Toriteny audio

Ny Fanasan-tongotra, Jesosy Mamonjy Ankorondrano, BroDaoud Dec27 1963

Torinteny Alahady Paska 2020, amin’ny 3ora hariva NY FANASAN-TONGOTRA Jesosy Mamonjy Ankorondrano, Bro Daoud Dec 27 1963 Maro amintsika no miantso ny fiverenan’ny Fiangonana ho amin’izay niaingana (miverena any Betela, ny fahamasinana, ny firaisan-kina), ny rivo-panahy niainana teo aloha, ny toe-panahy araka an’Andriamanitra sy ny fifankatiavan’ny samy zanak’Andriamanitra. Ity torinteny ity dia isan’ireo tenin’Andriamanitra faheno sy namolavola ireo raiamandreny tany...

Vavaka mitaraina amin’Andriamanitra, BroDaoud Jesosy Mamonjy Ankorondrano

Amin’izao andro sarotra andalovantsika izao, izay fotoana tsy maintsy ianteherantsika amin’ny vavaka dia manasa anao hihaino ity torinteny ity. Tsy mbola nahazo ianao satria tsy mbola nivavaka, na efa lasa « kamo » mivavaka, na mivavaka tsy amin’ny hafanam-po sy fitarainana. Andriamanitra anefa matoa manentana antsika ao amin’ny Teniny mba hivavaka, dia satria efa sitrany ary efa vonona ny hamaly vavaka Izy...

Ny Fiverenan’i Jesosy indray Bro Daoud Jesosy Mamonjy Ankorondrano

Fiverenan Jesosy indray. Ny Famantarana ny andro farany. Ireo fiomanan’ny bibidia amin’izao andro farany izao hahatanteraka ny Faminaniana. Ity torinteny ity dia isan’ireo faminaniana sy torinteny maromaro nambaran’ny Mpanompon’Andriamanitra Fr Daoud taona vitsy talohan’ny fanambaràna ny fitsanganan’ny Vondrona Europeana (Union Européenne) ary ny fivoahan’ny vola Euro.

Fanamasinana BroDaoud, Jesosy Mamonjy Ankorondrano

Mialohan’ny hahatongavan’ny Fifohazana dia tsy maintsy misy ny Fanamasinan’Andriamanitra. Ny Fifohazam-panahy dia tsy tongatonga amin’izao fa tsy maintsy mivavaka isika mba hisintonana izany avy any ambony hidina ety an-tany. Andriamanitra tsy miara-miasa amin’ny vahoaka izay tsy manolon-tena tanteraka, fa miasa Izy raha isika manao ny anjarantsika.

Mariky ny Bibidia, Jesosy Mamonjy Ankorondrano Bro Daoud

Mark of the Beast, Bro Daoud, Jesosy Mamonjy Ankorondrano « Ao anatin’ny vanim-potoan’ny andro farany isika izao. Hisy fiovana tampoka ao anatin’ny fotoana fohy eto amin’izao tontolo izao. Raha hiteny aho hoe tokony hivavaka ianao, dia anio izay fotoana izay fa tsy tokony hangatak’andro ». Fr Daoud