Torohevitra maromaro ara pahasalamana, Bro Daoud, Jesosy Mamonjy Ankorondrano
Fampianarana momba ny fitandremam-pahasalama, ny fifadian-kanina sy ny sakafo. Mahasoa ho an’ireo manana aretina lehibe toy ny Tension, ny Cancer
par Lalamasaka Hatry ny Ela · Published 2 mars 2022 · Last modified 3 mars 2022
Fampianarana momba ny fitandremam-pahasalama, ny fifadian-kanina sy ny sakafo. Mahasoa ho an’ireo manana aretina lehibe toy ny Tension, ny Cancer
Ny didy lehibe indrindra nomen’ i Jesosy ny mpanaraka azy mialoha kelin’ny hiakarany any an-danitra dia izao : “Miandrasa mandra-panafiana anareo amin’ ny hery avy any ambony, ary MANDEHANA ANY AMIN’ IZAO TONTOLO IANAREO, KA MITORIA NY FILAZANTSARA AMIN’ NY OLOMBELONA REHETRA”. Io asa io dia ho an ny zanak’Andriamanitra tsirairay avy… Ary isika rehetra tokony hiasa ny asa mandra-pijinja ny vokatra manerana izao tontolo izao....
Mety ho fantatra amin’ ny karazam-boky vakiany ny olona iray. Ny antony dia satria ny karazam-boky vakian’ ny olona mandrakariva no mitory ny toe-tsainy, ary izay fomba fihevitry ny olona no maha-izy azy. Ny olona tena ara- panahy tamin’ ny taranaka rehetra dia nanam-pitiavana miredareda hamaky boky ara-panahy. Tsy tokony hamaky haingana loatra isika, fa hieritreritra kosa sy hitsakotsako eo...
Na iza na iza no maniry hiofana ho amin’ ny asan’ ny Tompo dia tokony hahatsapa fa ny fiainana anatiny manokana eo anatrehan’ Andriamanitra no fanoitra fototra ho amin’ ny fahombiazana sy fisondrotana ara-panahy. Liana kokoa Andriamanitra mijery ny fiainana iainantsika sy ny eritreritra sainintsika, ny fahamasinam-po sy fampiharana ny fahamarinana, raha atao indraim-bava, ny fiovantsika amin’ ny alalan’ ny Fanahy hitovy endrika...
par Lalamasaka Hatry ny Ela · Published 26 septembre 2019 · Last modified 3 décembre 2019
Androm-pandresena lehibe ho antsika zanak’Andriamanitra ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty. Io no fototra lehibe ijoroan’ny fivavahana kristiana. Raha tsy nitsangana tamin’ny maty Kristy dia ho mitovy amin’ny fivavahana finoanoam-poana rehetra ihany ny finoana arahantsika. Hoy Paoly : “ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo” 1 Korintiana. 15 : 14. Raha ny finoana...
Vakio ny Oha. 24 : 11, 12 : “Raha mihirim-belona tsy hanafaka izay entina hovonoina ianao, sy ireo efa ho mby eo am-pamonoana ; Raha hoy ianao : “Indro, tsy mahalala izany izahay, moa Izay mandanja ny fo tsy hihevitra izany va ? Ary izay mandinika ny fanahinao, tsy hahalala izany va ? Tsy hovaliana araka ny ataony avy va...
par Lalamasaka Hatry ny Ela · Published 26 septembre 2019 · Last modified 3 décembre 2019
Vakio manomboka amin’ny fiandohany ka hatramin’ny fiafarany izy tahaka ny famaky boky hafa. Aza malaky manao famintinan-kevitra raha tsy efa voavakinao manontolo ny tantara ao. Izany MIHITSY no FAMAKY NY BAIBOLY MANONTOLO fa tsy ampahany amin’ny andalana tiana sy azoazo fotsiny. Hahita zavatra maro lazain’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly izay tsy mbola fantatrao ianao. Mamakia toko maromaro amin’ny fotoana iray hahasahana...
ARAKA NY NAMPIANARAN’I JESOSY SY NY NANAOVANY AZY NY SAKRAMENTAN’NY FIANGONANA Misy Sakramenta anankiroa izay nandidian’i Jesosy Kristy Tompo ary tena ilaina mihintsy izy ireo satria didy avy amin’Andriamanitra. Ireto avy izy ireo : ny BATISAN’NY RANO sy ny FANASAN’NY TOMPO Noho ny fananany toetra masina no iantsoana azy hoe : Sakramenta ( “zavatra masina” raha adika ara – bakiteny). Atao...
L | M | M | J | V | S | D |
---|---|---|---|---|---|---|
1 | 2 | 3 | 4 | 5 | ||
6 | 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 |
13 | 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 |
20 | 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 |
27 | 28 |