Miverena any Betela 008

Mba nozahanao ve ny bokin’ ny fiainam-panahinao ? Moa voalaminao ara-dalàna ve ny kaontinao amin’ ny Tompo ? Aiza ny voady Izay nataonao ny voalohan’ ny volana janoary ary ny faharoan’ ny volana janoary 1966 ? Nanokana fotoana vitsivitsy tao amin’ ny miafina ianao tamin’ izany fo­toana Izany hivavahana sy hangatahana amin’ Andriamanitra hoe : « Satria efa novonjenao aho, dia aoka aho ho azo ampia­saina hamonjy fanahin’ olona ho Anao ». Nandray andraikitra ianao hivavaka ho an’ ny fianakaviana rehetra tsy mbola voa­vonjy. Nanao fanekena ianao fa hamaky toko 3 na 4 isan’ andro ao amin’ ny Baiboly. AIZA IZAO IRENY VOADY IRENY ? Nahomby ve ny devoly hanosika anao ho any Sekema toa an’ i Jakoba ? Sa mbola ao Betela ianao, sa efa eny an-dàlana mankany Sekema ?

Misy OLONA IRAY anefa, Izay tia antsika amin’ ny fitia­vana mandrakizay, dia ny Mpamonjintsika izany ! Ny Mpana­lalana antsika, dia Jesosy Kristy, Izay eo an-tànana an-kava‑

nan’ ny Ray mitalaho hoe : « Efa nivavaka ho anao Aho, ry Petera, mba tsy ho levona ny finoanao ».

Manatona antsika koa izao ny Tompo, toy izay nitenenany tamin’ i Jakoba hoe : « Mitsangàna, mialà eto, MIALA AMIN’ NY TSI-FIRAIKANA. Mialà eo amin’ ny toerana IZAY NANDIKANAO NY DIDIN’ ANDRIAMANITRA, ka miverena any Betela izay nanaovanao voady sy niovanao fo ary nahitanao tohatra nipaka tamin’ ny lanitra sy ny anjelin’ Andriamanitra, ka nantsoinao hoe : BETELA io toerana io ary ny vavanao mi­hitsy no nitenenanao hoe : « NY ANDRIAMANITR’ I BETELA NO ANDRIAMANITRO« Tsarovy izao maraina izao ny voady izay na­taonao tany Betela, ny fanolorantenanao raha natao batisan’ ny rano ianao, raha nanokana ny fiainanao mba handraisanao ny Batisan’ ny Fanahy Masina ianao.