Momba anay

QR code
Lalamasaka Hatry ny Ela

Ny Lalamasaka Hatry ny Ela dia Site Web natokanay hanomezam-boninahitra sy hanohizana ny asa misionera nataon’ireo Raiamandreny Mpanorina ny fiangonana Jesosy Mamonjy teto Madagasikara nanomboka ny taona 1961, dia ny Rév. MA Daoud sy Jane Collins vadiny.

Ny Ekipan’ny Lalamasaka Hatry ny Ela izay mamelona ny Site Web dia vondrona Kristiana amin’ny fiangonana Jesosy Mamonjy eto Madagasikara, mpitory ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy. Ny tanjon’ny Site dia ny hitaona fanahy ho amin’ny Famonjena ary ny hizara ny tenin’Andriamanitra sy fahatsapana amin’ny fanarahana ny Tompo Jesosy.

Izahay dia miara-miasa amin’ireo mpino kristiana, mpitandrina, ary mpitory teny ao amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy amin’ny famelomana ny Site. Koa miezaka izahay manangona torinteny sy fijoroana vavolombelona avy amin’izy ireo mba handraisantsika sakafom-panahy vaovao sy mitohy hatrany.

Ny Fifampizarana fijoroana Vavolombelona dia sehatra natao ho an’ny rehetra ahafahatsika manome voninahitra an’i Jesosy Kristy ny amin’izay nataony teo amin’ny fiainanao; dia Famonjena, Fanasitranana, Fahagagana, Fiovam-po, Fitahiana… na izay fahatsapana tsara rehetra noraisinao tamin’ny Tompo.

Raha manana fijoroana vavolombelona manokana kosa ianao dia azonao atao ny manoratra aminay ao amin’ny Menu – Hifandray aminay mba ahafahanay mametraka izany eo amin’ny Fijoroana Vavolombelona nangonina .

Izahay ihany koa dia manana Studio de Production Multimedia, izay mamokatra audio-video Fijoroana Vavolombelona. Koa raha manana fijoroana Vavolombelona mafonja ianao, manambara Fahagagana na Famonjena, Fanasitranana, sns dia azonao atao ny manantona anay mivantana ahazoanay mandray feo anao. Jereo eo amin’ny Menu – Hifandray aminay.

Manana fandaharana Emission Web ny Lalamasaka Hatry ny Ela izay hizarana ireo vokatra video sy audio rehetra, azonao arahina ao amin’ny Chaîne Youtube Lalamasaka

Ny Lalamasaka Hatry ny Ela dia manao asa fanompoana maimaimpoana, ary ny mpiara-miasa rehetra dia Kristiana mpilatsaka an-tsitrapo. Koa raha hitanao fa mahasoa anao sy ny hafa ny Site dia raisinay am-pifaliana ny fanomezana avy aminao ho fiaraha-miasa aminay :

– Vavaka mandrakariva mba hananan’ny rehetra hery sy fahasalamana, ary hahita fahombiazana amin’izao asa fanompoana izao,

– Fitaovana, hahafahana manatsara ny fomba fiasa,

– Vola, hanohanana ireo fandaniana amin’ny fitoriana ny Filazantsara amin’ireo tsy mbola tonga amin’ny Famonjena, toy ny fizarana Baiboly, Fihirana, Trakta, Gazety ara-panahy, Boky ara-panahy…

– Na fanampiana hafa hitanao fa ilaina amin’ny asa fitorianteny

Araka izany dia azonao atao ny mifandray aminay mivantana eo amin’ny Menu – Hifandray aminay.

Raha afaka manao virement international (Paypal, Payoneer, Visa international) kosa ianao dia miantsoa anay mivantana ahafahana manoro anao ny pejy hanaovanao izany.

Ny Tompo anie ho amintsika tsirairay !

Amin’ny fonay rehetra !