Famaranana ny fankalazana Jesosy Mamonjy 60 taona – Mvo -Palais des Sports

Misaotra ny Tompo fa vita soamantsara ny Fankalazana ny faha 60 taonan’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy.

Hiasa tsy mitsahatra ho an’ny Fiangonana isika, hanabe sy hitaiza hatrany ny ankizy sy tanora zanaky ny Fiangonana, ho olom-banona, modely amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, ho vavolombelon’ny Kristy eo anivon’ny mpiara-belona.

Mbola hitohy haneho hatrany izahay Mpanabe eto amin’ny Musics and Voice Orchestra Jesosy Mamonjy amin’ny fanampian’ny Tompo, fa afaka manao zavatra tsara sy mendrika isika, ary mbola afaka manome ny tsara lavitra kokoa noho izay efa vita.

Jesosy anie hitahiry ny zanaky ny Fiangonana rehetra.

Aza adino fa mandray mpianatra mandavan’ny taona izahay raha manana zanaka maniry hianatra mozika ianao.

Tél. 034 46 165 00

#Musicsandvoicerochestra #PalaisdesSport #JesosyMamonjy