Moa ve ny Kristiana afaka mivelona tsy misy ota?

Ny mivelona tsy manota dia fiteny mahatohina ny olona maro, kanefa amin’ ny fomba ahoana indray no ahatanterahana ny zava-kinendry lehibe tamin’ ny nanirahana an’ i Kristy teto amin’ izao tontolo izao ? Tonga Izy hamonjy ny olona ho afaka amin’ ny fahotany, kanefa raha tàhiny ny kristiana tsy mety voavonjy afaka amin’ ny fahotana, araka ny fampianaran’ ny mpampianatra sy mpitondra fiangonana resy sasany, dia ho tsy nahomby ny drafitry ny fanavotana.

Mampianatra misongadina tsara ny Testamenta Vaovao fa ny famonjena nomen’ i Jesosy diamahafaoka ny fahasoavana hive­lona tsy manota. Hoy Paoly : « Hitohy hanota va isika hitomboan’ ny fahasoavana ? » Sanatria izany. Ataontsika izay efa maty ny amin’ ny ota ahoana no ho velona aminy ihany. Rom. 6 : 1, 2. Ary hoy indray izy : « Ianareo no vavolombelona, ary Andriama­nitra koa, fa masina sy marina ary tsy nanan-tsiny tokoa ny fitondrantenanay teo imasonareo izay mino ». I Tes. 2 : 10. Teny henjana ireo, raha olona mety maty no mampiasa azy, nefa dia marina. Ny fiainana niainany dia nambaran’ ny Fanahy Masina fa marina, mahitsy ary tsy nisy tsiny. Mifanandrify indrindra amin’ ny an’ iPaoly ny fampianaran’ i Jaona.Ny zava-kendren’ ny episti­liny dia ny hampitandrina ny mpino tsy ho amin’ ny ota sy hiaro azy ireo tsy ho amin’ izany.

« Izanyzavatra izanyno soratako aminareo, mba tsy hanota­nareo ». Ny fampianaran’ i Jaona ao amin ny epistiliny voalohany toko fahatelo dia enti-maneho fa tahaka ny ahazoana antoka fa metyvoavonjy amin’ny vokatry nyota isika, amin’ ny alalan’ ny fi­noana an’ i Kristy,dia torak’ izanykoa no ahazoantsika ho voaaro tsy hanota amin’ ny alalan’ ny fitomoerana ao AMINY. Koa satria tsy mila manota ny kristiana dia tokony tsy hanota. Ny hoe mety dia hitarika ny hoe tsy maintsy. Miharihary ny zanak’ Andriama­nitra sy ny zanaky ny devoly. Izay manota (izany hoe amin’ ny fa­halalana sy an-tsitrapo) dia avy amin’ ny devoly. Tsy misy toeram­-pahasoavana eo amin’ ny fiainana sy fahatsapana kristiana hanome alàlana ny ota an-tsitrapo. Na dia ny karazana kristiana ambany indrindra aza tsy mitohy amin’ ny ota.

Lafin-javatra iray koa no habaribary eto amin’ itytoko ity, fa ny fijanonana amin’ ny maha-zanaka sy ny fitohizana amin’ ota dia mifanipaka, ka tsyafa-miaraka ao amin’ ny toetran’olona iray.Tsy afa-mitoetra ho zanak’ Andriamanitra ny olona iray no sady mpanota, toy ny tsyahafahany ho sady mahatoky no mangalatra, na marina nefa mandainga.

Raha sendra latsaka amin’ ota izy, dia miantso an’ Andria­manitra ka mangata-pamelana avy hatrany arymanontsokontsona ny tenany sy midio mba handroso indray… Dia tsy misy hafa amin’ ny zanak’ ondry, raha latsaka anaty tatatra dia miantso vonjy… fa raha ny kisoa kosa no latsaka anaty tatatra feno fotaka, dia vao mainka tiany izany, ka mitsinkasinkasina sy mitrongy izany amin’ ny orony izy. Koa arakaraka izay toetran’ ny olona no ataony. Ny kristiana manana ny toetran’ Andriamanitra nozarainataminy, dia tsy hitohy hanota na amin’ ny fomba ahoana na amin’ ny fomba ahoana… Ary raha misy olona milaza ho kristiana, nefa mitohy manota, dia miharihary fa mbola tsy tena naterak’ Andria­manitra na oviana na oviana izany olona izany ! Na namery an’ Andriamanitra izy ka nesorina taminy ny Fanahin’ Andriama­nitra, tahaka izay nitranga tamin’ i Saoly mpanjaka sy ny hafa koa.

Rehefa tena Zanak’ Andriamanitra tamin’ ny alàlan’ ny Fanahy Masina ny fanahy iray, dia misy fitsipika vaovao raisina (ny fitiavan’ Andriamanitra) izay maka toerana ao ambadiky ny si­trapo. Tsy mety manohitra ny lalàn’ Andriamanitra na oviana na ovina na ny fihetsiky ny sitrapo, raha mbola maharitra tapahan’ ny fitiavana ny Mpanome ny lalàna izy.

« Izay rehetra naterak’ Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany no mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay izy, satria nate­rak’ Andriamanitra ». I Jao. 3 : 9. Tsy mahay izy satria tsy sitra­pony ; Ny tsi-fahaizana tsy hoe ara-batana fa ara-panahy.

Ekentsika tokoa amin’ ny lafiny ilany ny fisian’ ny fahasami­hafana eo amin’ ny ota natao vokatry ny fahalemena niserana, na ny tsy fahampian’ ny fiambenana, sy ny ota niniana natao hiken­drena zavatra. Amin’ ny fotoana kely tsy hiambenana, ny kristianatsara indrindra dia mety ho tafalatsaka tsy nahy amin’ ny ota iray, izany anefa tsy mahafaoka ota lehibe toy ny fijangajangana, na fisaraham-panambadiana, na lainga, raha tsy hoe efa namery an’ Andriamanitra ilay olona. Fa ny amin’ io ota tsy nahy io, dia efa misy vatsim-pamindrampo any amin’ Ilay Mpisoronabentsika any ambony. Kanefa na dia ireny ota tsy nahy ireny aza, araka ny mety hanononana azy, dia tsy hoe tsy maintsy. « Raha misy manota, dia manana solovava ao amin’ ny Ray isika ». I Jao. 2 : 1. Ny « raha » dia maneho mazava fa tsy hoe tsy maintsy, na koa hoe : manantena ! Ho fahadalana manao ahoana ny fampiasana io teny « raha » io raha toa tsy misy toerana ho an’ ny fepetra.

Ampianarin’ ny Tenin’ Andriamanitra mazava tsara fa ny kristiana, dia tsy mila manota, na manao ota ; Ny fetezana manota anefa mbola mitoetra, koa raha misy sendra tratry ny fahadi­soana, aoka izy tsy hamoifo.Andriamanitra, tamin’ ny famindram‑

pony, efa nanana vatsy ampy ao amin’ i Kristy ho amin’ ny famelana sy fanadiovana azy indray raha miaiky ny tsy nety nataony izy.