Rakitsary

Famaranana ny fankalazana Jesosy Mamonjy 60 taona – Mvo -Palais des Sports

Misaotra ny Tompo fa vita soamantsara ny Fankalazana ny faha 60 taonan’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy. Hiasa tsy mitsahatra ho an’ny Fiangonana isika, hanabe sy hitaiza hatrany ny ankizy sy tanora zanaky ny Fiangonana, ho olom-banona, modely amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, ho vavolombelon’ny Kristy eo anivon’ny mpiara-belona. Mbola hitohy haneho hatrany izahay Mpanabe eto amin’ny Musics and Voice Orchestra Jesosy Mamonjy...

0

Ny niandohan’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy 1961 part 1 of 4

Ireo Fiangonana maritiora. Ity horonantsary ity dia noraiketina sy novokarin’ireo Misionera MA Daoud mivady tamin’ny 1961. Ny fotoana nandraiketana azy ity no fotoana nanamarika ny niandohan’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy izay naorin’izy ireo. Natolotray ho azy mivady ny Siteweb : https://lalamasaka.mg ho fahatsiarovana sy hanohizana ireo asa lehibe nampanaovin’Andriamanitra azy teto amin’ny firenenay. Manasa anao izahay hijery ny horonantsary 4 mitohy.