Manaova fanapahan-kevitra hentitra hiverina amin’Andriamanitra

Tsy mahavita mivavaka intsony ianao, feno vovoka ny Baibolinao satria efa am-bolana maromaro izao no tsy niditra am-piangonana intsony ianao. Avelanao hanapaka eo amin’ny fiainanao ny fisalasalana, ny fanamelohan-tena, ary tsy manana fahasahiana intsony ny hitady ny tavan’Andriamanitra ianao.

Ao anaty lalina ao anefa dia mbola mahatsapa ihany ianao fa tsy maty tanteraka ny afon’ny Fanahy Masina ; henonao ihany fa mbola mirehitra kely ho an’ny Tompo ianao ary toa tsy tena nafoin’Andriamanitra tanteraka.

Fotoana izao hanovàna ny zavatra rehetra. Tokony hanao an-terisetra mihitsy ianao hamarana tanteraka izany tarazo ratsy an-davanandro izany. Efa naharitra ela loatra no nandosiranao ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny fiainanao ; efa ela loatra no niviliananao tamin’ny lalana mahitsy ka nandaozanao ny fanamasinan-tena ! Miantso anao Andriamanitra anio hiverina Aminy. Ianao ihany no afaka mandray izany fanapahan-kevitra izany. Tsy hisy olona afaka hanery anao, fa ianao no tsy maintsy miteny hoe « Aoka izay, faranako eto indray mandeha tsy miverina izao lalan-dratsy izao »

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *