Ahoana no hiofanana ho amin’ny asan’Andriamanitra

Na iza na iza no maniry hiofana ho amin’ ny asan’ ny Tompo dia tokony hahatsapa fa ny fiainana anatiny manokana eo anatre­han’ Andriamanitra no fanoitra fototra ho amin’ ny fahombiazana sy fisondrotana ara-panahy. Liana kokoa Andriamanitra mijery ny fiainana iainantsika sy ny eritreritra sainintsika, ny fahamasi­nam-po sy fampiharana ny fahamarinana, raha atao indraim-bava, ny fiovantsika amin’ ny alalan’ ny Fanahy hitovy endrika amin’ i Kristy, mihoatra noho ny fahaizantsika miresaka !

Nivavaka ilay Apostoly ngezalahy mba  »hitoetra ao anatina­reo Kristy », ary hoy izy avy eo : « Kristy no velona ato anatiko ». Eny, Noa niara-nandeha tamin’ Andriamanitra ; « Enoka niara­-nandeha tamin’ Andriamanitra ». Isika koa ve tsy mba afaka hiara-­mandeha Aminy ?

Ao amin’ ny Mar. 3 : 14-15 dia izao no vakiantsika nanendry roa ambin’ ny folo lahy Izy (Jesosy) ho ao Aminy sy hira­hiny hitoriteny, sady hanana fahefana hanasitrana aretina sy ha­moaka devoly ».

Ao amin’ ny Mat. 4 : 19, hoy Jesosy tamin’ ireo : « Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo ».

Ny miaraka amin’ i Jesosy sy manaraka Azy no fepetra nilaina hanofanana sy hanirahana ho mpanarato olona, hanao zava-­dehibe ho an’ Andriamanitra.

Ny fandresena miseho ivelany mbamin’ ny fahombiazan-de­hibe dia vokatry ny fandresena anatiny eo amin’ ny fiainam-pana­hintsika ! Rom. 12 : 1, 2. »Koa amin’ izany miangavy anareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’ Andriamanitra, mba hatolotra­reo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’ Andriama­nitra, dia fanompoam-panahy mety ataonareo izany. Ary aza ma­naraka ny fanaon’ izao tontolo izao, fa miovà amin’ ny fanavaozana ny saina hamantaranareo ny sitrapon’ Andriamanitra dia izay tsara sady ankasitrahana no tanteraka ». Mitaky fiarahana akaiky Aminy Andriamanitra, mbamin’ ny fanolorantenantsika tanteraka mba hitondrana antsika ho amin’ ny fahatsapana momba ny fifan­tohana Aminy tsy voazarazara !

Ny sisa rehetra tokony haka toerana faharoa : namana, olo­-malala, trano, vola, asa, ny rehetra, na dia ara-dalàna aza, ny re­hetra tokony hanome làlana an’ i Kristy. Andriamanitra no tokony ho voalohany ! Amin’ izay fotoana izay ihany Izy vao afaka hitahy, hanamasina sy hampiasa antsika… ary amin’ izay ihany koa isika vao afaka hanome fahafaham-po ny fony feno fitiavana ! Nataon’ Andriamanitra ho an’ ny Tenany isika, maniry mafy ny hiaraka amintsika sy hifandray amintsika Izy… hiaraka Aminy amin’ ny fotoana mifandimby, eto anivon’ ity taranaka ratsy fanahy sy mpa­nota ity izay nanombo ny Tompo tamin’ ny hazofijaliana. Tokony hivelona zato isan-jato ho an’ ny Tompo isika ! Ary amin’ ny ala­lan’ ny fahasoavany, dia misandràta ambonin’ izao tontolo izao sy ny nofo ka tadiavo Jesosy Tenany mihitsy, izay ampy tanteraka hanampy amin’ ny fotoana rehetra ilàna Azy.

« Daniela ninia tao am-pony tsy handoto ny tenany ». Dan. 1 : 18. Aoka isika hinia, ary Andriamanitra hanome antsika fahasoa­vana sy hery ampy ! Ny faniriana ambony indrindra kendren’ Andriamanitra ho antsika dia ny hitovy amin ny Zanany, hovàna hitovy endrika Aminy ! Ireo mandany fotoana betsaka eo amin’ ny fanatrehany ihany no ho tonga tahaka Azy. Ireo hanome Azy ny fifantohany tsy voazarazara ihany no ho tonga amin’ ny fahalalana Azy ! Mba handraisantsika ny tsara indrindra avy Aminy dia tsy maintsy manome Azy ny tsara indrindra avy amintsika isika. Mba handresena dia tsy maintsy milavo Iefona isika. Mba hahavelona dia tsy maintsy maty isika. Mba handraisana dia tsy maintsy manome isika.

0