Andro farany izao, ho avy Jesosy

Nitory teny matetika Fr Daoud tany amin’ny taona 1997 tany hoany fa ho avy tsy hoela ny andro mahory, hisy ny fanenjehana sy mosary, ary hikatona ny fiangonana ka tsy ho afaka mivavaka isika. Tsy hisy hahazo hividy na hivarotra raha tsy manana ny mariky ny bibidia. Koa ny herin’Andriamanitra angoninao izao, ny fiainam-bavaka betsaka ataonao izao, ny fahazaranao mivavaka sy mifady hanina maharitra amin’izao fotoana miadana izao, ny hery tovozinao amin’ny fanaovana ny asa fitorian-teny, ny fahazarana mamaky baiboly tsy tapaka amin’izao fotoana izao, no ahafahanao mivelona tsy misy Fiangonana, tsy misy pasteur afaka hampahery anao.
Efa AKAIKY JESOSY, mivondrona ny mpianakavy dia manaova fotoam-bavaka, mitsangana dia mitoria ny tenin’Andriamanitra amin’ny ankohonanao. Fa aza variana miaraka amin’izao tontolo izao.
Amin’ny fonay rehetra