Nalemy nandritry ny 14 taona, natsangan’i Jesosy – video

Voninahitra ho an’i Jesosy irery ihany,

Zanaka mpimasy izy io, ny dadabeny ilay mpimasy izay mitaiza azy. Ny devoly tompoiny no nanasazy ilay zaza, notsaboiny fa tsy sitrana mihitsy, ny fiangonana io dia maty nandritry ny 4 taona, tsy nisy mpino intsony fa nilaozan ilay mpitondra 4 mois de niverina any @ fiangonany taloha ny mpino tao, ny sasany nijanona fotsiny, marihina fa ny tenako no nanokatra io t@ taona 1992 ary niala tao aho 1996, efa nisy mpino teo @ 50 teo no tao.

Rehefa maty ilay asa dia nalahelo mafy aho nefa tsy fantatry ny mpitondra tao moramanga ny tantara dia tsy navelany hamerina io aho satria laika, aleo hoy ry zareo ataonay fa asanay io, ny taona 2023 nov tsy nisy fisokafany, efa niova moa ny Pst tao moramanga, nanolotena aho ny hanao izay azoko atao hanokatra ilay asa. Izaho irery fa ny volana dec no nisy Fr mpino tao taloha fa efa fiangonana hafa no hivavahany no niaraka tamiko tao.

Ny volana fev 2024, ref nanao fitoriana akalamanjana izahay ny alahady atoandro, dia tonga tao ampiangonana ny mamany sy ny bebeny izay mpino tao taloha nitondra azy, nivavahana ary izaho tonga dia nino dia efa niomana haka video, saingy tsy afaka naka ny fotoana nivavahana fa izaho no nivavaka ho azy fa efa nitsangana ilay malemy vo afaka naka ilay video.

Haleloia, deraina ny Tompo

Rahalahy Jean Louis Rakoto, Mejm Ambohimarina RN2, 10km miala moramanga

Nandritry ny Evangélisation MEJM Vohidiala nov 2024

📍 Ianao koa, raha manana fijoroana vavolombelona dia asaina hiantso anay mivantana na hifandray aminay amin’ny hafatra miafina.

☎️ 034 46 165 00