Boky sy DVD Film documentaire. Tantaran’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy. Fankalazana faha 60 taona

Noho ny fanampian’ny Tompo dia nahavita nandrafitra ny Tantaran’ny Fiangonana isika ho tsangambaton’ny faha 60 taona.

DVD Film sy Boky miaraka izy ireto, izay azonao jifaina amin’ny vidiny mirary, mba hananan’ny isan-tokantrano azy.

Sarobidy dia sarobidy tokoa ny fananana azy ireo, satria mamelona ao anaty indray ny tantara navelan’ireo Mpanorina ny Fiangonana, ary manetsika ny fo hahatsiaro ny antson’Andriamanitra azy ireo.

Entaninay manokana ny tanora handray anjara ary hazoto hamaky sy hijery azy ireto.

Koa asaina ny rehetra hanana izany isan-tokantrano.

Miantsoa avy hatrany raha hikomandy ho an’ny ankohonanao na hanafatra maromaro ho an’ny fiangonana misy anao :

Tél. 034 46 165 00 – 034 08 052 50