« Izao no lazain’i Jehovah: Mijanòna eo an-dàlana ianareo ka izahao, ary anontanio izay Lalana Masaka Hatry ny Ela, dia izay làlana tsara, ka iny no izory, dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo. » Jeremia 6:16 

Jesosy Mamonjy Foibe Ankorondrano Ofisialy

Manomboka izao, ho fanampiantsika ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Foibe Ankorondrano, mba hahafahantsika manaraka ireo Toriteny en Direct, ny vaovao isan-karazany dia azontsika atao avy hatrany ny mahita ny PEJY FACEBOOK Jesosy Mamonjy Foibe Ankorondrano Ofisialy eto amin’ny Siteweb https://lalamasaka.mg (amin’ny ilany havanana amin’ny Pejy raha amin’ny ordinateur, scroller-na raha amin’ny smartphone). Azontsika atao ny mi-J’aime avy hatrany, manao Suivre, ary...

Vavaka mitaraina amin’Andriamanitra, BroDaoud Jesosy Mamonjy Ankorondrano

Amin’izao andro sarotra andalovantsika izao, izay fotoana tsy maintsy ianteherantsika amin’ny vavaka dia manasa anao hihaino ity torinteny ity. Tsy mbola nahazo ianao satria tsy mbola nivavaka, na efa lasa « kamo » mivavaka, na mivavaka tsy amin’ny hafanam-po sy fitarainana. Andriamanitra anefa matoa manentana antsika ao amin’ny Teniny mba hivavaka, dia satria efa sitrany ary efa vonona ny hamaly vavaka Izy...

Bus firy no andehanana raha hivavaka aty amin’ny Jesosy Mamonjy Ankorondrano

Jesosy Mamonjy – Ankorondrano arrêt Ligne Direction Horaire 157B Anosibe 04:32 165 Androhibe 04:37 150 Imamba 04:38 150 Androhibe 04:38 194ROUGE Andranomena 04:38 162 Ankorondrano – Antsonjombe 04:44 157B Anosibe 04:47 199 Alarobia 04:49 165 Androhibe 04:52 150 Imamba 04:53 150 Androhibe 04:53 194ROUGE Andranomena 04:53 186A A : Cf : Anosy > 67ha 04:56 186A B : Cf 67ha...

Hevoy ny tombamborakareo – Bro Daoud – Jesosy Mamonjy Ankorondrano

Hevoy ny tombamborakareo. Milona manontolo ao anatin’ny vavaka sy fifadian-kanina 10 andro isika mialohan’ny Pentekoty. Fotoan-dehibe hikatsahana ny fanatrehan’Andriamanitra, fotoana handinihan-tena lalina hiverenana amin’ireo fanoloran-tena sy fiainam-bavaka teo aloha. Indro atolotray ny Fampianarana nandritry ny vavaka sy fifadian-kanina lavareny niarahana tamin’ny Mpanompon’Andriamanitra Fr Daoud teo amin’ny Jesosy Mamonjy Foibe Ankorondrano. Antso sy fanirianay ny hiverenan’ny Fiangonana mandrakariva amin’izay nampianarin’ny Mpanorina,...

Miverena any Betela 008

Mba nozahanao ve ny bokin’ ny fiainam-panahinao ? Moa voalaminao ara-dalàna ve ny kaontinao amin’ ny Tompo ? Aiza ny voady Izay nataonao ny voalohan’ ny volana janoary ary ny faharoan’ ny volana janoary 1966 ? Nanokana fotoana vitsivitsy tao amin’ ny miafina ianao tamin’ izany fo­toana Izany hivavahana sy hangatahana amin’ Andriamanitra hoe : « Satria efa novonjenao aho, dia...

Manaova fanapahan-kevitra hentitra hiverina amin’Andriamanitra

Tsy mahavita mivavaka intsony ianao, feno vovoka ny Baibolinao satria efa am-bolana maromaro izao no tsy niditra am-piangonana intsony ianao. Avelanao hanapaka eo amin’ny fiainanao ny fisalasalana, ny fanamelohan-tena, ary tsy manana fahasahiana intsony ny hitady ny tavan’Andriamanitra ianao. Ao anaty lalina ao anefa dia mbola mahatsapa ihany ianao fa tsy maty tanteraka ny afon’ny Fanahy Masina ; henonao ihany fa...

AZAFADY, Tsy fantatro mihitsy IANAREO…

AZAFADY, Tsy fantatro mihitsy IANAREO… « MANDEHANA MANOMPO ILAY NOTOMPOINAREO TEO ALOHA… » IZANY NO HOLAZAIN’ I JESOSY AMIN’ OLONA MARO AMIN’ NY ANDRO FARANY. Nanonofy ny amin’ny andro fi­tsarana amin’ny andro farany ny mpino kristiana mpanara-pomba iray ka nahita olona an-tapitrisany maro miankohoka mivavaka. Nanifikifika ny lohany tamin’ alahelo Jesosy Kristy Mpamonjy ary izao no teny reny nambaran’i Jesosy : « Azafady...

Fanitarana ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Foibe Ankorondrano

Noho ny fanampian’Andriamanitra dia hamita ny asa fanitarana ny Jesosy Mamonjy Foibe Ankorondrano isika. Asa fanitarana izay fikasana tao anatin’ny programan’asa an’ny Raiamandreny Mpanorina, Fr Daoud, saingy tsy vita noho ny antony maro samihafa, ny fahanterana sy ny fahasasarana teo aminy. Tsara ny manamarika fa Fanitarana 2 no mbola fikasan’ny Raiamandreny hatao, ny iray dia ny fanitarana ny trano fiangonana...