Herinandro Masin’ny Paska
Ao anatin’ny herinandro fankalazana ny Paska isika. Ity herinandron’ny Paska ity no vanim-potoana manan-danja indrindra eo amin’ny fivavahana kristiana. Asa lehibe roa mantsy no nataon’ny Tompo ho antsika izay mampiorina ny finoantsika ka mahatonga antsika mitoetra sy mijoro amin’izao fanarahana an’Andriamanitra izao : dia ny Famonjena sy ny Fanasitranana. Izy no fotoana hahatsiarovana ny tantaran’ny Famonjena nataon’i Kristy izay ananantsika ankehihitriny....