Boky sy Trakta

0

Ny fanasitranan’Andriamanitra anao

Nosoratan’i M. A. Daoud Evanjelistra Fanasitranana avy amin’Andriamanitra Ho anareo rehetra Hoy Jesosy : “ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo. ” Andriamanitra izay nahary antsika no mahalala bebe kokoa momba ny vatan-tenantsika noho ny olombelona. Nokarakarainy ny fanasitranana ho an’izay rehetra vonon-kandray izany, araka ny fomba fanomezany izany. Ny fofon’aina nomen’Andriamanitra no iainantsika sy...

Mety ho sitrana ianao

Ny Baiboly no fitambaran’ny tenifikasana sy ny didy… Mampiseho ny fomba hiaraha-mandeha amin’Andriamanitra ny didy, ary manambara amintsika ny fitahiana izay atolotr’Andriamanitra kosa ny tenifikasana. Ny hahavoavonjy anao aloha no zavatra mahaliana anay voalohany indrindra, ary rehefa izany dia tonga  « zanaky ny tenifikasana ianao », zanak’Andriamanitra. Hoy ny Baiboly : Ny tenifikasan’Andriamanitra dia Eny sy Amena ho an’izay rehetra ao amin’i Kristy Jesosy. Na iza na...

0

MITONDRA FIAINANA NA FAHAFATESANA NY SAFIDINAO

Mitondra Fiainana na Fahafatesana NY SAFIDINAO Nahoana no marary ny olona ka na ny dokotera, na ny vavaka dia tsy afaka hanampy azy ? Nataon’Andriamanitra hitovy Aminy ny olona hatramin’ny voalohany… Tsy mety maty, na marary, na nisy ota. Nandeha tsara ihany avokoa ny zavatra rehetra nandritra ny fotoana tsy dia voafetra, mandra-pitenin’i Satana tamin’i Eva sy nanontaniany azy hoe : « Nilazan’Andriamanitra...

Paska iray tsy hay hadinoina tany Martinika

Martinika dia nosy frantsay any amin’ny ranomasin’i Karaiba, ao amin’ireo nosy vitsivitsy ao atsimon’i Portoriko. Manana helo-dranomasina malalaka sy mahafinaritra izy io. Mangamanga maha-te hizaha aok’izany ny ranony, fatratra ihany koa ny toetrandro, ary ny zava-maniry dia mahatonga ity nosy kely ity ho toy ny paradisa. Noho ireo antony ireo dia maro amin’ny mpanakarena avy any Eoropa no tonga mandany...

Ny fomba hidirana ny lanitra

 Mba tsy hahadiso làlana anao, na mpivavaka ianao na jentilisa, na iza na iza mamaky ity, dia indro atoronay anao amin’ny Anaran’i Jesosy Tompo ny fomba hidirana ny lanitra  Ary hoy Jesosy tamin’ny olona : Miseseha hiditra amin’ny vavahady ety ianareo ; fa hoy izaho aminareo : Maro no mitady hiditra fa tsy ho afaka. (Lioka. 13 : 24) Maro ny olona no manao...

Loza ho an’ny fitafiana hafahafa

« Ary izao no hiseho amin’ny andro hanaovan’i Jehovah ny fanatitra, dia hovaliako ny lehibe sy ny zanaky ny mpanjaka mbamin’izay rehetra mitafy fitafiana hafa ».Zefania. 1 : 8. Efa nandinika lalina Andriamanitra ka manan-kolazaina tokoa ny amin’ny zavatra inian’ny ankabiazan’ny olona tsy jerena, izay mihevitra fa tsy miraharaha ny fomba fiankanjony Andriamanitra sady manala tsiny ny tenany amin’izany izy ireo ka...

Lalana ROA

“Midira amin’ny vavahady èty ianareo, fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana mankany amin’ny fahaverezana, ka maro no miditra any. Fa èty ny vavahady, ary tery ny làlana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy” (Mat. 7 : 13-14) Lalana roa Iza amin’ireo no hofidianao? Teraka tamin’ny ota ny olona rehetra, sady manana toetra tia ota satria taranak’i...

Raha fantatra fa ho avy anio alina Jesosy

« Koa miomana kosa ianareo fa amin’ny ora tsy hampoizinareo no hiavian’ny Zanak’olona. »Matio. 24 : 44 RAHA FANTATRA FA HO AVY ANIO ALINA JESOSY ! Poa toy izay dia ho feno olona mivavaka ny fiangonana ; Ho foana ny trano fijerena sary mihetsika (sinema), ny toeram-pisotroana zava-mahamamo, ny toeram-pandihizana sy ny toeram-pilalaovana ary ny toeran-kafa tsy araka an’Andriamanitra ; Tsy hisy...