« Izao no lazain’i Jehovah: Mijanòna eo an-dàlana ianareo ka izahao, ary anontanio izay Lalana Masaka Hatry ny Ela, dia izay làlana tsara, ka iny no izory, dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo. » Jeremia 6:16 
0

Boky sy DVD Film documentaire. Tantaran’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy. Fankalazana faha 60 taona

Noho ny fanampian’ny Tompo dia nahavita nandrafitra ny Tantaran’ny Fiangonana isika ho tsangambaton’ny faha 60 taona. DVD Film sy Boky miaraka izy ireto, izay azonao jifaina amin’ny vidiny mirary, mba hananan’ny isan-tokantrano azy. Sarobidy dia sarobidy tokoa ny fananana azy ireo, satria mamelona ao anaty indray ny tantara navelan’ireo Mpanorina ny Fiangonana, ary manetsika ny fo hahatsiaro ny antson’Andriamanitra azy...

Ny Fanasan-tongotra, Jesosy Mamonjy Ankorondrano, BroDaoud Dec27 1963

Torinteny Alahady Paska 2020, amin’ny 3ora hariva NY FANASAN-TONGOTRA Jesosy Mamonjy Ankorondrano, Bro Daoud Dec 27 1963 Maro amintsika no miantso ny fiverenan’ny Fiangonana ho amin’izay niaingana (miverena any Betela, ny fahamasinana, ny firaisan-kina), ny rivo-panahy niainana teo aloha, ny toe-panahy araka an’Andriamanitra sy ny fifankatiavan’ny samy zanak’Andriamanitra. Ity torinteny ity dia isan’ireo tenin’Andriamanitra faheno sy namolavola ireo raiamandreny tany...

0

Paska iray tsy hay hadinoina tany Martinika

Martinika dia nosy frantsay any amin’ny ranomasin’i Karaiba, ao amin’ireo nosy vitsivitsy ao atsimon’i Portoriko. Manana helo-dranomasina malalaka sy mahafinaritra izy io. Mangamanga maha-te hizaha aok’izany ny ranony, fatratra ihany koa ny toetrandro, ary ny zava-maniry dia mahatonga ity nosy kely ity ho toy ny paradisa. Noho ireo antony ireo dia maro amin’ny mpanakarena avy any Eoropa no tonga mandany...

2

Fankalazana ny Faha 60 taona Jesosy Mamonjy

Ho fanomanana ny Fankalazana, Antso ho an’ny mpitendry mozika akostika rehetra. (Jereo eo amin’ny Affiche ny instrument anao. Raha mahay instrument accoustique hafa dia azo atao hatrany ny miantso) Sabotsy 25 feb 2023 amin’ny 9ora sy 30mn. Jesosy Mamonjy Ankorondrano, akaikin’ny Sonorisation. Infoline: Musics and Voice Orchestra | 034 46 165 00

0

Avereno indray ny fifandraisanao amin’Andriamanitra

Ny hoe tonga Kristiana dia tsy midika fa hanana fiainana mahafinaritra foana. Mandrakariva dia mandalo fotoan-tsarotra tokoa isika ary mila tsy hahita intsony hoe aiza no fiafaran’izao lalako izao. Arakaraky ny hanotana, dia mahatsapa isika fa miha manalavitra ny tavan’Andriamanitra ka tonga tsy maha vavaka intsony, tsy mahavita makany am-piangonana intsony. Ary manosika mafy ny fahavalo, mitondra eritreri-dratsy marobe, mitondra...

Vavaka mitaraina amin’Andriamanitra, BroDaoud Jesosy Mamonjy Ankorondrano

Amin’izao andro sarotra andalovantsika izao, izay fotoana tsy maintsy ianteherantsika amin’ny vavaka dia manasa anao hihaino ity torinteny ity. Tsy mbola nahazo ianao satria tsy mbola nivavaka, na efa lasa « kamo » mivavaka, na mivavaka tsy amin’ny hafanam-po sy fitarainana. Andriamanitra anefa matoa manentana antsika ao amin’ny Teniny mba hivavaka, dia satria efa sitrany ary efa vonona ny hamaly vavaka Izy...