Fiangonana Jesosy Mamonjy

Fiangonana Jesosy Mamonjy Ankorondrano 2007

Ny Fiangonana Jesosy Mamonjy dia fiangonana kristiana miorina eto Madagasikara sady efa miely any ivelany koa, izay ao amin’ ny firehana pentekôtistan’ ny rantsana evanjelikan’ ny prôtestatisma[1]. Niorina ara-panjakana tamin’ ny 1963 teto Madagasikara ny Fiangonana Jesosy Mamonjy taorian’ny asa fitoriana Filazantsara nataon’ny Misionera Amerikana Mounir Aziz Daoud sy Jane Collins vadiny. Eo Ankorondrano, Antananarivo Madagasikara no misy ny foibeny. Manana fiangonana miorina mihoatra ny 1000 izy amin’izao taona 2019 izao ary manana mpitandrina sy mpianatra ao amin’ny Sekoly ara-Baiboly ary mpino mihoatra ny 2000, miara-miasa, mitandrina amin’ireo fiangonana ireo sy ny zanam-piangonana tsy mbola nahavita trano. Efa miparitaka manerana izao tontolo izao ny mpino Jesosy Mamonjy amin’ izao fotoana izao izay mifindra monina any amin’ny firenen-kafa dia miezaka manokatra fiangonana hivavahana sy mitaona ny mpiray monina aminy hiara-manompo an’Andriamanitra. Noho izany dia efa misy Fiangonana Jesosy Mamonjy ny any Frantsa sy any Mayotte, nefa kosa dia marobe ireo zanaky ny fiangonana miparitaka manerantany, any AlemainaKameronaAfrika AtsimoSinaJapànaEtazoniaLa Réunion sns.[2] Taorian’ireo fiangonana lehibe, ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagaskara, ny Eglizy Katolika Romana, ny Fiangonana Loterana Malagasy, izay efa nisy teto Madagasikara tamin’ny vanim-potoana faha mpanjaka, dia ny Fiangonana Jesosy Mamonjy no fiangonana tranainy indrindra niorina teto taorian’ny Ady Lehibe Faharoa. Manaraka ireo fiangonan-dehibe dia izy no manana Trano fivavahana sy mpino maro indrindra eto Madagasikara.

Ny Rév. MA Daoud mivady Mpanorina ny Fiangonana Jesosy Mamonjy. Sarin’ny © Lalamasaka Hatry ny Ela. © Copyright. Tout droit réservé. L’utilisation de l’image n’est pas autorisée.

Votoatiny

  • 1 Tantara fohy
    • 1.1 Ny Misionera Mounir Aziz Daoud sy Jane Collins vadiny
    • 1.2 Fitoriana filazantsara teny Fenoarivo
    • 1.3 Nanorina ny Fiangonana Jesosy Mamonjy
  • 2 Tanjona sy antom-pisian’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy
    • 2.1 Fampielezana ny Filazantsara mitohy
    • 2.2 Fibebahana sy fahaterahana indray
  • 3 Foto-pampianarana
  • 4 Sampan’asa
    • 4.1 Sekoly Ara-Baiboly
    • 4.2 Sekoly Alahady
    • 4.3 Fivorian’ny Tanora
    • 4.4 Sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana
  • 5 Fitohizan’ny asan’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy
  • 6 Lalamasaka hatry ny ela
  • 7 Rohy iraisana
  • 8 Loharano sy fanamarihana

Tantara fohy

Ny Misionera Mounir Aziz Daoud sy Jane Collins vadiny

MA Daoud mivady 1963

Ny Evanjelistra amerikana mivady Mounir Aziz Daoud sy Jane Collins dia mpitory filazantsara mitety tany, izay efa nanao asa fitoriana tany amin’ireo Nosy Karaiba sy taty Afrika (tany Egipta, sns), tany Azia sns [2]. Mba ho fanatanterahana ny Tenin’Andriamanitra hoe « Hitory hatrany am-paran’ny tany » dia nanapa-kevitra izy ireo ny hanao fitoriana ny Filazantsara teto Madagasikara ny taona 1961 (nihevitra izy ireo fa any am-paran’ny tany no misy an’i Madagasikara raha miohatra an’i Amerika fihavian’izy ireo).

Fitoriana filazantsara teny Fenoarivo

Teo amin’ny Stade des Cheminot Antananarivo no nanombohan’izy ireo ny Fitoriana Filazantsara. Fa rehefa hitan’ny Fanjakana fa nanelingelina ny tanàna izany noho ny fitohanan’ny fifamoivozana dia nakisaka teny Fenoarivo, mihataka ny renivohitra. Toerana famonoana omby (Abbatoir) io toerana io, tsy dia madio loatra fa teny moa no nanomezana ny alalana hanao ny asa fitoriana. Tsy araka izay noheverina anefa fa tonga maro dia maro ny olona, nanolo-tena hiasa ny fitaterana, ary nahavory olona niaraka tamin’ny fahagagana marobe sy ny herin’Andriamanitra izy mivady, satria nisy jamba maro nahiratra, ny kilemaina tonga nitovy ny tongony, ny moana niteny, ny marenina lasa nandre, ny nalemy nitsangana teo no ho eo, hitan’ny olona rehetra, ary aretina sy olona azon’ny devoly maro no sitrana sy afaka. Ankoatra izany dia olona maro no tonga nandoro ny odiny ka nanolo-tena ho an’Andriamanitra.

Nanorina ny Fiangonana Jesosy Mamonjy

Tsy dia nanan-kevitra ny hijanona teto Madagasikara izy ireo fa mbola nitohy nanao ny fitetezan-tany tahaka ny fanaony. Fa vokatry ny fitoriana Filazantsara izay nataony teo Fenoarivo, nitohy hatrany Toamasina dia nanindry mandry azy ireo ny Fanahy Masina hanorina fiangonana teto Madagasikara tamin’ny taona 1963, izay nomeny ny anarana hoe « Fiangonana Jesosy Mamonjy ». Nahatsapa mantsy izy mivady fa tena mbola tany maizina nitoeran’ny asan’ny devoly i Madagasikara ka mila ny fanafahan’ny Filazantsara, na dia efa nisy ny fiangonan-drazana ihany aza teto.

Fiangonana Jesosy Mamonjy Voalohany 1964
Sarin’ny © Lalamasaka Hatry ny Ela. © Copyright. Tout droit réservé. L’utilisation de l’image n’est pas autorisée.

Nanangana trano fivavahana lehibe indrindra teto Madagasikara izy ireo tao Ankorondrano Antananarivo, izay mahazaka olona hatrany amin’ny 5 000 tamin’izany, ary tamin’ny taona 1991 dia nanomboka nanao fanitarana inefatra mba hahazaka olona hatrany amin’ny 25 000 ka hatramin’ny 30 000. Izy no trano fiangonana lehibe indrindra eto Madagasikara, ary trano fiangonana mahazaka olona betsaka indrindra taty Afrika talohan’ny taona 2010.

Tanjona sy antom-pisian’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy

Fampielezana ny Filazantsara mitohy

Mifototra amin’ny fitoriana Filazantsara amin’ny olona rehetra ny Fiangonana Jesosy Mamonjy. Ny tanjona kendreny dia ny hitaona olona vaovao hatrany ho an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitoriana ny hazofijalian’i Jesosy Kristy ary manomana ireo mpino ao aminy handova ny lanitra.

Fibebahana sy fahaterahana indray

Mba hahatratrana io tanjona farany io dia manana foto-pampianarana mafy orina ny Fiangonana, dia ny fiovam-po sy fahaterahana indray tena izy, ary ny foto-pampianarana momba ny Fahamasinana izay anisan’ny mampiavaka azy amin’ny fiangonana hafa rehetra.

Foto-pampianarana

Ny Baiboly no fototra iorenan’ ny fampianaran’ ny Fiangonana Jesosy Mamonjy sady toriny nefa manana boky manazava ny Baiboly izy dia ny Boky Maintso (dikateny malagasy) ary ny Red Book (dikateny anglisy). Ireo boky ireo no mirakitra ny fampianaran’ ny misionera Daoud mivady sady manoro lalana « ny fomba hianarana feno ny Baiboly », izay nosoratan’izy mivady ihany ary ampiasaina amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy rehetra sy ny fiangonana hafa manovo ny fampianaran’izy ireo.

Mamokatra boky ara-panahy sy trakta maro ny Fiangonana izay nosoratan’izy mivady sy ireo mpitandrina nofaniny ary manana fanontam-boky manokana ho azy dia ny « Literatiora Jesosy Mamonjy »

Manana ny fihiràny manokana ny Fiangonana Jesosy Mamonjy, fihirana nadika avy amin’ny fihiràn-dRamatoa Daoud ary vokarina sy atonta ao amin’ny Literatiora Jesosy Mamonjy ihany, dia ny Song Book, « Songs with a message », hira nangoniny sy nofantenana avy tamin’ireo hira fifohazana tranainy. Ankoatra izany kosa dia manana departemanta manokana ho amin’ny famoronan-kira ny Fiangonana Jesosy Mamonjy.

Sampan’asa

Ankoatra izany dia misy zanaka asa sahanin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy,

Sekoly Ara-Baiboly

Hatramin’ny fotoana niorenan’ny Fiangonana teto Madagasikara dia efa nisokatra tao Ankorondrano Foibe ny toerana fanofanana ireo Sekoly ara-Baiboly hamoahana azy ireo ho mpitandrina matihanina. Ny anabavy Daoud no niandraikitra feno ny fampianarana ny Sekoly ara-baiboly tany am-piandohana raha mbola sahirana tamin’ny asa fanorenana ny vadiny. 9 mirahalahy no mpianatra nivoaka sy nohosorana mpitandrina voalohany teto amin’ny fiangonana Jesosy Mamonjy. Ary mbola mitohy manofana mpianatra ny Fiangonana hatramin’izao ka Biraon’ny Firaisan’ny Mpitandrina no miandraikitra ny fitantanana sy fanofanana azy ireo.

Sekoly Alahady

Manana programa Fampianarana ny Sekoly Alahady ho an’ny ankizy ny fiangonana rehetra miorina izay fomba hitaomana ny ankizy ho an’i Jesosy sy ahafahana mitory ny tenin’Andriamanitra ho azy ireo. Ny anabavy Daoud ihany koa no nanomboka sy nampita ny fomba fampianarana Sekoly Alahady, ny fampianarana hira ho an’ny ankizy mandritry ny fankalazana Noely. Koa ny Mpampianatra dia tsy maintsy olona voafidy tsara sy mendrika izay nandalo fanadihadiana, ary tsy maintsy mandray sy manatrika fiofanana isan-kerinandro.

Fivorian’ny Tanora

Ny fiangonana rehetra dia manana fivoriana ho an’ny tanora hizarana ny tenin’Andriamanitra sy hitaizana azy ireo ho tonga amin’ny famonjena, ho tanora kristiana miasa ho an’Andriamanitra.

Sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana

Manana sekoly maromaro miorina ao anatin’ny tokontanin’ny Fiangonana izy, izay voasokajy ho asa sosialy ho fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena sy ny mpiara-monina.

Departemantan’ny Famoronan-kira

Hatramin’ny niorenan’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy ny taona 1963 dia nanangana kilasy fampianarana hira fifohazana ireo tanoran’ny fiangonana Ramatoa Jane Collins Daoud ary nanofana mpampianatra hira sy mpandika hira (hira anglisy adika ho hira malagasy) ihany koa, izay nahafahana nandrafitra tsikelikely ny Fihiranan’ny Fiangonana ho fitaovana hiderana mandritry ny fotoam-pivavahana. Ny Pastora Randriatsarafara Maurice sy ny Pastora Andriamanga Adolphe izay samy mpitandrina voalohany no niandraikitra izany departemanta izany taty aoriana, ary mbola manohy ny asan-dRamatoa Daoud. Mandritry ny fankalazana ny Noely kosa no hianarana sy hihirana ireo hira vaovao, izay andraisan’ny Sekoly Alahady, Tanora, Mpampianatra Sekoly Alahady sy ny rehetra ao amin’ny Fiangonana anjara. Fankalazana ny nahaterahan’ny Mpamonjy izay anisan’ny fotoan-dehibe hifaliana eo amin’ny Fiangonana ankoatra ny andro Paska sy ny Pentekoty.

Amin’izao fotoana izao dia manana hira mihoatra 1 200 ny Fiangonana izay samy voarakitra anaty Fihirana sy amin’ny rakipeo avokoa.

Mahay mitendry zava-maneno isan-karazany ihany koa Ramatoa Daoud hatramin’izy tao amin’ny Sekoly ara-Baiboly, ary fombany ny mandeha mitory teny akalamanjana irery sady mihira fiderana miaraka amin’ny angorodaony na ny gitarany, rehefa nitsangana kosa ny Fiangonana Jesosy Mamonjy teo Ankorondrano dia nentiny avy any Amerika ny pianôny ho tendrena tao amin’ny fivoriana, koa izy no mpitendry voalohany nodimbiasan’ireo anabavy sy rahalahy maro taty aoriana. Marihina fa namela fampianarana marobe tamin’ireo mpitendry nahita azy (1963, 1991-1999) Ramatoa Daoud na tamin’ny fomba fitendry anaty fotoam-pivavahana na ny fitondran-tena entina hanaovana izany asa fanompoana izany.

Mba hitohizan’izany asa fitendrena navelan’ny Anab. Daoud izany dia natsangana teo amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy ny Sekoly fampianarana mozika ho an’ny zanaky ny Fiangonana (Musics and Voice Orchestra Jesosy Mamonjy) nanomezana anjara ny ankizivavy kely sy ny ankizilahy kely, mba ahafahana manofana azy ireo sy mampita ny fampianarana nentin-dRamatoa ho an’ny Mpitendry zava-maneno anaty fotoam-pivavahana.

Fitohizan’ny asan’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy

Maty teto Madagasikara tamin’ny taona 1999 Ramatoa Jane Collins ary tamin’ny taona 2004 kosa ny Rev Mounir Aziz Daoud rehefa voky andro sy nitambesaran’ny asa mafy, tamin’ny fifadian-kanina lavareny, ny asa fitorian-teny, ny asa fanitarana teo Ankorondrano Foibe, ny asa fanamboarana trano fiangonana marobe manerana an’i Madagasikara. Nambolena[4] eny amin’ny fasam-piangonana eny Soamanandray Ivato (akaikin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena) ny nofo mangatsiakan’izy mivady araka ny hafany fony mbola natanjaka izy ireo: « Tsy alefa any Etats-Unis izahay rehefa miala ety, hoy izy, fa mijanona miaraka aminareo eto Madagasikara satria efa eto ny fonay ».

MA Daoud sy ny Pastora Mpandika teny Voahangy Andriamanga

Nanao asa soa maro teto Madagasikara ny Rev Mounir Aziz Daoud sy Jane Collins vadiny, nanangana fiangonana maro dia maro tamin’ny volany manokana, nanokatra sekoly, ary nampiasa ny volany sy ny fananany rehetra ho an’i Madagasikara tamin’ny androm-pahavelomany. Manana mpino marobe ao amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy izy ireo ankehitriny izay vavolombelon’ny asa fikelezan’aina nataony, ireo no manohy ny asany ary mitazona ny foto-pampianarany sy ny fahaveloaman’ny Fiangonana :

Ireo mpitandrina no miantsoroka ny asa fitandremana amin’izao fotoana izao araka ny Satan’ny Fiangonana (frantsay: statut) izay narafitra fony izy mivady nanangana ny Fiangonana Jesosy Mamonjy, sy araka ny tso-drano nomen’ny mpanorina rehefa narefo tsy nahavita ny asa intsony izy, ary misy mpino marobe miara-miasa amin’izy ireo amin’ny asa fitoriana teny sy ny fitondram-piangonana manerana ny Nosy sy any ivelany.

Misy kosa ny rafitra mitantana ny fananam-piangonana, dia ny Filan-kevi-pitantanana (frantsay: Conseil d’Administration) izay voalazan’ny Sata ihany, ka fidian’ny mpino isaky ny 4 taona ireo mambra ny birao ao anatiny.

Ny Pastora Ratafy Léon kosa no Filohan’ny Filan-kevi-pitantanana sady miandraikitra ny Filohan’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy nanomboka ny taona 2003 ka hatramin’ny taona 2020 rehefa nodimandry am-perinasa.

Efa manenika ny 400 ny isan’ny mpitandrina matihanina afa-tsy ny evanjelisitra, ny Mpianatra ho mpitandrina ary ny Mpino mitondra fivoriana.

Mihoatra ny 1600 kosa ny isan’ny Fiangonana mielim-patrana manerana ny nosy sy any ivelany.

Lalamasaka hatry ny ela

Mba hizarana ny fampianaran’izy ireo sy hanohizana ny asa natombony dia natokanay ho azy ny Site web an’ny Lalamasaka Hatry ny Ela

Rohy iraisana

Loharano sy fanamarihana

  1. Efa misy Fiangonana Jesosy Mamonjy maromaro azo karohina ao amin’ny Google Maps, na miditra amin’ny Site an’ny Lalamasaka Hatry ny Ela raha te hitady ny toerana misy Fiangonana.
  2. Jereo ao amin’ny Site Web an’ny lalamasaka ny Article: « Fahagagana sy Misiona »
  3. « Nambolena »: « nalevina », fomba fiteny ny olona alevina eto amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy.