Fanamasinana BroDaoud, Jesosy Mamonjy Ankorondrano

Mialohan’ny hahatongavan’ny Fifohazana dia tsy maintsy misy ny Fanamasinan’Andriamanitra. Ny Fifohazam-panahy dia tsy tongatonga amin’izao fa tsy maintsy mivavaka isika mba hisintonana izany avy any ambony hidina ety an-tany. Andriamanitra tsy miara-miasa amin’ny vahoaka izay tsy manolon-tena tanteraka, fa miasa Izy raha isika manao ny anjarantsika.