Fiangonana Jesosy Mamonjy
Fiangonana Jesosy Mamonjy Ankorondrano 2007 Ny Fiangonana Jesosy Mamonjy dia fiangonana kristiana miorina eto Madagasikara sady efa miely any ivelany koa. Niorina ara-panjakana tamin’ny 1963 teto Madagasikara ny Fiangonana Jesosy Mamonjy taorian’ny asa fitoriana Filazantsara nataon’ny Misionera Amerikana Mounir Aziz Daoud sy Jane Collins vadiny. Tao Ankorondrano, Antananarivo Madagasikara no misy ny foibeny. Manana fiangonana miorina manodidina ny 1000 izy amin’izao taona...