Fanaka omem-boninahitra 2 (tohiny)

Ao amin’ ny II Tim. 2   :   20, 21 dia mitanisa zavatra telo Paoly   :   Ny fanaka omem-boninahitra dia « EFA NOHAMASI­NINA », MAHASOA HO AN’ NY TOMPO », VOAVOATRA HO AMIN’ NY ASA TSARA REHETRA ».

Nohamasinina

Ny TENIN’ ny Testamenta no foto­try ny fiainana kristiana… Ary izay tsy hanomboka amin’ ny fomba matotra izay nolazain’ i Jesosy tamintsika dia TSY MBA HANAO FANDROSOANA LEHIBE na oviana na oviana ! (Izany tsy mi­dika fa tsy maintsy miditra sekoly biblika ianao mba hianarana ny Tenin’ Andriamanitra). Ny kristiana tsirairay, na aiza na aiza toe­rana misy azy, raha tiany ny hitohy ampiasain’ Andriamanitra, dia tsy MAINTSY manokana fotoana hizahana sy handinihana ny Tenin’ Andriamanitra. « Tsy mofo ihany no hiveloman’ ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’ Andriamanitra ». Mat. 4   :   4.

Ny hoe nohamasinina dia anankiray amin’ ireo fombam-pite­nenana mahazatra antsika, nefa, moa isika mba nisahirana hitady ny tena dikan’ io teny io araka ny ampiasana azy ao amin’ ny Testamenta Vaovao? Indraindray io teny io adika hoe   :   « atao ma­sina » ary indraindray kosa « masina », fa ny hevitra fototra dia mi­tovy   :   FISARAHANA SY FAHADIOVANA.


Ao amin’ ny Testamenta Taloha, ny dikan’ ny teny dia hoe   :   avahana mba ho amin’ ny zava-kendrena masina. Nampiasaina io mikasika ny voalohan-teraky ny andiam-biby fiompin’ ny Hebreo, ho toy ny biby noraisina avy teo amin’ ny namany ka natokana ho an’ Andriamanitra, ho entina eo amin’ ny alitarany.

Nampiasaina io tany Jerosalema, ilay tanàna masina sy ny tempoliny sy ny fanaka tao amin’ ny tempoly, mbamin’ ny mpiso­rona nanao raharaha tao. Ireo rehetra ireo dia navahana tanin’ ny fampiasana azy andavan’ andro ka natokana ho ambony sy masina ary araka an’ Andriamanitra ! Fa ny mikasika an’ i Arona sy ny zanany izay navahana hanao ny asa fisoronana, mbola bebe kokoa noho izany no notakiana, tsy maintsy ho olona voaavaka sy mano­lotena ireo.

MIALOHA NY HIROSOANY AMIN’ NY ASANY dia nen­tina ny osilahy fanokanana, ka natao teo amin’ ny tànana, teo amin’ ny tongotra sy ny sofina ary ny Iohan’ ny olona manokan­tena ny ran’ io ; Midika izany fa mita diovina MANONTOLO ilay olona. Avy eo dia atao amin’ ny tenany sy ny fitafiany ny menaka fanosorana, ary averina mandritra ny 7 andro izany fombam-piva­vahana izany. Ny fanadiovana imbetsaka sy ny famafazana ny ra, ny FITAFIANA FOTSY efa nomanina dia natao hanehoana an-­tsaryny ilànany fahadiovana mialohany ahatongavan’ ny olona ho « mahasoa ho an’ny Tompo ». Azoantoka fa nieritreritra ireny asa fanokanana tao amin’ ny tempoly ireny ny Apostoly Paoly, raha nanambara ny toetra voalohany ho an’ ny ‘fanaka omem­-boninahitra », dia ny hoe : « efa nohamasinina », voatokana tante­raka hampiasain’Andriamanitra!