Mety ho sitrana ianao

Ny Baiboly no fitambaran’ny tenifikasana sy ny didy… Mampiseho ny fomba hiaraha-mandeha amin’Andriamanitra ny didy, ary manambara amintsika ny fitahiana izay atolotr’Andriamanitra kosa ny tenifikasana.

Ny hahavoavonjy anao aloha no zavatra mahaliana anay voalohany indrindra, ary rehefa izany dia tonga  « zanaky ny tenifikasana ianao », zanak’Andriamanitra. Hoy ny Baiboly : Ny tenifikasan’Andriamanitra dia Eny sy Amena ho an’izay rehetra ao amin’i Kristy Jesosy. Na iza na iza tonga ao amin’i Kristy Jesosy dia zanak’Andriamanitra, ary ny tenifikasan’Andriamanitra rehetra dia Eny sy Amena ho an’izay rehetra ao amin’i Kristy Jesosy toy izao tenifikasana izao : « Izay mamela ny helokao rehetra ary manasitrana ny aretinao rehetra… » ary :  « Izaho no Jehovah Andriamanitrao izay mahasitrana anao… », «  Ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika … » Teny fampanantenana ireo. Mamela heloka Izy sady manasitrana koa… ka hoy Andriamanitra : « Eny sy Amena ho an’ny fanasitranana anao…raha mino sy manaiky izany ianao ! »

Passion Of Jesus Christ – Hammer And Bloody Nails And Crown Of Thorns On Arid Ground With Defocused Background

Raha tonga ao an-tranonao aho ka miteny aminao hoe : Noana aho, ka nitondranao zavatra hohanina… dia tsy ho afa-po mihitsy aho mandra-pandraiko iny ka hampidirako azy ao am-bavako… Toraka izany mihitsy ny tenifikasan’Andriamanitra ! Vonona hanasitrana anao Andriamanitra ! Nampanantena Andriamanitra fa hanasitrana anao… Sitrapony ny hanasitrana anao. Efa tonga Jesosy  hanao ny sitrapon’ny Ray ! « Ary nandehandeha nanao soa Izy nanasitrana ny marary ary nanafaka izay nampahorian’ny demonia ».

Tonga nampiseho ny sitrapon’Andriamanitra ho an’ny tsirairay avy Jesosy. Voafetra tamin’ny fanatrehany ara-batana Izy tamin’izany fotoana izany, ka noho izany no nifidianany mpianatra ary nanirahany azy teny tontolo eny… Naniraka fitopolo lahy Izy taty aoriana hanampy ny 12 lahy izay efa niaraka taminy…Ary niteny tamin’izy ireo Jesosy handeha eran’izao tontolo izao kahitory ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra… hanasitrana ny marary, hamoaka demonia, efa nahazo maimaimpoana ianareo koa manomeza maimaimpoana.

Ny andro farany talohan’ny hiakaran’i Jesosy any an-danitra dia mbola namerina nanao toy izany indray Izy. Nisy olona tokony ho 500 no nanatrika teo… Naniraka azy ireo Izy handeha eran’izao tontolo izao, ka hitory ny vaovao mahafaly dia : Kristy maty noho ny fahotantsika ary nitondra ny dian-kapoka ho fanasitranana antsika… Na iza na iza no « mino » ny teninareo, ary miverina ho amin’ny Tompo… dia hanaraka azy izao famantarana izao, dia ny mpino izany ! Izany no antony mahatonga anay hitory aminao voalohany indrindra dia ny hahatonga anao ho  « mpino » ary hanaraka anao ireto famantarana ireto : « Hametra-tànana amin’ny marary ianao ka ho sitrana ireny ! Hivoaka amin’ny anaran’ i Jesosy ny demonia ary na inona na inona antony nahatonga azy… dia azontsika avokoa amin’ny anaran’i Jesosy, satria Jesosy efa nandresy ny aretina ary efa noresen’i Jesosy koa ny devoly  izay anisan’ny mahatonga ny aretina be indrindra.

Tsy nisy aretina talohan’ny nanotan’i Adama sy Eva…Tonga Jesosy ary maty teo amin’nyhazofijaliana mba hanaisotra ny ota sy ny vokany ! Koa hitanao amin’izany… Minoa izany fampanantenana izany ! Tokony hino ianao fa efa nanao tahiry ho amin’ny fanasitranana anao Jesosy… Koa tokony hampihatra izany fampanantenana izany ho anao ianao…

Manàna finoana an’Andriamanitra amin’izao fotoana izao. «  Ny zavatra rehetra diahain’Andriamanitra » ary ny « zavatra rehetra dia hain’ny mino » .

Andriamanitra no namorona antsika, ary tia antsika indrindra Izy ka nomeny ny  Zanany lahitokana ! Hoy ny Baiboly :  «  KOA TSY OMENY ANTSIKA MIARAKA AMINY KOA VA NYZAVATRA REHETRA ! » Jesosy no Ilay tena sarobidin’Andriamanitra indrindra… Tena tsotra dia tsotra amin’Andriamanitra ny manasitrana. Minoa fa mahatoky Andriamanitra… Minoa fa Jesosy dia mitovy amin’izay lazainy !

Hoy ny Baiboly :  « Jesosy Kristy no tsy miova, omaly sy anio ary mandrakizay ». Onena ny marary Izy raha tety ambonin’ny tany. Koa satria tsy miova Jesosy, dia tsy miova koa ny fitiavany, tsy miova ny fony, toy izany koa ny fangoraham-pony ! Nanasitrana ny marary Izy mialoha ny nahafatesany ho antsika ; Ary manana fahefana bebe kokoa Izy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty…  « Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany ». Deraina ny Tompo ! Toerana tsaratsara kokoa no misy an’i Jesosy amin’nyfanasitranana amin’izao fotoana izao noho Izy nandehandeha tety ambonin’ny Tany !

Mino ny fitsanganan’ny maty isika ! Ary satria Andriamanitra mahatsangana ny maty…dia mialoha ny fitsanganana amin’ny maty ny fanasitranana ! Tsotra amin’Andriamanitra izany. Raha mino ianao fa an’Andriamanitra ny fananganana amin’ny maty ny marina sy ny ratsy fanahy…dia afaka manome fananganan kely ho an’ny nofonao Izy ankehitriny ! Afaka manome aina ny tànanao malemy Andriamanitra ; afaka manampy hery ny tongotrao malemy Izy…Hoy ny Baiboly : « Araka ny herin’Andriamanitra no hihetsehantsika sy hiainantsika… » Izy no mitana ny Kintana, ny Volana, ary tazonin’ny HERINY eo amin’ny habakabaka izao tontolo izao ! Ny fiainanao isa-minitra dia noho ny herin’Andriamanitra. Noho izany , aoka hino isika anio. Aoka isika hino fa mahavita ny zavatra rehetra Andriamanitra… Ary amin’ny fontsika manontolo no aoka hanehoantsika Aminy fa mino Azy isika !

Lazao hoe : Jesosy ô , mino aho fa tsy mandainga Ianao ; Sitrana aho noho ny dian-kapoka taminao ! Mahay manasitrana ahy Ianao… Hoy ianao hoe : « Raha mangataka zavatra na inona na inona amin’ny anarako ianao dia hataoko izany ». « Mangataha dia omena ianao, dondony dia hovohana ianao, mitadiava dia hahita ianao », « mangatahazavatra lehibe mba ho tanteraka ny fifalianao »

Izany no sitrapon’Andriamanitra ! Hoy Jesosy : « Indro Aho tonga hanao ny sitrapon’Andriamanitra ! » Tonga hanasitrana izay rehetra marary sy ampahorian’ny demonia Izy… Tsy misy na dia iray aza nanatona an’i Jesosy mba hitady fanampiana ka nolaviny… Ary tsy nisy koa olona izay nataon’i Jesosy narary ! Ary efa mba nisy teny novakianao ve milaza fa nisy toerana izay nalehan’i Jesosy indray mandeha ka nampaharariany olona ? Tsy mbola nisy… Fa nositraniny avokoa izay rehetra nanatona Azy

Te-hanasitrana anao ny Tompo izao ! Hampitomboin’ny Tompo ny teny fampanantenany , ary tamin’ny taranaka maro nifandimby dia nanaraka ny olona an-tapitrisany maro izay ninoireo famantarana ireo !

Misy olona maro izay manana fanambarana velona ny amin’ny fanasitranana avy amin’ny herin’i Jesosy ! Izay nataon’Andriamanitra tamin’ny hafa dia azon’Andriamanitra atao aminao ! Mahavita ny zavatra rehetra Jesosy !