Citer

  28. Youbi dit :

    #9 youbi 15-05-2012 17:27
    Mandalo fahakiviana sy fahadisoam-panantenana ny zanak’Andriamanitra indraindray, zao anefa ny fiadiantsika tsy amin’ny nofo fa amin’Andriamanitra handrava fanorenana mafy!!!Mahereza ianao ary matoky ny Tompo fa fantany izay tsara sy mahasoa anao !!!! 😥
    Citer

  29. Youbi dit :

    Eternel, mon Dieu! je cherche en toi mon refuge; Sauve-moi de tous mes persécuteurs, et délivre-moi.
    Mes amis tous ce qui arrivent dans la vie, croix en Dieu, parceque celui seul qui pourra sauver !!!!
    Citer

  30. Rindra dit :

    😆 Ampifaliana indray no ampaherezako anao anio 08/05/12 fa tena mihaino ny fitarainako ny Tompo. Nila famonjene faingana Taminy aho ny alatsinainy 07/05/12 lasa teo nohon’ ny adiko mafy dia mafy. Tsy niandry ela fa tamin’ ny fotoana nilako izany indrindra no tonga ny valin’ ny fangatahako. Isaorana ny Anarany Masina.

    Aoka hino Azy fotsiny ianao
    Citer

  31. Henintsoa dit :

    Nandray fahagagana tamin’i Jesosy aho , ka izany no hozaraiko aminao , satria 😮 : Raha nandeha nivavaka ny tenako tamin’ny alahady lasa teo dia tsapako maina toa tsy manam-pifaliana sy feno ahiahy be aho, voninahitra anefa ho an’Andriamanitra fa rehefa tonga ny fotoanan’ny toriteny dia ny momba ahy avokoa ny voalaza tao, ary feno fifaliana aho satria velona hanao zavatra ho ahy JESOSY ry havana malala !Aleloia!!!
    Citer

  32. Youri dit :

    Tsara Jehovah amin’izay miankina aminy. Rehefa niantehatra tamin’i Jesosy aho ry havana dia nahatsapa fa zao , asehony ahy ny fahatsarany , dia ny fitahiana sy ny fahasambarana maharitra ary ny fahombiazana amin’izay rehetra ataoko!Ary ianao aiza ho aiza ny toerana misy anao zao , manantona Azy dia asehony anao ihany koa ny fahatsarany. 😐
    Citer

  33. Ando dit :

    Jesosy no famonjena ahy Izy no Andriamanitro mandrakizay, mandrakizay, raha mbola velona koa ny aiko dia hanompo Azy aho satria tsy misy mahasolo izay efa natoaony ho ahy, ny hiverin-dàlana ve? ataoko lavitry ny programme-ko mihitsy. AMEN !
    Citer

  34. youbi dit :

    Raha ny tenako dia tena mahatsapa fa afa mihintsy ny fifaliana omen’i Jesosy ahy na tsy manana na inona na inona aza aho!aleloia. 8)
    Citer

  35. RINDRA dit :

    #1 27-03-2012 13:26
    😆 without jesus Christ we can’t do nothing!
    As i am yong, I need somebody whose I share my problem and my desire but I didn’t found someone who is able to suporte my problem and take care of me. But in one time I have seen by His visit that He is a real Friend.
    All things is in Jesus Christ.What you need and good for you is to come close to Christ.
    Citer

  36. Harisou dit :

    I am satisfied with Jesus but the question comes to me as I think of Calvary: IS MY JESUS SATISFIED WITH ME???
    IS HE SATISFIED WITH YOU???
    Citer