Miverena any Betela 007

Aoka ho raisintsika ny voady izay nataon’ i Jakoba : « Dia ho an’ Andriamanitra IANAO ».Tokony hiteny amin’ ny Tompo isika fa ho mahatoky amin’ ny famonjena fivoriana amin’ izao taona vaovao izao. Hamaky Baiboly bebe kokoa isan’ andro aho noho izay nataoko tamin’ ny taon-dasa. Hanome fotoana bebe kokoa ho an’ ny vavaka mihoatra noho ny tamin’ ny taon-dasa aho. Tamin’ ny fiandohan’ ny fiovàm-pontsika dia nampanantena isika fa ho mahatoky amin’ ny fandoavana ny ampahafolony.

Izany no karazana voady izay resahiko, dia ilay voady fampanantenana nataonao : « Hampiasa ny vavako hijoro ho vavolombelona sy hitaona fanahy aho, hazoto amin’ ny fanaovana ny asanao aman’ ny foko rehetra aho, Tompo ô. Hanitsy ny fiainako aho ary handresy ny fahalemeko ». Zava-dehibe amin’ Andriamanitra ireny voady avy any anatin’ ny fontsika ireny, ary tiany ny mamerina ny tsirairay avy ho amin’ ireny.

Nanao voady Jakoba raha tany Betela. Tsy ny fitahiana ihany no noraisiny, fa mihoatra noho izany, nahazo fanamba­rana avy amin’ Andriamanitra ihany koa izy. Ilaina ny mpino manao fanekena tahaka izay nataon’ i Jakoba eo amin’ ny fiainana. Misy ny fampanantenana ny amin’ ny fiainana hamasi­nina sy ny amin’ ny anton’ ny fanolorantena feno noho ny amin’ Andriamanitra. Ao ny fanekena hoe HANOMPO AN’ ANDRIAMANITRA AMIN’ NY ANDRONTSIKA REHEIRA, ny fanekena fa ho kristiana maodely eo amin’ ny fianakaviana, ny fampanantenana fa hitondra ny zanakao ho any aman’ ny Sekoly Alahady, hanatrika ny fotoam-pivavahana ianao, ny fampanantenana fa hivavaka, hanao fanompoam-pivavahana iarahan’ ny fianakaviana, ny famakiana ny Baiboly isa-­maraina sy hariva miaraka aman’ ny ankizy, ny fanekena fa ho mpitandrina ny ankohonanao ianao ary hampianatra azy ny làlan’ Andriamanitra. MBOLA MITAZONA IREO VOADY IREO VE IANAO ? Any Sekema ianao, sa any Betela ankehitriny ?