Tratry ny « Krismasy » 2024 – Fampianarana momba ny Krismasy

Misy Fiteny sy Fomba vitsivitsy ireto fanao rehefa andro Noely 25 desambra, koa dia ahitsintsika araka izay nampianarin’ny Raiamandreny Fr Daoud Mpanorina ny Fiangonana Jesosy Mamonjy :

Ny Krismasy
Ny teny hoe Krismasy dia avy amin’ny teny anglisy hoe « Christ mess », izany hoe « lamesa ho an’i Kristy », izay midika ihany hoe « Sorona na fisoronana ho an’i Kristy », natokana, dédié, ho an’i Kristy.
Diso avy hatrany izany, satria ny fisoronana teo amin’ny Hazofijaliana dia efa vita, ary i Kristy no nanao sorona ho antsika, ho famonjena ho antsika. Koa tsy misy sorona hafa intsony, ary tsy isika no manao sorona ho an’i Kristy fa Izy no nanao sorona ho antsika. Noho izany dia tsy fiteny ary tsy tokony ho lazaina akory ny hoe Christmass, na Christmess, fa mifanohitra tanteraka amin’ny Tenin’Andriamanitra. 1Timoty.2:6

Ny Noely, Noël
Ny Noely kosa dia avy amin’ny teny latina hoe Natal, amin’ny voambolana kristiana rehetra dia manambara ny fahaterahan’i Kristy ny Noël, misy mandika hoe Fahaterahan’i zanak’Andriamanitra, Nativité + El (Dieu) sns, koa dia teny iraisan’ny Kristiana rehetra ny Noël manambara ny Fahaterahan’ny Mpamonjy, ka tsy hita ny mahadiso azy. Isika izany dia miteny hoe : « hankalaza ny Noely, arahabaina nahatratra ny Noely », sns… Matio.1:21

Ny dadabe noely
Tsy misy ifandraisan’ny fivavahana kristiana velively, tsy misy ifandraisan’ny nahaterahan’ny Mpamonjy ny dadabe noely, ka tsy mila azavaina akory izay momba azy. Noho izany dia rasina ho finoanoampoana, anganongano andaingana amin’ny ankizy ny momba ny dadabe noely. Manakona ny fahaterahan’ny Mpamonjy ny dadabe noely, satria tsy fetiny no ankalazaintsika fa an’i Kristy. Tsy tokony mamorona lainga sy angano amin’ny ankizy momba ny kilalao isika fa kosa tokony milaza ny marina rehefa te hanome fanomezana na vatomamy ; ary tokony hahazo toerana lehibe amin’ny fampianarana ny ankizy sy Sekoly Alahady ny fitantarana amin’izy ireo ny Fahaterahan’ny Mpamonjy… Noho izany izay haingo sy tantara rehefa mifandray amin’ny dadabe noely dia tsy azo atao : Akanjo ba mena, sy satroka ba mena, ny traineau na saretin’i dadabe noely miaraka amin’ireo biby mitarika azy sns.

Hazo noely, na Sapin
Fomba fankalazana any amin’ny tany misy lanezy angamba ny mampihaingo sapin, manisy guirlande, jiro jiro, fa misy koa aloha ny milaza fa tany tsisy lanezy ary tsy tamin’ny vanim-potoana nisy lanezy akory ny fotoana nahaterahan’i Kristy. Noho izany dia tsy manangana Sapin ao an-trano isika, tonga sampy ny Sapin amin’ny andro Noely raha alalinina ny fanaovana azy. Ary raha atao ny fandihadiana dia tsy misy ifandraisany koa amin’ny nahaterahan’ny Mpamonjy, koa dia tsy manangana izany isika, na ao an-tranon’Andriamanitra, na ao an-tokantrano…

Ny daty 25 Desambra
Tsy daty marina (date ponctuelle) ny daty 25 desambra, misy adihevitra maro ny fotoana sy ny olona nanondro io daty io. Isika Jesosy Mamonjy dia tsy voatery hino koa na handany andro hanao fikarohana na marina izany na tsia, mazava ny foto-kevitra ijoroan’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy : « izay adihevitra tsy mitondra ho amin’ny famonjena dia ajanona ».

Zava-dehibe amintsika ny fahatongavan’ny Mpamonjy, ary tsy maintsy tsarovana ny nahaterahany, dia izay ihany, hoy ny Mpanorina. Noho izany dia daty iraisana ihany io daty io, fa tokony ho teraka ao am-pontsika isanandro ny Mpamonjy, ary hankalazaina amin’ny fotoana rehetra, tahaka ny hahatsiarovana ny fisoloany, tsy amin’ny andro paska ihany, fa isaky ny voalohan’ny volana mandritry ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo, izay tokony ho tsarovana isanandro ihany koa.

Na izany aza anefa dia tsy atao manalavitra loatra io daty io ny fankalazana isam-piangonana mba tsy hanelingelina ny programa sy ny fandaminana miainga eo amin’ny Foibe Ankorondrano… Galatiana.4:9-10

Ny sary vongana kely
Tsy azo atao araka ny Soratra Masina ny manangana Sary na Sary vongana endrik’Andriamanitra eto amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy fa SAMPY, noho izany dia tsy azo atao avy hatrany ny manangana sary vongana momba ny nahaterahan’ny Mpamonjy, ombilahikely, Josefa sy Maria, sy Jesosy zazakely. Mitovy amin’izany koa ny video na sary misy sarina Jesosy na izy zaza, na izy efa lehibe, na izy teo amin’ny hazofijaliana na niakatra nakany an-danitra, na endriny eo amin’ny seza fiandrianana, fa endrika fanompoan-tsampy izany… Levitikosy.26:1. Eksodosy.20:4

Mankalaza Noely ny Jesosy Mamonjy
Noho izany dia mankalaza ny Noely ny Fiangonana Jesosy Mamonjy, manome anjara betsaka ny Sekoly Alahady sy tanora, ary ny rehetra mandritry ny fankalazana, manararaotra mianatra sy mampianatra ireo hira vaovao, mampianatra tsianjery Tenin’Andriamanitra izay tokony hanana anjara toerana lehibe, nefa kosa tokony apetraka mandrakariva ny fandaharana sy ny toriteny, hifantoka sy hahatsiaro ny NAHATERAHAN’NY MPAMONJY.

Aoka ho fantatry ny Mpampianatra Sekoly Alahady sy ny Mpiandraikitra Fiangonana rehetra, fa ao anatin’ny fankalazana ny Noely dia manana anjara toerana misimisy kokoa ny Sekoly Alahady izay ampianarina ny Tenin’Andriamanitra mandavan’ny taona, noho izany ankoatra ny fandaharan-kira sy fihetsika, ny andro noely dia tsy maintsy anehoana marimarina fa mianatra ny Tenin’Andriamanitra ireo ankizy ireo ary mahay sy mampihatra izany. Koa tokony hisongadina tokoa ny fanaovana tsianjery Tenin’Andriamanitra, ny fijoroana vavolombelona maneho ny fiovam-pon’ny ankizy sy ny tanora, izay vokatra entin’ny fianarany ny Soratra Masina, araka izay nampitan’i Sr Daoud azy ihany.

Ny Anabavy Daoud no nampianatra ny fomba fototra tamin’ny Mpampianatra Sekoly Alahady ny fankalazana ny Noely, ka tsy tokony hisy fiovana lehibe izany, na hampanaraka ny fanaon’izao tontolo izao ao an-tranon’Andriamanitra. Tsy maintsy mianatra izay napetraky ny Mpanorina hatrany na ny vadina Mpanompon’Andriamanitra, na ny Mpampianatra, fa tsy ny mpianatra, na ny mpino, na ny tanora no mibaiko araka izay saim-patany sy hitany any ivelany.

Koa ny tena azo atao dia :

Fampihaingoana trano Fiangonana
Azo atao ny mba manatsara sy mampihaingo ny tranon’Andriamanitra satria handray vahiny, ary manararaotra ny fotoana fanavaozana ny trano, fandokoana, fanadiovana sns. Manavao sy Mampihaingo amin’ny lamba rideau-mbaravarana, ny lamban’ny polipitra sns. Fotoana hiarahan’ny zanak’Andriamanitra mandray andraikitra, miara-misalahy mikarakara ny tranon’ny Raintsika. Nefa kosa tandremo tsy hanahaka an’izao tontolo izao, na hisy endrika satanika, na loko Sodomita (arc en ciel) izay efa hita miharihary eny amin’ny fiarahamonina, sns. Mety hanao izany am-pahatsorana isika, nefa raha misy ao amintsika mba manam-pahalalana mitombina dia tokony handinika sy hanadihady izany tsy amin’ny fifandirana, na amin’ny fanaparam-pahefana, fa amin’ny fitiavana.

Fampihaingoana mpianatra Sekoly Alahady
Ampanaovina samboady ny ankizy, azo asiana soratra ao anaty soratra masina, sns, afaka manao satroka taratasy voahety, asiana haingony sns, nefa dia tandremana tsara mba tsy hivaona araka izay nataon’ny Mpanorina… Afaka manao fitaovana hanaovana fihetsika, nefa dia araka izay manome voninahitra an’Andriamanitra hatrany. Tandremana tsara ny zavatra vidiana eny an-tsena fa misy endrika devoly, kolo-tsaina firenena izay manohitra ny tenin’Andriamanitra mihitsy…

Ny Tenu, ny Fitafy, sns
Efa nisy tany am-piandohana ihany ny manao fitafiana mitovy nefa tsotra, na satroka mitovy, na kravato, na noeud sns, noho ny antony, mba hampitovy ny ankizy rehetra, mba hanomezana anjara ny ankizy tsy manana, indrindra any ambanivohitra… Kanefa dia tsy neken’ny Mpanorina mihitsy ny hanaovana fitafiana mihoampapana sy lafo vidy (fa mandratra ny fon’ny mahantra hoy izy), fitafiana mamirapiratra, manara-batana, mampitanjaka sy mampiseho nofo, tsy tataka, tsy azo atao ny manao firavaka na amin’ny tanana na amin’ny tenda, sofina, tongotra sns, na manao vernis à ongle, na manalava hoho. Tsy azon’ny vehivavy atao ny manapa-bolo, manao saron-doha avokoa ny vehivavy, ary raha misy vao niova fo ka tsy mbola maniry ny volony dia manao saron-doha hanaronany ny volony. Tsy maintsy manapaka ny volony ary tsara hety ny lehilahy, tsy mahazo manao short na pataloha fohy, bory tanana, be soratra, na misy sary ratsy, tsy maintsy manao kiraro kosa ny rehetra, na manao kapa raha tena tsy manana fa tsy mahazo manao pied nu. Tsy voatery mividy akanjo vaovao, fa izay ananana no entina ankalazana ny Noely, fa kosa tsy maintsy sasana madio tsara. Tsy maintsy mandro sy midio tsara alohan’ny hiakarana hanao Noely.

Aoka ny Mpiandraikitra asan’Andriamanitra rehetra tsy hanao jadona sy lalàna momba ny Tenu, tokony hankalaza ny Noely avokoa ny rehetra, ary tokony hiara-paly, indrindra ny Sekoly Alahady sy tanora, indrindra ny mahantra sy ny sahirana, indrindra ireo Sekoly Alahady MIANATRA TSY TAPAKA mandavan’ny taona, ka tsy ny fitafiana no ho tonga sakana ho an’ireny na hanavakavahana azy ireny (Tsy mahazo miakatra polipitra, tsy mahazo micro, alefa any aoriana sns…) tsy hankalazany an’Andriamanitra, fa FAHOTANA ho an’ny mpiandraikitra izany. Raha misy kosa fahafahan’ny mpampianatra sy ny mpiandraikitra hanome ny mpianatra dia aoka hatao amin’ny fahononan-tena, tsy ho amin’ny fifaninana sy fieboeboana, fa amin’ny rariny sy ny honony, ary amin’ny tahotra an’Andriamanitra.

Tsarovy fa isaky ny Noely dia mijoro eo amin’ny tohatry ny Polipitran’ny Foibe Ankorondrano i Sr Daoud manara-maso ny fitafiana, ary nampidininy avy hatrany tsy misy adihevitra izay nandika ireo fitsipika ireo… Averina isan-taona avokoa izany fampianarana izany nanomboka teo amin’ny Foibe, ka makamin’ny fiangonana rehetra.

Manolotra fanomezana na kilalao
Tsy dia zavatra ratsy akory ny manolotra fanomezana na kilalao, indrindra ho an’ny ankizy, satria androm-pifaliana ny andro Noely, Andriamanitra Ray nanome ny Zanany Lahitokana hamonjy antsika. Nefa kosa tsy tokony hisy fifandraisany amin’ny kilalaon’i dadabe noely na oviana na oviana. Noho izany dia fanomezana ho an’i Jesosy no malalaka kokoa, satria fankalazana ny nahaterahany no atao, koa dia tokony hitondra fanatitra bebe kokoa tahaka ireo magy isika ho an’ny asan’Andriamanitra… Ny fanomezana kilalao na fanomezana ho an’ny ankizy Sekoly Alahady kosa amin’ny ankapobeny dia natao mandritry ny fizaran-doka izay andro hafa mihitsy, ohatra alohan’ny fifaranan’ny taom-pianarana Sekoly Alahady.

Azonao atao koa ny maka harona sachet, asio vary manta kely, asio laoka, asio voankazo, Vola kely sy fanomezana kely, dia mandehana atero amin’ny tsy manana, indrindra amin’ny mpianakavin’ny finoana.

Ny Sekoly Alahady sy tanora rehetra dia tokony hampianarina, hizara, hanome, tahaka an’i Kristy nanolotra ny tenany, sy ny zavatra rehetra ho antsika. Koa entano ny ankizy rehetra na ny manana kely, indrindra ny manana be, mba ho fotoana fizarana sy fanomezana ny andro Noely : makà akanjo, na kiraro, na fitaovam-pianarana, izay tsy ampiasain’ny zanakao intsony, dia ento izy hanome ny tsy manana sy ny sahirana. Eny, izay manana 2, dia aoka hanome ny 1 ho an’ny namany.

Hiteraka fitiavana, firaisam-po, sy fifaliana lehibe tokoa eo anivon’ny fiangonana izany isaky ny andro Noely… Asan’ny Apostoly. 20 : 35.

Fanasana
Ny Fiangonana Jesosy Mamonjy dia manome vahana sy toerana lehibe ny asa fitoriana Filazantsara mandavan’ny taona, koa ny fotoan-dehibe rehetra, Noely, Paska, Pentekoty, sns dia araraotina hanasana ny mpiray monina, ny mpanota, ny namana sy ankohonana, mba ahafahana mitory ny Tenin’Andriamanitra azy ireo, mba hitaomana azy ho an’i Kristy.

Eto am-pamaranana, raha misy tsy voalazanay, dia azonao atao ny manoratra eo amin’ny Commentaire, na manoratra mivantana aminay, fa kosa ezaho mba tsy ny hevitrao fa izay nampianarin’ny Mpanorina ihany.

Ho amintsika anie ny Tompo, manaova fety sambatra daholo.

Amin’ny fonay rehetra

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *